Tena tara be mihitsy ilay valiteny omeko fa izany hoe omeko ihany. Diso be io hoe tsy misy dikany amin'ny teny malagasy io ny hoe virijiny : NORO ! io no teny malagasy madio mahadika ny teny frantsay hoe VIERGE.
Firifiry ny tovovavy manana anarana hoe NORO eto amintsika ary firy ny hoe RASOAMBOLANORO : adikao hoe r'ise ny dikan'ity anarana ity. Nisy iray nalaza nitondra io anarana io. Ny Ranorosoa sy ny Rasoavolanoro sy ny tsy hay intsony fa Noro e !
Tsy izay voasoratra rehetra any anatin'ny boky dia marina ary tadidio hoe ny antsika ny teny no miampita fa tsy ny soratra. tsy diso koa anefa ny hoe précoce ny olona taloha (sy ny izao ve hihihi).