Ny paoma dia tsy lavitra ny hazo nambolena azy!

21. niryna ( 05/03/2007 01:23)
Ho an'ny reny
Tsy misy manana fahasahiranana sy adi-tsaina mihoatra ny reny amin'izao fotoana izao.
Soraty an-taratasy daholo anie izay andraikitra ataonay reny raha tsy ho sanganehana sy hiteny ianareo lehilahy hoe "impossible" no ahavitako ireo e.Kanefa izahay tsy mba mitaraina ary toa tsy mety vizaka fa tsy voatanisa ny raharaha.
Izahay reny dia manao izay herinay eo amin'ny fikarakarana ny vadinay sy ny zanakay izay vao ny tenanay.Toa tapitra hain'ny reny daholo ny zavatra rehetra ary toa manana fahalalana hafa noho ny lahy ny reny.Matetika aza dia manana fisainana hafakely ary mifanohana ny vadiny,ny namana ,ny fianakaviana andaniny sy ankilany ary ny asa aman-draharaha.
Hainy ny mitantana ny ao an-tokantrano ara-bola,vonjeny ny zanaka marary,enjehina ny fandrahona sakafo.kanefa toa tsy mety reraka na manakivy tena izy.Inona no antony?Ilay fitiavana ao anatiny
22. niryna ( 05/03/2007 01:37)
Ny Reny
Manana andraikitra maro ny reny ary tafiditra amin'izany ny fampianarana ny ankizy mba ho olombanona,fitaizana ara-pivavahana,ny vady fijerijery ary ny fanomezana fitiavana ireo vady aman-janaka.
Ho antsika Reny izay mananontena
Mety mihevitra isika reny fa toa tsy misy vidiny eo amin'ny mpiara-monina na ny manodidina.Milaza aminareo aho fa deraina manokana ianareo nahavita ireo asa marobe irery ireo.Misy vidiny io ary tena misy lanjany eo amin'ny ankizy.
Na dia sahirana ara-bola ,ara-pitaizana ny ankizy sy ny adin-tsaina maro samihafa aza ianareo dia noho ianareo no nahatonga ny ankizy hanana ny mahaizy azy,hilofika ho lasa lavitra,hiezaka noho ny rehetra noho ny zava-misy sy ny alahelony ny renininy.Misy vidiny io,misy lanjany io.Mety naditra ny ankizy saingy ny fitiavan'ny reniny dia tena zava-dehibe eo aminy mihitsy.Tsarovy izay.Mangataha amin'Atra ny hampitombony ny andro hananareo hiarahanareo ireo zanakareo.Mivavaha mba omeny anareo ny fitaizany feno toy ny ray sy ny reny rehetra ka mba hiaro anareo izy tamin'ny fotoana izay tsy naha-teo ny rain'ny ankizy.
Tsy hanary anareo izy ary hanome hery sy fahasoavana ho anareo mandrakariva raha matoky Azy ianareo.
23. xxx ( 05/03/2007 12:21)
la culture, c'est comme la confiture : moins on en a, plus on étale

TOHIZO HATRANY LE MONOLOGY E !!!!=))
24. niryna ( 06/03/2007 07:17)
Ilay kiraroko.
*Eto ialahy no manorina trano rehefa lehibe hoy Hery mantsy an-janany.
-kiraro kely vidiana ho ahy dada fa izaho tsy manana
*Rehefa mandray vola aho leisy hividianako amin'izay ialahy a.
+Efa im-piry ianao no nampanantena an'i Ndriana hoy ny vadiny kanefa hatramin'izao mbola tsy nitondranao ihany izy.Ny vola ato an-trano tsy misy,lany amin'ny taoka.
Tonga ny fandraisam-bola,mamo i Hery tanam-polo no nentina.-
-Naratra ny tavoahangy ny tongotro ry dada hoy Ndriana
*Rahampitso leisy tena hividianako amin'izay ialahy a
Nandray karama i Hery,nividy ilay kiraro kely izy.
Dia ahoana no mety ho tohiny?
25. niryna ( 06/03/2007 07:27)
Ilay kiraroko (tohiny)
Tonga ireo namany nanasa azy hiara-misotro ary dia revo teo amin'ny fifandonam-bera ka tratra alina.Nony andeha hody anefa izy dia avy be ny orana niaraka ny kotroka ary dia tapaka ilay tetezana fandehanany mody.Tafandry tany izy ary ny maraina namikavika faly nitondra ity kiraro ho an-janany.Tazany lavitra ny tananany ,ireo misy olona maro mifamahofaho."fa misy inona ary hoy izy miteny irery?"
Vatana mangatsiaka no novantanin'i Hery.Nodimandry i Ndriana zanany:cry:

Aza mangataka andro miandry ny rampitso lava,vitao izay tokony ho vitanao,vonjeo izay mila vonjy aminao,manao soa ary zarao izay fahasoavana nomen'Atra anao fa tsy fantatra izay havoakan'ny ampitso.
(l)niryna
26. linarako2 ( 09/03/2007 10:48)
Mampalahelo izany Ndriana kely izany.Eny e ilay fotoana anie no mandositra fa ny tena eo ihany .
27. soanja ( 11/03/2007 15:25)
niryna:

Tsy lavitra ny vodim-paoma mihitsy ny paoma na tsy lavitra ny hianjeran'ny voankazo mihitsy ny hazo niaviany.Noho izany izay maha ianao anao no ho azonao eo amin'ny fitaizana ny zaza.(What you are is what you get when it comes with raising a child).Izay no mahatonga ny fitenenana hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza fa na dia lehibe aza izy dia tsy hiala aminy izany.Te hanana fitiavana be dia be kokoa eo amin'ny zanakao ve ianao?Te ho ray atao modely na reny be tantely ve ianao?
Inona avy ary ireo toro-hevitra tokony omena ny ray,ny reny,ary tsy latsa danja amin'izany ny reny izay mananontena?
Samia ary isika mifanampy fa izay tsy fenonao ho fenon'ny hafa.
(l)niryna.


Misaotra an'i Niryna amin'ny hevitra.
Ny ahy ry Niryna de hoe "Love and Logic" io ny ahy ny foto-kevitro momba ny fanabeazana.
Ny zava-drehetra dia mifototra amin'ny fitiavana vao afaka hivelatra tsara ary ny lojikam-piainana ihany no lesona goavana indrindra afaka atolotrao ny zanakao na manankerana na mahantra ianao.
Good Luck daholo ary!


28. niryna ( 13/03/2007 04:40)
Tsy misy fisaorana soanja a,misaotra anao koa aho.:P
29. niryna ( 13/03/2007 04:42)
xxx:

la culture, c'est comme la confiture : moins on en a, plus on étale

TOHIZO HATRANY LE MONOLOGY E !!!!=))



o^oo^oo^o:b:@
30. kanto10 ( 20/03/2007 15:22)
mahaliana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2638