hopitaly aiza no mba azo hitokisana @ fiterahana eto tana

1. andouh ( 06/03/2007 08:35)
Salut daholo,

Aiza kay rireto no mba misy hopitaly mba azo hitokisana raha hiteraka , ny mahafapo aloha tsy misy fa hoe mba ara-dalana ara-pitaovana , fahadiovana sns e, de miandry valiny avy aminareo o
novalian'i antho00 ny 30/12/2016 06:22
2. watafon ( 06/03/2007 09:15)
andouh : azo itokisana daholo aloha raha ny fahaizan'ny mpitsabo mpampiteraka na Befelatànana na Ste Fleur, na Clinique Ankadifotsy e! Miankina aminao ihany io k ! MSI eny avaradoha koa zao manana maternité ary fomba tsara ! d anao ny safidy fa misy Catégorie an'ireo , d arak'arak'izay ny vola aloa !
d manaova mora ary e!
3. ninimalala ( 06/03/2007 11:49)
bjr, sanatria tsy hampitahotra fa tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy, tsy de hitako aloha hatreto ze hopitaly mahafapo fa to mitaraina daholo ny rehetra, anakiray tiko apetraka de hoe : tao avaradoha MSI za no niteraka ny zanako fa saika maty, mbarakin'ny efa nisy fahasarotana ny fiterahana, mbola adinony tany ny compresse, niteraka ambany za fa tsy nodidina an, 10jrs après accouchement vao nivoka ny compresse, 7ans zao ny zanako misy fiantraikany be dia be amiko io fiterahana io. Tsy izaho irery no voan'izay fa ny cousine-ko même cas tao ihany ko. Ko anjaran'ny tsirairay no mandinika fa tena tsy maha te hiteraka intsony.
Na izany aza, mahereza de manaova mora
4. pimaso ( 06/03/2007 11:53)
raha sanatria cesarienne fotsiny dia PSF no sûr ( Dr Christophe )
fa raha tsisy complication, fa accouchement normal, approuvé par le genicologue après echo dia mety daholo;
ny fahadiovana no zava-dehibe,
afa-tsy ny renin-jaza? RAS
Dia tongava soa ny vahiny,
manaova mora
5. andouh ( 06/03/2007 13:04)
Misaotra am valiny o, fa hono oa f'angaha nisy adino tany ny placenta nao no nisy compresse adino, gravy be zany an!
6. kally ( 06/03/2007 18:26)
Rehefa ho avy angamba ny zava-manahirana dia tonga izy fa betsaka ny namako afa-po tamin'ny fiterahana tao amin'ny MSI tao.Ste Fleur malaza ratsy nefa toa betsaka koa no hitako afa-po tao.Ka anao ny safidy
7. xxx ( 06/03/2007 19:42)
namanay koa aloa efa maty tao @ ste fleur e! mivavaha dia mahereza
8. xxx ( 07/03/2007 13:35)
Ny fanaraha-maso aty aloha no aza atao ambanin-javatra satria la plupart du temps fantatra mialoha hoe mety ho sarotra na tsia

ny ahy grand hopital foana no halehako na dia tsy voatambitamby be ohatra ny any @ clinique foana aza any, ireny mantsy misy service pédiatrique tsara raha sanatria misy pbm ny zaza, misy service chirurgicale koa sao misy pbm ny reny
9. melody ( 07/03/2007 14:16)
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m45d180c5ab189
10. 2gasy ( 07/03/2007 15:59)
Mitovitovy daholo rehefa clinique privé.
Izaho manokana dia mamporisika ny vehivavy hiteraka eny @ hopitaly fa mba misafidy spécialiste rehefa misafo sady mba maka 2è na 1è catégorie raha misy ihany ny atao.
Ny antony dia io nolazain'i xxx io : ny ankamaroan'ny cliniques dia service matérnité fotsiny ka rehefa misy fahasarotana dia voatery ihany mandefa ilay mpiteraka eny @ hopitaly. Dia eritrereto ny fotoana lany hamindrana ilay vehivavy
ho eny @ hopitaly. Aina 2 no lalaovina ka mba eritrereto ihany.
11. tslem ( 07/03/2007 16:35)
Ny clinique Ankadifotsy hono no tena tsara e, sady ara dalàna tsara na ny fitaovana na ny efitrano sns... tongava soa na i koto na ikala zany.
12. watafon ( 08/03/2007 08:06)
Ny Pavillon Ste fleur no ary fomba indrindra e!
ninimalala: tsy hoe miaro an'ireo Cliniques privées sy hopitaly lehibe ireo za akory fa tsy maintsy misy foana anie ny exception e! ny fahasarotam-piterahana tsy d voatery hoe nohon'ny tsy fahaizan'ny mpitsabo mpampiteraka foana akory e!
andouh: anjaranao no misafidy fa raha ny tsara aloha indrindra raha zaza voalohany dia @ hopitaly no miteraka e !
13. mbolasoa ( 11/03/2007 12:48)
raha afaka misacre kely enao d any @ polyclinique d'Ilafy mande fa tsara hono ao fa lafolafo fotsiny, efa namangy olona teny aho aloha fa raha ny endrika ivelany d tena mamono lolo b. asiana anesthésie péridurale na voie basse aze d tsy d maeno marary. mahereza e. d manaova mora
14. sakaizakely ( 11/03/2007 13:47)
n'aiza n'aiza dia misy foana ny exception. Na eto Frantsa aza, izay azo lazaina fa arifomba sy fitaovana daholo, dia mbola misy ny accident. Rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava...

Ny mahatsara ny hopitaly dia ny fisian'ireo service rehetra rehetra : réanimation, néo-nat ho an'ireo zaza prématuré entre autres. Raha sanatria misy complication, sur place aby ny hetsika rehetra. Raha toa ka any @ clinique, matetika tsisy ireo service ireo, ka raha sendra ny tsy mety, voatery manao transfert d'urgence, mety hampisy olana, na raha sanatria misy olana mikasika ilay zaza dia transféré @ hopitaly hafa izay misy ny service adapté ilay zaza, de nefa ny reniny mijanona @ toerana niterahany ihany. Izany hoe sarahintoerana ny mpianaka.

Raha toa ka resaka sécurité aloha, aleo ihany hopitaly, fa raha confort tsy misy ohatran'ny clinique. Dia anjaranao ny misafidy :P
15. Vahinala ( 12/03/2007 10:03)
Za zao aloha d tao ao MSI no niteraka, tsy misy nandiso fanantenana mihitsy fa ary fomba tsara ny fitaovana ampiasaindry zareo, za aza vao teraka tonga dia natanjaka be vetivety d nitsangana ko. Tsara ao ka, ny olona koa mantsy no nanoro hevitra ana ho any.
16. watafon ( 14/03/2007 07:27)
andouh ! aiza ndry e? hihihi!
sakaizakely: marina tokoa ny voalazanao e! raha ny accident mitranga no eritreretina d tsy misy mihitsy zany ny hopitaly azo antoka na iray aza !
17. andouh ( 14/03/2007 08:03)
De misaotra rireto a,

Laingalainga alhoa fa somary mamaky loha ihany le izy fa be ihany izay tantara heno izay fa ny poins zany de ny tena hopital ihany, fa za anie ry zareo efa nisafo teny Ankorondrano, teny am docteur françis de milaza hoe hisy hopitaly vao2 hono hisokatra de efa nameny ny prix rehetra eny e, somary mitovy am MSI ihany hono kanefa ny consultation sy ny manao écho ao koa ka tsy anjaza , ny tena mamaky ny lohako de hoe inona avy ny services mety hisy ao am le hopitaly, rehefa tonga ve ze ahaterahako efa complet ny avant sa ? sarotra fa de misaotra e
18. andoniainah1 ( 13/02/2015 15:20)
miarahaba antsika,
de misy afaka manome prix ve @reo maternité reo,misaotra
19. endriny ( 13/02/2015 16:16)

andoniainah1:

miarahaba antsika,
de misy afaka manome prix ve @reo maternité reo,misaotra

Clinique Ankadifotsy sy ny Loteranina Ambohibao 2.000.000 aloha vao miditra
Clinique Ilafy 1.000.000/andro
Befelatanana 0/andro, na 150.000/andro na 300.000/andro arakaraky ny efitra tianao ho fidiana
Saingy raha ny fahaiza-manao dia hafa ihany Befelatanana.. Fa raha ilay hoe mifanerasera be amin'ny olon-kafa fotsiny angamba no hitako hoe manahirana ny olona mankeny. Moa efa novolena tao an-tsaintsika ilay hoe Hopitalim-panjakana mira aotra...
Fa dia manaova soa e... dia tongava soa na I Koto na I Kala
20. Irisy ( 15/02/2015 05:28)

andoniainah1:

miarahaba antsika,
de misy afaka manome prix ve @reo maternité reo,misaotra

Ao Sainte Fleur zao ny accouchement normal 3e cat 181000Ar de ny 1er cat 269000Ar fa ny cesarienne 3e cat 602000Ar de ny 1er cat 834000Ar a titre indicatif ireo an, fa efa ao anatiny ny fanafody sy ny kaliny mpiteraka. Nanontaniako t@ ity semaine ity io fa misy mizara brochure eo @varavarana.
Ny any MSI(sans repas + medicamant en sus): ny accouchement normal entre 105000Ar(hors cat) - 301000Ar(1er cat). Operation cesarienne entre 677500Ar(hors cat)-900000Ar(1er cat).
Ny ahy zao hande hoteteziko ireo maternite sy clinique eto Tana, hanontanaiana prix sy cotation, service misy sns

Za aloha itako manahirana ilay mifidy toerana hiterahana. Ny clinique prive hoe madio, voakarakara tsara fa izy le misy service tsy ampy raha oharina @ hopitalim-panjakana.
Soa ihany fa mba misy anity hiresahana.
Ary sao de misy afaka manome ny prix Maternite Befelatanana sy contact Gynecologue ao.Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4889