Inona izay Tsitoha, no hotompoinay?

21. niryna ( 10/03/2007 00:48)
fijo a mi-pardon fa tiako no izy fa vao maika loza:lol:
Nisy resaka Israely sy Palestina izay nanontanianao.
fijo
22. niryna ( 10/03/2007 01:03)
fijo< Efa voasoratra ao anaty baiboly daholo ireo ady mitranga amin'izao fotoana izao ireo.Satria i Isimaela dia efa nialona an'i Isaka hatramin'ny fahakeliny koa ny taranaka roa koa dia mbola mitohy hatramin'izao.Tsy hitsahatra mihitsy io ady io ary efa hatramin'n voalohany.Ny voasoratra aza dia mbola ho maro no hanafika ny Israely.Lesona lavabe io fa ezahako ho fitinina.Izao izany,tonga ny firenena hafa nanampy azy ireo namatsy fitaovam-piadina ny firenena ankilany fa mitady tombotsoa, dia ny petrole izany tsy mahazo dia miala,dia toy izany koa ny manaraka amin'izao fotoana izao,dia hiala indray avy eo hitsangana ny firenena hafa hanamotika ny firenena iray ,tsy misy intsony ny hanavotra azy ary farany izy dia miantso Azy io firenena io .Tonga Izy hanafaka an'Israely rehefa tsy misy intsony ny fanantenany avy any @hafa.Dia io voalazanao io hoe tsy mino izy,fa rehefa mafy ny mahazo satria hisy faty mitsitra maro ary misy amin'izao fotoana izao dia ny hany fanantenany dia hiantso Azy ka dia ho voavonjy ny firenen'Israely ary hino ny Tompo daholo izy rehetra.
Niryna
23. Fanambinana ( 15/03/2007 18:25)
Averiko eto fa andriamatoa fijo dia sady feno fankahalana no tranon-dainga. Izay no mameno ny fiainany sy ny lohany, hita taratra izany amin'ny teny lazainy rehetra eto: endrikendrika, fanalana baraka, LAINGA
Io averiko eto ambany ny porofo tsy azony lavina intsony amin'ny maha olona MPANDAINGA azy.

Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.

1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.

Misaotra Rahery e
24. niryna ( 16/03/2007 06:40)
[quote=fijo]
izany hoe tsy hovoavonjy mihintsy ry zareo satria ny jiosy tsy hino mihintsy hoe jesosy no hamonjy azy.ny silamo koa torak'izay.

Azafady fa diso tsipelina
25. Soani ( 08/06/2011 15:25)
Inona no hatao mba ho vooavony?
Valiny:
Asa 16:31 "Minoa an'i Jesosy Tompo dia ho vonjena ihanao sy ny ankohonanao"
Jaona 14:6 "Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako".
Romana 10:9 "satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao."

Aza mitady zavatra sarotra, tsotra ny famonjena homen'ny Tompo antsika, raiso Izy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao manokana.
Tsy ny asa hatao no mahavonjy , mazava ny teniny ao @ Rom10:9 etsy ambony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0632