Inona izay Tsitoha, no hotompoinay?

1. niryna ( 04/03/2007 08:29)
Hoy i Joba 21:14-15.Kanefa anie ireo manao amin'Atra hoe:Miala aminay?Fa tsy mba hirinay ny ahalala ny lalanao.Inona izay Tsitoha no hotompoinay?Ary inona no soa azonay raha mivavaka aminy?
Ny fanotaniana dia misy roa ka anjaranao ny mandray izay tianao.
1-Inona no tokony hataoko mba ho voavonjy ny fanahiko?

ValinyMangataka famelan-keloka ary maneke fa kristy no Tompoko sy Mpanavotro ary Mpamonjiko.

Mila finiavana sy fanetre-tena io ary ny namana no hamaly azy raha tsy ampy ny valiny.

Hoy Joba 22:22,27,30 Masina ianao mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany ary alatsaho ao am-ponao ny teniny...Raha mifona aminy hianao,dia hihaino anao Izy.Ary ny voadinao dia hefainao..Hanafaka ny olona meloka Izy-Eny ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.

2-Inona kosa no ataoko raha tsy tiako ho voavonjy izany ny fanahiko?

Valiny:tsy manao na inona na inona (Nothing).

Mijanona amin'izao toerena misy anao izao ihany satria efa naman'ny very rehefa tsy mety mandray Azy ho Tompo sy Mpanavotra.
répondu par Soani le 08/06/2011 15:25
2. Zina ( 05/03/2007 21:44)
Inona kosa no ataoko raha tsy tiako ho voavonjy izany ny fanahiko?

Valiny:tsy manao na inona na inona (Nothing).

Mijanona amin'izao toerena misy anao izao ihany satria efa naman'ny very rehefa tsy mety mandray Azy ho Tompo sy Mpanavotra.

no doubt about it
3. xxx ( 05/03/2007 22:00)
Tu te débrouilles!:-D
4. rush ( 05/03/2007 22:02)
niryna:

2-Inona kosa no ataoko raha tsy tiako ho voavonjy izany ny fanahiko?

Valiny:tsy manao na inona na inona (Nothing).
inao hiany zany no mahafantatra fa tsy voavonjy ianao ka dia aza manao na inona na inona e!Zany ve mba toro-hevitra hatao @ olona? tokony fanontaniana tsy hapetraka akory zany!

5. niryna ( 06/03/2007 06:30)
Zina:

Inona kosa no ataoko raha tsy tiako ho voavonjy izany ny fanahiko?

Valiny:tsy manao na inona na inona (Nothing).

Mijanona amin'izao toerena misy anao izao ihany satria efa naman'ny very rehefa tsy mety mandray Azy ho Tompo sy Mpanavotra.

no doubt about it

Izay no nahatonga ilay teny hoe maro ny lalana heverina ho tsara fa amin'ny farany dia mirona any amin'ny fahafatesana.

6. niryna ( 06/03/2007 06:37)
xxx:

Tu te débrouilles!:-D

Nisy olona nanana ny maha-izy azy.Tsy nino an'Atra izy io.Niresaka taminy ity namany vavy hoe tsy maninona ianao raha tsy mino azy satria izay no fantatrao fa mety.Raha sendra misy mahazo anao,antsoy ny Anarany fa mihaino anao foana Izy.vokatry ny filan'ny nofo dia nanao fandaniana ity rangahy,niaraka ny fisotroana sy fiarahana vehivavy maro ary nitatra ny fanaovana rongony.Lany ritra ny teo am-pelantanany.Tsy nahaloa ny trano izy,nirenireny satria very ny asa.Tsy nody an-trano intsony izy fa nirenireny, nandao ny fianakaviany nandritra ny telo taona.
Inona no mety hitranga?
(hitohy)

7. niryna ( 06/03/2007 06:45)
2-(tohiny)
Mety nanana eritreritra ve ianao hoe inona no fiafaran'ny?
Hotohizako aza ny tantara fa zavatra nisy izy ity ary ny masoko no nahita io olona io.
Nihanahia izy,nirediredy,niteny ratsy.Hoy izy misy olona miteny ato an-tsaiko ary misy feo maro mifangaro,ny olona mijery ahy dia adala,izaho anefa mahafantatra fa tsy adala.Narary izy ary ny hany fanantenany dia ny andeha any amin'ny hopitaly hametraka ny vatany.Amin'izay aho hoy izy hitan'ny vady aman-janako ny fatiko.Tonga tao amin'ny hopitaly izy,vao maika nirediredy,niteny ratsy,nadilo ny sofiny kanefa tsy fantany izay atao.Natao ny famonjena ary nasiana sakafo ny lalan-drany satria tsy nisy hery intsony izy.
Maty izy sa velona? Dia ahoana ny tohiny?
8. niryna ( 06/03/2007 06:58)
3-(tohiny)
Teo ambavahoan'ny fahafantesana izy vao natadidy ity tenin'ny namany telo taona lasa.Niantso ny anaran'i Jesosy izy ary nihogahoga hoe"Ampio aho Jesosy o":cry:
Nijanona ilay feo maro tao anatiny ary dia fahanginana sisa.Naharitra tany amin'ny hopitaly izy ary nalefan'ny dokotera amin'izay.Toy ny fanaony dia lasa niverina nangataka teny amoron-dalana izy,tsy fantany hoe fiangonana no nisy azy,nisy olona nanantona azy ary nampian-trano azy miaraka amin'ny akanjo maloto, volombava tsy nisy nahalalana azy,ny vatany taolana mitrakitraky.Fotoana fivavahana andavanandro tamin'izay ary dia hoy ilay pasitera tamin'ilay olona nampiantrano azy hoe mandehana hoeto mandro izy ary omeo akanjo,ary miandry azy aho rahampitso.Nampiantranon'ny fiangonana izy,nomeny akanjo,nodioviny ary dia nihaona ity pasitera.
Voavonjy ny fanahiny ary lasa naneho ny voninahitry ny tompo izy ka dia niventy hira ao am-piangonana.Tsy vitan'izay ihany fa voavonjy ny fianakaviany rehetra.
Isan-taona dia mamerina ny fomba namonjen'Atra azy izy sy ny nanantonany Azy ary dia milatsaka ny ranomasony mitantara ary izay mitsangana nahita ilay vavolombelona dia mitomany ihany koa.
9. niryna ( 06/03/2007 07:03)
Fehiny.
Misy fomba maro no hitaoman'Atra antsika tsirairay hanantona azy.
Ny famaonjena no tena himasoana,izay ahavonjy ny tenantsika.Ny fiangonana dia toerana hanehoana ny voninahiny fa tsy ahavonjy ny fandehanana any.Tonga midera,mankalaza,mankasitraka,maneho ny voninahiny sy ny heriny isika.Io no antony lehibe andehanantsika ary misaotra azy fa tsara izy ary lehibe ny famindra-pony.
Ny ahavonjy antsika no tanjona.Tsy nisy na iray aza isika tsy nanota teto amin'ity tany ity,raha mahafantatra sy mahatsapa kosa isika fa diso ary manantona azy ,mibebaka ny fahotana ary mino azy amin'ny fotsika tanteraka dia ho voavonjy.
10. prime ( 06/03/2007 12:54)
Davida Mpanjàka koa dia nahateny toy izao rehefa nody avy tamin'ny fahoriana, amin'ny anaran'i Kristy :
"[Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy." Salamo 34:1
11. fijo ( 07/03/2007 06:06)
raha milaza ianareo kristiania,fa ny fanekena an'i "kristy" ho mpanjaka no mahavonjy,dia tena hanahirana be,satria izay finoana tsy manaiky an'i kristy ho mpanjaka izany dia tsy hovoavonjy????ny silamo ohatra.ny indou ohatra?sa io samy manana ny paradisany?
12. niryna ( 07/03/2007 07:17)
fijo:

raha milaza ianareo kristiania,fa ny fanekena an'i "kristy" ho mpanjaka no mahavonjy,dia tena hanahirana be,satria izay finoana tsy manaiky an'i kristy ho mpanjaka izany dia tsy hovoavonjy????ny silamo ohatra.ny indou ohatra?sa io samy manana ny paradisany?

Finoan'ny tsirairay iny izay no fantany sy tiany tsy azo manambany ny fahafantarany ny finoany ny tena.Ny baiboly kosa dia io ihany no ampinga hitondrana ny fahamarinana ho an'ny kristiana satria tsy azo hanasorana ny teny ao ary tsy azo hanalana.Izaho no fiainana sy fahamarinana hoy Izy.Tsy misy afaka mankany amin'ny ray raha tsy avy amin'ny alalany.Aminay izy no mpanjakan'ny mpanjaka.

13. prime ( 07/03/2007 09:44)
fijo:
raha milaza ianareo kristiania,fa ny fanekena an\'i \"kristy\" ho mpanjaka no mahavonjy,dia tena hanahirana be,satria izay finoana tsy manaiky an\'i kristy ho mpanjaka izany dia tsy hovoavonjy????ny silamo ohatra.ny indou ohatra?sa io samy manana ny paradisany?
... ka i Kristy anie tsy tonga teto an-tany hamonjy ny Kristiana na ny mpivavaka na ny olo-marina fa hamonjy ny mpanota hibebaka e...

Tsy tonga ho an\'ny jiosy fotsiny na ny antokon\'olona vitsy2 fotsiny fa ho an\'izao tontolo izao, ao anatin\'izany ny silamo sy ny hindou resahinao...
14. xxx ( 07/03/2007 20:59)
prime:

Tsara fipetraka ilay valiny ry prime.Hamonjy ny mpanota izy dia isika rehetra izany.
15. Zina ( 07/03/2007 21:33)
Hamonjy ny mpanota izy dia isika rehetra izany.

There you go!
16. fijo ( 07/03/2007 23:17)
ka aminareo izany wa ,ny silamo sy ny jiosy tsy hovoavaonjy mihintsy satria tsy manaraka sy mino an'i jesosy????aza ahodina ny valiny fa lazao hoe eny na tsia
17. niryna ( 08/03/2007 07:24)
fijo:

ka aminareo izany wa ,ny silamo sy ny jiosy tsy hovoavaonjy mihintsy satria tsy manaraka sy mino an'i jesosy????aza ahodina ny valiny fa lazao hoe eny na tsia

Eny ho voavonjy izy raha mino fa Jesosy no mpamonjy azy.
Tsia tsy ho voavonjy izy raha tsy manaiky an' Jesosy ho Mpamonjiny.
Tsy misy olana anie izany ry fijo e,araka ny finoany io,kanefa raha tsy mino an'i Jesosy ho Mpamonjiny sy Mpanjakany izy misy dikany aminy inona ny famonjena?
Toa tsy mila izany famonjena izany izy koa inona no olana?Izay no fantany fa tsara aminy ,izany no fantany fa tiany dia izay izy izany.

18. niryna ( 08/03/2007 08:09)
niryna:

Fehiny.
Misy fomba maro no hitaoman'Atra antsika tsirairay hanantona azy.
Ny famaonjena no tena himasoana,izay ahavonjy ny tenantsika.Ny fiangonana dia toerana hanehoana ny voninahiny fa tsy ahavonjy ny fandehanana any.Tonga midera,mankalaza,mankasitraka,maneho ny voninahiny sy ny heriny isika.Io no antony lehibe andehanantsika ary misaotra azy fa tsara izy ary lehibe ny famindra-pony.
Ny ahavonjy antsika no tanjona.Tsy nisy na iray aza isika tsy nanota teto amin'ity tany ity,raha mahafantatra sy mahatsapa kosa isika fa diso ary manantona azy ,mibebaka ny fahotana ary mino azy amin'ny fotsika tanteraka dia ho voavonjy.

Azafady fa diso tsipelina
19. fijo ( 09/03/2007 00:48)
izany hoe tsy hovoavonjy mihintsy ry zareo satria ny jiosy tsy hino mihintsy hoe jesosy no hamonjy azy.ny silamo koa torak'izay.

Azafady fa diso tsipelina
20. niryna ( 09/03/2007 23:01)
[quote=fijo]
izany hoe tsy hovoavonjy mihintsy ry zareo satria ny jiosy tsy hino mihintsy hoe jesosy no hamonjy azy.ny silamo koa torak'izay.

Azafady fa diso tsipelina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1371