Ho an'i Vady Malalako

41. xxx ( 13/03/2007 12:17)
patrick2002:

Tantara marina ity izay nitranga tao france .
Nanapa-kevitra ity tovolahy malagasy iray izay mipetraka tao France, fa hampaka-bady any Madagascar fa tsy azo hatokisana hono ny vehivavy gasy tany France, Ka nanao antso avo ho an'i fianakaviana ,dia nitady tokoa ny fianakaviana ary dia nahita ny ho andefimandriny ilay tovolahy ,tsy iza io tovovavy io fa zanak'olo mifanolo-bodirindrina an'i RAD ny tovolahy ihany .
Tovovavy bikaina ,malemy fanahy ,nahita fianarana ,raha jerena dia tovovavy mifanaraka ny fenitra takiany fiaraha-monina hoe vehivavy maontina ,natao ny fankafantarana ka tonga dia roboka ra-tovolahy ary nanapa-kevitra fa haka congé 2 semaine hikarakarana ny raharaha .
Natao ny raharaha ,sy ny fanambadiana rehetra tany madagasikara ,ilay tovolahy dia mitondra ny titre hoe GERANT @ GRANDE SURFACE any France .Niverina tany France ilay tovolahy rehefa vita ny fampiakarana ary nanafatra ity taola-tehezany.
Vao tonga tany 3 volana anefa ilay tovovavy dia nandalo tafiotra mahery sahady ny tokatranon'izy roa .
Nilaza ra vehivavy fa nofitahina izy satria gerant na grande surface no vadiny ay Mpamafa- trano no asany ,tsy mipetraka amin'i appartement akory fa studio no hipetrahana .
Ra lehilahy etsy andaniny manameloka an'ity vadiny fa fotsy varavarana ra -vehivavy ,tsy mitsimbina ny tokatranony ,ary tsy mety miasa ,fa efa nampidirina hanao femme de chambre ao @ Hotel nefa dia nialany fa tsy manao asa hoatran'io hono izy.
Tonga teo @ tsotsoro-mamba hisarahana ary ka dia samy naka ny azy ,separation de corps ,ra vehivavy lasa miaraka @ vadin'olona gasy rehetra mana-katao ao France ity.Tezitra ra lehilahy ka dia ny RAD ra vehivavy tany Madagascar no nanalany ny fony ,ary dia teny henjana no nataony fa Makorelina ny zanakareo :^)Mpivaro-body, nangina ny RAD tany DAGO.
Indray andro raha niaraka tamin'i vadin'olona ilay tovovavy dia accidenté ny auto nitondra azy ,ary maty sur le coup ra-vehivavy.
Malagasy moa tsy miady @ faty, ka dia nikarakara ny hampodiana ny razana ilay tovolahy, ary nanolotra couronne misy ny soratra hoe HO AN'I VADY MALALAKO .
Tsy nitana tsara anefa ny colle hipetahan'ilay soratra ,ka dia niala ny A teo amin'ilay VADY ,ary ilay O teo amin'ilay MALALAKO, tonga tao @ hangar ny aeroport ,hitan'ilay rangahy docker tao @ aeroport ilay alphabet A sy O ka nampetany ary nampifamadihany ,izy raha teo tsy mahay mamaky teny gasy :-D:-D
Tonga teny @ aeroport Ivato ny razana ka hakory ny hatairany fianakaviany ra-tompokovavy nahita an'ity soratra teo @ couronne nomeny tovolahy
HO AN'I VODY MALALAKA no soratra teo :-Dka raikitra ny ady teo @ fianakaviana 2 tonta ,menatra sy niala-pa moramora ny fianakaviany lehilahy.=))=))


ianao nanoratra azy io aza dia tena vicieux raha ny famakiako azy!vendrana!
42. xxx ( 13/03/2007 13:41)
xxx:


ianao nanoratra azy io aza dia tena vicieux raha ny famakiako azy!vendrana!




Ianao no efa malade efa avy voadona avy tatsy @ ry zalahy xxx gasy atsy à frantsa koa, aty @ olona tsy maninna tsy maninna aty no manala vokony.
43. xxx ( 15/03/2007 18:30)
Nareo any koa anie vao mahare hoe hanambady olona any an-dafy dia PINGAPINGA ery , tsy mandinika akory hoe olona mpanao inona ary ity hovadiana

Si ca se trouve ilay ho aty an-dafy no nahamaika fa tsy tiana akory ilay olona . Sakorinareo izay

Izay ilay hoe hanambady any Iarivo ka na tai-tsoavaly aza fahatelo-tanana dia ndao foana...

mba mandiniha ihany ho aho
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.341