Rafozam-bavy sy zaobavy

1. bozyboleta ( 05/03/2007 11:32)
Inona loatra no tena tsy matin'ny rafozam-bavy sy ny zaobavy lolo @ vinantovavy e?
Misy dia tena mikononkonona teti-dratsy isan'andro vaky izao ilàna ady ary dia mampitondra faisana mihitsy ireo "MPIAVY" ary mahavita manakorontana tokantrano.
Dia mahafaly azy ve hoe mikorontana ny tokantranon'ny zanany lahy sy ny anadahiny?
novalian'i niryna ny 11/03/2007 05:03
2. Fiffi ( 05/03/2007 12:16)
ny ahy aloha ny fahitako azy de hatramin'zay de lazaina foana fa an'ny rafozana foana ny fahadisoana.....nefa raha jerena toa samy manao fahadisoana daholo ny tsirairay....

Le izy koh manko efa hatram'zay de zay foana no lazaina na de tsy manao ratsy aza le rafozana.....indraidray manko mba manome hevitra tsara hiany ry zareo saingy.....hoe raha vao mikasika an'le tokatranon'olona de ratsy zany ...nefa asa aloha an ! :roll:
3. papala ( 05/03/2007 12:20)
:lol::lol: ny fahitako an'ireny de misy tsy fifanajana ao. ny rafozam-bavy sy ny zaobavy dia tokony hanaiky sy hanaja ny safidin'ny zanany lahy na ny anadahiny, ary ny vinanto vavy dia tokony hanaja fa tsy miseoseo hoe za ol vaovao de tsy mba manaja ny fianakavian-drazazalahy !tsy misy fifandeferana fa miseho ho marina daholo ka tsy hita intsony zay marina. fa misy kosa lo zaobavy de tena gaigy mihintsy an! na de fanajana an'ilay rafozam-bavy fotsiny aza !
4. simplex ( 05/03/2007 12:42)

Ka iza no niteny anao nefa we angalaro ny zanany/anadahiny e :-P:°)
5. sakaizakely ( 05/03/2007 13:51)
simplex:


Ka iza no niteny anao nefa we angalaro ny zanany/anadahiny e :-P:°)


Za mou de nangalatra de azoko tokoa ! Dia nanaovako an'lay hira hoe :

Azonay e ! tsy avelanay (bis)

Dia lasa manambitamby be hoe :

avereno kely ndremandeha

o^o o^o o^o

Dia mifanambitamby eo dol de (l) (l) (l)
6. naritsimba ( 05/03/2007 13:54)
Ny hita aloha dia tsy zakan'ny reny na ny anabavy mihitsy matetika raha vao fantany hoe hanambady ny zanaka lahy na ny anadahy, hany ka miteraka fiovan-toetra ao @ ilay ho vinanto vavy na zaobavy eo am-piandohan'ny fifaneraserana.
Hitako io ary tena manahirana na dia tsy nihatra mivantana tamiko aza.
Eto no tena ampisehoana ny maha lehilahy ny tena eo anatrehan'ny zava-misy rehetra.
Ny lahy no lohan'ny vavy, ary tsy tokony hanaiky hitsabahan'ny olon-kafa ny raharahan-tokantrano.
Misaotra e!
7. sakaizakely ( 05/03/2007 14:46)
Misy ilay tsy manankatao dia lasa fahazarana toy ny tsikoko ny filana vanona, zara aza misy vinantovavy sy zaoba ary rafozana hanalana azy;

Arakaraky ny kolotsaina sy ny tontolo iainana koa io ! Misy ireo tsy mivaklà am'zany satria manana fiainana feno sy mifandanja tsara ary vao maika aza mahafaly azy ny fahazoan'janany anjara. Rehefa tsapany fa faly sy miadana ampanambadiana ilay lhl dia ampy azy izay.

Isika malagasy koa diso mifanerasera be loatra ka farany tsy maintsy raikitra ny rombo. Aty andafy tsy dia misy loatra ny fifaneraserana @ fianakams, dia tsy misy loatra ilay tsahotsaho sy kifosafosa, moa samy manankatao koa ny tsirairay ka tsy mandany andro miresaka an'dranona sy ranona, izay angamba no mahasamy hafa azy.
8. Fiffi ( 05/03/2007 14:57)
zah ry zareo de gaga @ ity dinika ity mihintsy an ! satria efa im-betsaka no nisy an'io dinika io teto fa tena tsy azoko an ! samy mifanaja fotsiny de zay !
Le izy koh de zao eh ! raha ohatra hoe mba manoro le fafozana tondé raisina ratsy foana ! fa maninona aza ?
9. sakaizakely ( 05/03/2007 15:30)
Ny fifanajana eo ihany, fa ilaina koa ilay miresaka franc be carte sur table ozy ny vôza. Za ndray directe foana, raha vao misy zavatra tsy tiako tonga dia miteny, dia milamina foana ka.

Ilay ankolakolaka tsy ankiteny io fa mitazona alahelo ampo manko vao maika loza fa ela ny ela vaky ny soupapa. Aleo mifampiresaka hatrany. Saingy zavatra misy votoatiny tsara no resahana fa tsy mila vanona akory. Mandeha zoli foana ny fiainana am'zay !!!
10. pissoa ( 05/03/2007 16:52)
Fiffi:

ny ahy aloha ny fahitako azy de hatramin'zay de lazaina foana fa an'ny rafozana foana ny fahadisoana.....nefa raha jerena toa samy manao fahadisoana daholo ny tsirairay....

Le izy koh manko efa hatram'zay de zay foana no lazaina na de tsy manao ratsy aza le rafozana.....indraidray manko mba manome hevitra tsara hiany ry zareo saingy.....hoe raha vao mikasika an'le tokatranon'olona de ratsy zany ...nefa asa aloha an ! :roll:

=D=D=D=D=D

11. xxx ( 05/03/2007 18:04)
ny mahtonga ny gidraka koa de zao tian'ny ilay zaobavy sy rafozam-bavy ho baikona lay vinato toy ny hoe fitondrana zaza kely ; toy izay koa le zanany lahy raha vao tsy manraka ny teni-dry zareo izy de lazaina fa entin'ny vavy @ lohany de inona ihany zany no aton'ny ilay vinanto ary! nefa raha vao mamaly de rombo!
12. ilanto ( 05/03/2007 20:49)
hum!
13. xxx ( 05/03/2007 20:59)
Ny ahy ry reto tena tia be ahy ny rafozako ah!!! d ny zaobavy koa satria efa samu manana ny tokan tranony avy d samy maka ho azy eh! (l)(l)(l):-*
14. andry08 ( 05/03/2007 21:24)
ny ahy efa napetrako ny règles dia izay!
15. Fiffi ( 05/03/2007 22:25)
fa le izy hoa efa lasa fahazaran-dratsy mihintsy io hoe raha vao rafozana de......misy ange rafozana tena milay be eh ! RAD koh ange izy io eh ! de ohatran'ny RAD manoro hevitra hiany koh.....saingy tsy misy ny tolérance satria hoe efa lehibe ny olona satria efa manambady de tsy manaiky hatoron'ny olon-kafa......de raisina zavatra ratsy le izy avy eo....
16. bozyboleta ( 06/03/2007 07:38)
Marina jiaby voalazanareo. Fa ny ahy ny tena hitako dia misy rafozana te-hipetraka be loatra @ toeran'ny RAD ka mihevitra foana fa na efa manambady aza ny zanany na lahy io na vavy, dia ananany zo satria zanany dia entiny otran'ny zaza, ary io fomba io no mahatonga le fitsabahana tokantrano: idiran'ny rafozana daholo na fitaizana zaza na fitantam-bola na hatr@ fomba fandrahoan'ny vinantovavy sakafo aza... Ny zaobavy koa etsy andaniny mamporisika ny reniny, indrindra moa @ resaka vola. Refa mba mi-zesta ny zaobavy de lazaina fa mpandany vola, raha mba tsotsotra indray de lazaina fa tsy mahava-tena. Tsisy mahatanty an'izany aloha raha vinanto fa fihatsarambelatsihy fotsiny ny sisa e!
17. xxx ( 08/03/2007 17:59)
marina mintsy any lazinao zany ka ! fa tsy misy atao af-tsy ny mifandefitra eh! ny aloha de box refa tsy mifanaraka eh!koa ratsy nadra za koa nga za tsy omby trano
18. Fiffi ( 08/03/2007 18:18)
le izy koa toa lasa psychologique satria zany foana no ao an-heritreritra hoe rafozana io de......:roll:
19. niryna ( 11/03/2007 05:03)
Mitombona ny hoe mila mifanaja fa ilay toetra no samy tsy mitovy sy ny fomba fitaizana.Fitiavana no tena zava-dehibe fa raha misy io dia hisy fiovana ny fiarahana.Raha mandray azy ho toy ny reninao ianao dia fantany izany fa raha mody mitia kanefa ny fihetsikao kosa tsy hita dia hitany koa.Samy manana ny anjarany io ka raha sendra ny rafozana mihevitra hoe izaho no reny nahitan'io masoandro,na ny hoe vinanto miteny hoe izaho no vadiny dia eo no miteraka ny olana.Anjaran'ilay lahy no manao fitsarana mitovy ,tsy miomba loatra ny vadiny na manindrahindra lava ny reniny fa miteraka fialonana io satria toa samy mitady ny fon'ilay lahy daholo izy mianaka.
Misaotra an'Atra aho fa tsy mba manana izany olana izany fa tia ahy sy tiako ny rafozako ary dia niaraka ho azy izahay mihoatra ary mifampiantso rehefa misy fitadiavana olana eo amin'ny fiainana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5354