Fialamboly

1. sakaizakely ( 06/03/2007 14:25)
Hono hoa ry zareo. Mba te hahafantatra ny tenako hoe inona sy inona avy no mba fialamboly mahafinaritra anareo rehefa avy vizabizaky ny asa amandraharaha iny. Ankoatry ny mitsilanilany fotsiny an ! toy ny fanatanjahatena, taozavatra, fitsangatsangana eny @ toerana manatantara, famakiamboky sns... izay tena manala havizanana.

Ohatra izao misy namana izay, manenjika sokatra hono no fialamboly mahafinaritra azy. Mahaliana tokoa ary mino aho fa samy mba te hahita an'izany daholo isika rehetra :-P

Dia manasa anareo hizara ny fialambolinareo eto dia mbo araho sary raha azo atao. :-*
2. sitlo ( 06/03/2007 15:11)
sakaizakely:

Ohatra izao misy namana izay, manenjika sokatra hono no fialamboly mahafinaritra azy.


tsy ampy fialamboly koa izany namana izany


3. sakaizakely ( 06/03/2007 15:26)
Sitlo kosa an ! Samy mbo manana ny tiany e !

Ny ahy izao ilay fivarotako masikita ery Bir Hakeim iry mbola halaiko sary indray andro any mba ho hitan'ny namana :P
4. booboo ( 06/03/2007 15:33)
Sitlo >:-D...efa teo angaha no niala no mahafantatra hoe tsisy atao ny manenjika sokatra ? :-D:-D:-D
5. soanja ( 06/03/2007 16:07)
sakaizakely:

Hono hoa ry zareo. Mba te hahafantatra ny tenako hoe inona sy inona avy no mba fialamboly mahafinaritra anareo rehefa avy vizabizaky ny asa amandraharaha iny. Ankoatry ny mitsilanilany fotsiny an ! toy ny fanatanjahatena, taozavatra, fitsangatsangana eny @ toerana manatantara, famakiamboky sns... izay tena manala havizanana.

Ohatra izao misy namana izay, manenjika sokatra hono no fialamboly mahafinaritra azy. Mahaliana tokoa ary mino aho fa samy mba te hahita an'izany daholo isika rehetra :-P

Dia manasa anareo hizara ny fialambolinareo eto dia mbo araho sary raha azo atao. :-*


Raha ratsy ny andro ao antokotany aty aminay ry Sakaizakely dia manao scrabble na UNO miaraka amin'ilay ankilako.
Raha tsara kosa ny andro dia hiking (mitsangatsangana any anaty ala) miaraka amin'ny Ipod de hira gasy no mameno azy. :D. Alohan'ny hiverenana mody dia manao meditation kely eo amin'ny toerana milamina sy tsy de be mpandalo. Ambony vato na amoron-drano.
Rehafa te hiaraka amiko ny ato antrano dia lasa izahay mitaingina sovaly.
Rehefa tena kamo de kamo tokoa ny hanao zavatra dia mamaky boky no tena mahafinaritra ahy.


6. xxx ( 06/03/2007 17:08)
nèenà ndray aki le spôro malefaka ireny no mba tena fialamboliko, sady manala sorisory no afaka dôly ny mangidihidy any anaty any:*
7. tslem ( 06/03/2007 17:20)
mi forum kah :):D:lol::P d ôtran sakaizakely kou, mivarotra mofogasy sy ramanonaka eo ambanin'ny tour eiffel:P
8. ikaretsaka ( 06/03/2007 18:10)
ilay manao meditation kely iny koa aloha tena hmmmm mihitsy raha fialamboly ho an'izay zatra e...
fa ny ahy dia ny mozika ny ahy no mba fialamboliko aloha izao.. rehefa matanjaka indray sy mafana dia ny mandeha erak'izao rehetra/tontolo izao!
9. xxx ( 06/03/2007 18:10)
tena maka tslem mihitsy anie ry tslem zany am fomba firesaka e
10. sitlo ( 06/03/2007 23:03)
misy namako izay manana sokatra dia nandramako nenjehana ilay izy.
Kay misy fafiny ihany an.
11. niryna ( 07/03/2007 06:19)
sitlo:

sakaizakely:

Ohatra izao misy namana izay, manenjika sokatra hono no fialamboly mahafinaritra azy.


tsy ampy fialamboly koa izany namana izany






=))=))
12. xxx ( 07/03/2007 10:41)
Ary inna no mba fialambolin'i niryna fa toa mikivalavala fotsiny ? Mamaky baiboly ? Manao sermona mampatory oul ? Mimenomenona irery ? :-D
13. sakaizakely ( 07/03/2007 14:55)
Mahafinaritra tokoa izany fialambolinareo any izany ry Soanja.

Izaho koa dia tena tia scrabble fa ilay "ankilako" tsy tia, dia tsy manana namana ilalaovana aho klou hatr@ zao fa miandry ny ankizy ho lehibe :wink: Mbola hoe ela :P

Ny Uno indray rehefa vakansy iny miaraka @ fianakaviana dia izay vao milalao.

Hay ve Soanja ity sportive be toy izao ? Tsara akia izany a ! Izaho aloha dia tena tsy ampy sport, tokony manao mihitsy :oops: Aty aminay tsisy sôvaly fa ampondra no betsaka :-D :-D Dia firy ianareo no indray manao sôvaly izany ?

Manao ahoana aloha izany manao méditation amorondrano izany ? Tsy mba mahay izao aho ka !

Dia inona no karazamboky tian'i Soanja ?
14. sakaizakely ( 07/03/2007 14:57)
tslem:

mi forum kah :):D:lol::P d ôtran sakaizakely kou, mivarotra mofogasy sy ramanonaka eo ambanin'ny tour eiffel:P


Hay ve i Tslem io manimba ny aferako io e ! Matiko indry raha tratrako marina a ! Hitako tsy mandeha loatra ny bizinesiko @ zao fotoana. Hay misy concurence déloyale ao ambadika ao ... :-/


15. sakaizakely ( 07/03/2007 15:00)
sitlo:

misy namako izay manana sokatra dia nandramako nenjehana ilay izy.
Kay misy fafiny ihany an.


Hitanao izany fa tena milay ilay izy ? :P

Ka inona ary no fialambolinao e ? Manao bronzage ? Mitsikitsiky @ tovovavy eny andalana dia manontany lera sa ? :-D :-D :-D


16. sakaizakely ( 07/03/2007 15:01)
Sitlo> sady raha sokadranomasina no enjehinao anaty rano, mino aho fa ho reradreraka ihany ianao :°)
17. sakaizakely ( 07/03/2007 15:04)
xxx:

nèenà ndray aki le spôro malefaka ireny no mba tena fialamboliko, sady manala sorisory no afaka dôly ny mangidihidy any anaty any:*


fa maninn no hoe mangidihidy ? Misy lagaly anga ? :-P

rehefa fialamboly dia bien izay, na spaoro malefaka na ny henjakenjana mety dol, rehefa misy namana dia efa konina ny bôzy :lol:


18. sakaizakely ( 07/03/2007 15:15)
ikaretsaka:

ilay manao meditation kely iny koa aloha tena hmmmm mihitsy raha fialamboly ho an'izay zatra e...
fa ny ahy dia ny mozika ny ahy no mba fialamboliko aloha izao.. rehefa matanjaka indray sy mafana dia ny mandeha erak'izao rehetra/tontolo izao!


Inona no karazana mozika tian'ikaretsaka ? Vazo gasy, r'n b, dance hall, hip hop ???
dia mitsingevaheva ery @ sersô n'ny paneau basikety ery ve ?
Ary manahoana izany meditasiô izany ? Nareo sy Soanja mahay raha. Abstrait be izany amiko ka :-o


19. soanja ( 07/03/2007 16:41)
sakaizakely:

Mahafinaritra tokoa izany fialambolinareo any izany ry Soanja.

Izaho koa dia tena tia scrabble fa ilay "ankilako" tsy tia, dia tsy manana namana ilalaovana aho klou hatr@ zao fa miandry ny ankizy ho lehibe :wink: Mbola hoe ela :P

Ny Uno indray rehefa vakansy iny miaraka @ fianakaviana dia izay vao milalao.

Hay ve Soanja ity sportive be toy izao ? Tsara akia izany a ! Izaho aloha dia tena tsy ampy sport, tokony manao mihitsy :oops: Aty aminay tsisy sôvaly fa ampondra no betsaka :-D :-D Dia firy ianareo no indray manao sôvaly izany ?

Manao ahoana aloha izany manao méditation amorondrano izany ? Tsy mba mahay izao aho ka !

Dia inona no karazamboky tian'i Soanja ?


Bonjour Sakaizakely,

Ny fiainako rehetra ry Sakaizakely dia ampifandraisiko foana amin'ny tontolo iainana. Misy zavatra tena manintona ahy mafy ao fa tsy fantatro ka rehefa tojo fahafinaretana be aho miriaria ao anatiny dia tsy haiko ny tsy hisaotra an'Andriamanitra nanamboatra azy ho ahy.
De ilay meditation moa izany tsy inona fa mikimpy an. de manao respiration imbetsambetsaka sady mampiakatra ilay feeling hivavaka hiantso an'Andriamanitra. Dia mivavaka tanteraka. Fisaorana aloha no mandeha voalohany zay vao fiderana sns. Efa misy hira nataoko hiderana Azy miankina amin'ny zavatra tsapako. Mila fahazarana mantsy koa ilay izy. Rehfa taitra ianao dia hitanao fa sambatsambatra izany.

Ilay mandeha sovaly indray dia tsy misy inona firy fa dia mifampiantso izahay mpinamana manodidina dia tenina azy ireo hoe ireto avy ny lalana aleha. Dia any mihaona na mifanao fotoana. Matetika aloha in-1 isambolana izany fa tsy vita matetika e. Dia mitsangatsangana eny fa tsy mifanenjika satria mandreraka indray raha vao manao course sady mety handratra. De manao picnic refa any na miresadresaka ny zavamisy de mody. Tsy azo atao ny miresaka politika. Efa nifanarahana izany. :D

Na mandehandeha tsy mihazakzaka akory anie de efa sport e. Mila maka milamina fotsiny avy eo miaina tsara refa eo ampandehanana eny. Zah refa any France ohatra ka ao Paris de mahafinaritra ahy ny miditra patisserie na boulangerie juste hamofona ilay fofona mofo may sy masaka iny. Mahatsiaro miditra be any anatiko zany le izy sady faly aho fa namokatra ny tany ary miasa ny olombelona manodina azy ho zavatsoa ho an'ny vatana.

Boky indray dia literatiora Amerikanina Latina no tiako amin'izao. Izay mpanoratra vehivavy rehetra Bresiliana, Chiliana, sns dia voavakiko daholo.

Ity ny boky vakiako izao raha hamaky i Sakaizakely :

"The House of Spirits" Isabel Allende.

Mazotoa aky a. Bizou be njy de mampamangy aky amin'ny zazandry mahafatifaty be reny. :-*:-*:-*


20. niryna ( 08/03/2007 06:47)
[quote=xxx]
Ary inna no mba fialambolin'i niryna fa toa mikivalavala fotsiny ?

Manana betsaka tokoa aho ary mikanikany no voalohany indrindra,izay misy ahy tsy maitsy feno tsiky sy hehy.
Mamaky baiboly ?[

Voalazanao tanteraka.Mamaky baiboly 30mn -1ora isan-andro aho ary mifampianatra soratra masina izahay mpiara-miasa ary mifampivavaka ny fianakaviana sy ny mpiara-miasa.
Manao sermona mampatory oul

=))=))=))Tsy ny sermona no mampatory fa ianao no tsy tian'ilay olona ka matory ho azy rehefa tsy mi-interesse ny filan'ny fanahinao.

Mimenomenona irery ? :-D

Io ilay teneniko anao matetika,rehefa tsy manana zavatra tsara tiana ho tenenina dia ny tsy miteny no tena tsara,ianao mihevitra fa mahavoa,izaho anefa manaiky lembenana dia iza no voa amin'izany,ilay enjehina sa ilay mpanenjika?=))=))=))=))

Ny fialamboliko8O.Mitokelaka mijery ny valinteny ato amin'ny serasera indrindra rehefa misy olona mora tezitra amin'ny tsy misy dikany.Miteny irery aho hoe izany koa dia hatao ahatezitra.
Manaraka fandaharana mitantara ny fiainana eo amin'ny maha kristiana,miheno fandaharana fivavahana,toroteny ary hira amin'ny radio , miheno mozika na ipod feno hira fivavahana amin'ny fiteny telo na efatra karazany.Manao exercices ato an-trano manaraka amin'ny TV.Mandeha tongotra miaraka ny vadiko na ny rehetra ato an-trano.Mandeha maka rivotra miaraka ny ato an-trano dia miaraka mihinan-kanina any amin'ny restau.Mandeha eny amin'ny plage rehefa tsara ny andro ary rehefa ratsy dia mipetraka ato an-trano manao domy na kilalao maro karazany.
Ny tena maaha sempotra ahy dia ny olona miantso an-telefonina mitantara ny fiainany ary mangataka fivavahana.Ny vadiko aza no tena manome hery ahy hoe na dia mihaino ny olana misy eo amin'ireo olona ireo fotsiny aza ianao ka tsy mamaly dia efa ampy azy izay satria misy olona mihaino azy.Izaho indray dia tsy mba bored(na hoe tsy misy atao) izany ny fiainako fa feno fifaliana foana sy mahita zavatra andaniana fotoana foana.Fenoiko tsiky sy hehy foana ny fiainako
:P:P:@
Ary ny an'i xxx mba inona?Miafona ao anaty xxx foana mankahala olona,tadidio fa izaho tsy mahita anao fa Atra no mahita anao raha vao tsy misokatra akory ny ao anaty sainao dia efa fantany ianao.Io indray ianao fa hamely olona ka hanao xxx foana =))=))=))=))I(l)you xxx na iza ianao na iza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1893