Ny fanavakavahan-bolontongotra

41. Fanambinana ( 15/03/2007 18:19)
Avelao ho hitany fa MPANDAINGA izy e.
Averiko eto fa andriamatoa fijo dia sady feno fankahalana no tranon-dainga. Izay no mameno ny fiainany sy ny lohany, hita taratra izany amin'ny teny lazainy rehetra eto: endrikendrika, fanalana baraka, LAINGA
Io averiko eto ambany ny porofo tsy azony lavina intsony amin'ny maha olona MPANDAINGA azy.

Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.

1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.

Misaotra Rahery e
42. nikopol ( 15/03/2007 18:35)
=))=))=))

mba asiako fihomezany ny resaka fivavahana fa miala tsiny aho, azoko antoka fa tsy mifanohitra amin'ny fivavahana ny tsiky
43. Fanambinana ( 15/03/2007 18:47)
Averiko eto fa andriamatoa fijo dia sady feno fankahalana no tranon-dainga. Izay no mameno ny fiainany sy ny lohany, hita taratra izany amin'ny teny lazainy rehetra eto: endrikendrika, fanalana baraka, LAINGA
Io averiko eto ambany ny porofo tsy azony lavina intsony amin'ny maha olona MPANDAINGA azy.

Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.

1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.

Misaotra Rahery e
44. nikopol ( 15/03/2007 18:53)
Fanambinana an, andao vonoina i fijo e, hitako ny misy an'i nedala iny =))=))=))
45. Fanambinana ( 15/03/2007 19:07)
nikopol: Azafady ry namana fa tsy ny hahafaty ny ratsy fanahy no sitrak'Andriamanitra fa ny ialany amin'ny lalan-diso izorany.
Aza maka fanahy ahy ianao. Ary aza mihevitra ohatran'i Satana
46. booboo ( 15/03/2007 19:11)
47. ikaretsaka ( 16/03/2007 12:34)
fanambinana> fa izany akory tsy midika hoe iny ianao fa hametraka ny toe-tsainao koa hirefarefa amin'ny tany dia manao spammer sy migafy ianao rehefa izay no lazainy.. ary izy tsy isaky ny sujet rehetra dia namerina an'io teniny io f ahevitra 1 ihany:roll:
48. fijo ( 16/03/2007 23:37)
io koa izao le toetra kristianina tena tsy mahasarika ahy iray.
49. pissoa ( 17/03/2007 12:35)
Fijo : ny hitako Problem-nao dia tsy hainao ny manavaka ny atao hoe --- Kristianina --- sy ny hoe --- Kristy --- :-D:-D:-D
50. prime ( 20/03/2007 12:52)
pissoa:
Avereno vakiana ny tenin'i Rasiligaoma noquoten'i prime io vao malaky mitanisa andininy ! Izy tsy niteny hoe misy milaza hoe Anti-Kristy izay manda ani Jesoa ho Kristy, hoy izy hoe
...Dia avereno vakiana tsara koa izay nolazaiko...:lol::-D:-D Izaho tsy miteny hoe "tsia tompoko ô..." amin'ilay hoe "misy milaza hoe Anti-Kristy izay manda ani Jesoa ho Kristy"... fa "tsia tompoko ô...(miampy ny Teny)" amin'ny famaritana ny atao hoe antikristy araka ny voasoratra ao amin'ny soratra masina...:-D:-D:-D... Sady efa diso ny famaritana ny atao hoe "antikristy" dia mbola voatsipika koa hoe "fanavahana io", izay no ni-"quote"'ko an'io sy nilazako hoe "tsia tompoko ô..."
ikaretsaka:
amiko ry prime tena zanak'andriamanitra daholo nefa na manaiky na manda fa tsy hoe nanda izy de havahana.. tsy mety kosa izany e
... Dia izany tokoa no faniriana... nefa indrisy ny Tenin'Andriamanitra dia hentitra ny amin'io fa tsy ny olona rehetra akory no antsoina hoe zanak'Andriamanitra : (hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy)

"Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra." Romana 8:14... tarihin'ny fanahin'Andriamanitra avokoa ve ny olona rehetra?... toa tsy izany no zava-misy...

"...Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka." Romana 9:8... Manaiky ilay teny fikasàna sy manaiky ho zanany va ny olona rehetra? toa tsia no valin-teny matetika fandre... misy amin'ny milaza ho Kristiana aza miteny fa tsy lavorary io teny fikasàna io noho izany tsy mendrika ny inoana manontolo...

"Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy." Galatiana 3:26...

sy ny hoe...

"Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana]" Jaona 1:12... mino an'i Jesosy Kristy avokoa ve ny olona rehetra?... eo indrindra isika izao fa mbola tsy mitsahatra ny fitoriana filazantsara mandrapaharesy lahatra ny olona fa Kristy no lalana tokana mankany amin'ny famonjena...
51. rush ( 20/03/2007 12:59)
ary raprime be resaka be sady lava be loatra ny fanazavana nefa tsy misy raisina e!
52. ikaretsaka ( 20/03/2007 15:00)
rush> ka norm fa tsy maintsy mitory teny ingahirainy de eritreretiny hoe tsy tafita ny hafatra raha tsy lavabe sy fenoina andininy notsiponina ilay kozy ...:roll:
zatra ilay @ 9 maraina ka hatr@ 1atoandro any ampiangonana ireny e e :oops:

Prime> zanak'andriamanitra daholo satria zava-boarin'andriamanitra daholo ka.. na ilay fanahy hafa mitarika ny sasany aza taoko zava-boahariny ihany ... sa aminao iza no nahary an'io?
53. rush ( 20/03/2007 15:05)
ny mandreraka ahy dia ity fihozonozina hataon'i prime hoe anti-kristy ity!raha zao hono de anti-kristy! raha izao hono dia anti sy ny tsy hay intsony!tokony hianatra ny dikan'ny hoe anti-kristy aloha prime vao milaza hoe zao sy izao e!sady tsy misy rahateo io e!
54. pissoa ( 21/03/2007 17:00)
prime:
...Dia avereno vakiana tsara koa izay nolazaiko...:lol::-D:-D Izaho tsy miteny hoe "tsia tompoko ô..." amin'ilay hoe "misy milaza hoe Anti-Kristy izay manda ani Jesoa ho Kristy"... fa "tsia tompoko ô...(miampy ny Teny)" amin'ny famaritana ny atao hoe antikristy araka ny voasoratra ao amin'ny soratra masina...:-D:-D:-D... Sady efa diso ny famaritana ny atao hoe "antikristy" dia mbola voatsipika koa hoe "fanavahana io", izay no ni-"quote"'ko an'io sy nilazako hoe "tsia tompoko

=))=))=))
Avereno vakiana le nosoratanao fa toa tsy azonao tsara :oops:
55. ikaretsaka ( 21/03/2007 18:17)
ivereno vakiana tokoa hoe ry prime ???
56. prime ( 22/03/2007 12:13)
rush:
ary raprime be resaka be sady lava be loatra ny fanazavana nefa tsy misy raisina e!
...:-D:-D Dia rehefa tsy misy raisina dia aza raisina na vakiana akory... tsotra be...:lol::-D
rush:
ny mandreraka ahy dia ity fihozonozina hataon'i prime hoe anti-kristy ity!raha zao hono de anti-kristy! raha izao hono dia anti sy ny tsy hay intsony!tokony hianatra ny dikan'ny hoe anti-kristy aloha prime vao milaza hoe zao sy izao e!sady tsy misy rahateo io e!
... Na holavinao io na hiozonanao, ny Tenin'Andriamanitra dia mazava... azonao tsy inoana rahateo sady tsy inoanao rahateo dia hazony tsara izay tsy finoanao izay raha mahasoa anao...
ikaretsaka:
Prime> zanak'andriamanitra daholo satria zava-boarin'andriamanitra daholo ka.. na ilay fanahy hafa mitarika ny sasany aza taoko zava-boahariny ihany ... sa aminao iza no nahary an'io?
... Ka lavinao izany ny fahamarinan'ireo Tenin'Andriaanitra ireo?... izay anie no olana amin'ilay mamaky ankapobeny fotsiny e... lasa hevitr'olombelona sisa no lazaina ho hevitr'Andriamanitra... nefa mazava tsara ny lazainy, azonao lavina sy tsy inoana fa ny hevitrao ihany hazonina fa dia izay aloha no voalazan'ny tenin'Andriamanitra, tsy ny olona rehetra no atao hoe zanak'Andriamanitra...
pissoa> Mazava ny nolazaiko ary fantatro izay nolazaiko fa ianao angamba no tsy mahazo azy tsara...:-D:-D:-D... izay nolazain'i rasily azy ny azy....=))
57. pissoa ( 22/03/2007 18:30)
Prime : averenop vakiana hoa ny teninao fa sao tsy azonao tsara :wink:

Prime:
...Tsia tompoko ô... Hoy ny Tenin'Andriamanitra :

"Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy*, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. [* Na: ilay antikristy]" I Jaona 2:22

"ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy." I Jaona 4:3

"Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy." II Jaona 7

Ka raha misy ny lazainao ho mpanavakavaka dia ny Tenin'Andriamanitra mihitsy no tsarainao ho mpanavakavaka izany...

Ny filazàna ny maha_antikristy dia tsy fanavakavahana velively, fa fiambenana ny ondrin'Andriamitra tsy ho voafitaka... mbola fitiavana daholo no ilazàna izany...

jereo tsara io nataoko maitso io ! Ary i rasiligaoma efa niteny fa MISY eto amin'ny serasera, manavakavaka ary milaza izay tsy mitovy hevitra aminy ho Anti-Kristy ! Sa tsy Rasiligaoma no nolazaina tamin'ilay ianao ? Ra zay njay de resaka hafa mitsy ka :-D:-D:-D:-D:-D
Tsy ny filazana ny mahaAntikristy no fanavakavahana fa ny filazana ny tsy mitovy hevitra amin'ny tena ho AntiKristy ! Dia izay ilay lazain'i Rasiligaoma hampitandremanao azy sao mitsara ny tenin'Andriamanitra izy :wink:
58. prime ( 23/03/2007 06:06)
pissoa> Ary azonao tsara anie ilay izy raha izany e...:-D:-D:-D

Ny teto amin\'ny serasera raha ny amiko aloha, izaho mbola tsy niteny mihitsy na dia indray mandeha aza hoe izay tsy mitovy hevitra amiko dia antikristy raha nanaraka tsara ianao... Fa ny notsindriako mafy kosa dia ny famaritana ny atao hoe antikristy araka ny voalazan\'ny soratra masina... Raha nisy ny voakasik\'izany Tenin\'Andriamanitra izany ka tohina, tsara tamin\'izany olona izany ny nibebaka na nifona tamin\'Andriamanitra ary niverina Aminy fa tsy manava-tena na ho sahy mihitsy mitsara ny Tenin\'Andriamanitra hoe manavakavaka, na ihany koa manamafy fo hoe \"tsy misy izany antikristy izany\" ka hiteny hoe \"ianareo izany no miseho ho...\":)

Dia izay no lazaiko hoe mitandrema sao lasa ndrao mitsara ny tenin\'Andriamanitra... satria izaho mihitsy no nanamafy tsy indray mandeha ny famaritana an\'io hoe antikristy io araka ny tenin\'Andriamanitra... tsy hoe izay tsy mitovy hevitra amiko no atao hoe antikristy, aoka kosa aloha izay hazava, sanatria izany...:-D:-D:-D, fa izay voalazan\'ny tenin\'Andriamanitra ihany no famaritana feno... ka raisina ny teniny no mety hatao ary mandinin-tena ny amin\'izany fa tsy ilay olona mampatsiahy no lazaina ho mpanavakavaka...:wink::-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0868