Ny paoma dia tsy lavitra ny hazo nambolena azy!

1. niryna ( 01/03/2007 11:42)
Tsy lavitra ny vodim-paoma mihitsy ny paoma na tsy lavitra ny hianjeran'ny voankazo mihitsy ny hazo niaviany.Noho izany izay maha ianao anao no ho azonao eo amin'ny fitaizana ny zaza.(What you are is what you get when it comes with raising a child).Izay no mahatonga ny fitenenana hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza fa na dia lehibe aza izy dia tsy hiala aminy izany.Te hanana fitiavana be dia be kokoa eo amin'ny zanakao ve ianao?Te ho ray atao modely na reny be tantely ve ianao?
Inona avy ary ireo toro-hevitra tokony omena ny ray,ny reny,ary tsy latsa danja amin'izany ny reny izay mananontena?
Samia ary isika mifanampy fa izay tsy fenonao ho fenon'ny hafa.
(l)niryna.
novalian'i kanto10 ny 20/03/2007 15:22
2. rush ( 01/03/2007 12:39)
niryna:
Te hanana fitiavana be dia be kokoa eo amin'ny zanakao ve ianao?Te ho ray atao modely na reny be tantely ve ianao?
fa angaha kosa de misy ray sy reny tsy modely? ka inona no maha ray aman-dreny azy ireo raha izany? sa ve ity ny tohiny ilay dinika nataonao hoe miangatra ny reny na ny ray @ zanany?


3. kelly13 ( 01/03/2007 16:27)
aôna mou zany hoe "te hanana fitiavana be dia be kokoa eo @ zanakao?" izany? ny fitiavako ny zanako mantsy dia tsy be dia be kokoa na kely kely kokoa fa fitiavana "entier" (tsy haiko ny filaza azy @ teny gasy azafady).

fa marina fa tsy misy ray aman-dreny tonga lafatra izany
4. niryna ( 02/03/2007 06:45)
rush:

niryna:
Te hanana fitiavana be dia be kokoa eo amin'ny zanakao ve ianao?Te ho ray atao modely na reny be tantely ve ianao?
fa angaha kosa de misy ray sy reny tsy modely? ka inona no maha ray aman-dreny azy ireo raha izany? sa ve ity ny tohiny ilay dinika nataonao hoe miangatra ny reny na ny ray @ zanany?




Izany no mahatonga manontany hoe samy isika mifanampy.Izay afaffintsika no ho jinjaina.Izay ataon-tsika no taratra hiainan'ny zanan-tsika.Tantarao ary ny an'i rush e ahoana no fomba fitondranao ny zanakao eo amin'ny fiarahanareo mivady raha manambady ianao ary raha manan-janaka.
Tiako mba samy mandray anjara sy mizara eto isika dia any amin'ny farany aho manampy izay kely hanampiko azy na misy avy any amin'ny hafa mba ho raisiko koa.:P

5. niryna ( 02/03/2007 07:02)
kelly13:

aôna mou zany hoe "te hanana fitiavana be dia be kokoa eo @ zanakao?" izany? ny fitiavako ny zanako mantsy dia tsy be dia be kokoa na kely kely kokoa fa fitiavana "entier" (tsy haiko ny filaza azy @ teny gasy azafady).

fa marina fa tsy misy ray aman-dreny tonga lafatra izany

Ny tiako ho voaboasana eto izany dia ny fitaizana ny ankizy ary izany dia taratra hita ao amin-tsika rar tsirairay avy..Mifanampy izany isika fa tsy hifanisy na hifanambany na hifaneso.Misy manko tena tsy mahazo izay tiana lazaina ny olona sasany ary raha miteny io fitaizana ny ankizy io aho dia tonga dia miteny hoe samy manana ny fitaizana ny zanany ny olona fa aza force-nao hanaraka ny tianao atao.
Raha ny zava-misy aty aminay no resahina dia toy izao no mitranga.1999 dia nahatratra ho 1,304 594 no zaza teraka tsy manambady ary 29 % ny isan'ny reny 382,655 dia latsaky ny 20 taona.Amin'izao hitenenako izao dia 50% ny ankizy fotsiny no misy rar miaraka,saiky tsy misy ray daholo ny ankizy na mananon-tena mamelona ny ankizy irery ny reny ,ny 40% ny vady voalohany misaraka.Raha oharina t@1960 dia 16% ny vady voalohany no nisaraka.
Ny isan'ny mirai-trano tsy vita soratra dia niakatra ho 50% ny 1990 raha oharina ny taona 1960.
Tsy vita mora ny manalehibe zaza fa ny fisian'ny ray ao an-trano no tena zava-dehibe.
Hitohy fa miandry ny hevitra any aminareo indray aho:P
6. rush ( 02/03/2007 09:26)
aleko hiany tsy hamaly eto fa mazana ny zavatra nolazainao atsy @ fivavahana sy finoana.
7. linarako2 ( 02/03/2007 23:24)
[quote=niryna]
Noho izany izay maha ianao anao no ho azonao eo amin'ny fitaizana ny zaza.(What you are is what you get when it comes with raising a child).Izay no mahatonga ny fitenenana hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza fa na dia lehibe aza izy dia tsy hiala aminy izany.

Misy fahamarinany tanteraka io.Mety tsy mahatsapa fotsiny ny tena.

Te hanana fitiavana be dia be kokoa eo amin'ny zanakao ve ianao?Te ho ray atao modely na reny be tantely ve ianao?

Sarotra ny mitaiza ankizy amin'izao fotoana izao.
Inona avy ary ireo toro-hevitra tokony omena ny ray,ny reny,ary tsy latsa danja amin'izany ny reny izay mananontena?

Samia mandray anjara eo amin'ny fitaizana ny zaza,tsy ho an'ny reny irery ihany fa ny ray no tena ilaina.Raha tsy misy ray moa dia mangataha ny hery avy amin'Andriamanitra hanampy anao




8. linarako2 ( 02/03/2007 23:29)
rush:

niryna:
Te hanana fitiavana be dia be kokoa eo amin'ny zanakao ve ianao?Te ho ray atao modely na reny be tantely ve ianao?
fa angaha kosa de misy ray sy reny tsy modely? ka inona no maha ray aman-dreny azy ireo raha izany? sa ve ity ny tohiny ilay dinika nataonao hoe miangatra ny reny na ny ray @ zanany?




Misy variana ny fitadiavana ary tsy manome fitiavana ny zanany.Rehefa lehibe ny ankizy vao mahatsapa ny fahabangana teo amin'ny fiainany.Raha reny tsy nanoro ny zanany izy dia ho sarotra ilay zaza ny hamola-tena.Raha ray nandositra adidy izy dia tsy mba nandalo izany fitiavan-dray izany ilay zaza.Raha mpamono vady ilay ray dia hisy taratra vono ao antokantranon'ilay zaza rehefa mitondra fanambadiana izy,raha toa moa ka nolakamoana foana izy dia toy izany koa no heveriny fa mety

9. linarako2 ( 02/03/2007 23:38)
rush:

aleko hiany tsy hamaly eto fa mazana ny zavatra nolazainao atsy @ fivavahana sy finoana.

Raha ny fanenjehinareo sy ny tariny ity olona ity tokoa aloha dia tena miaiky mihitsy aho e.Olona tsy fantatrareo akory izy kanefa enjehina,hopaina,ataonareo rehetra ady farombaka.Izy hoy izy fitaovana nampiasain'Andriamanitra fotsiny.Marina tanteraka izany.Izany no tsy mba namalianay teto mihitsy fa tena lasa tsy fitiavana sy fankahalana no nasetrinareo ity olona ity.Mino tanteraka koa aho fa tsy avy amin'ny heriny irery ihany no nahaizany nanome ireo sujet maro dia maro ireo fa misy herin'Andriamanitra manampy azy hamonjy ny malagasy iray tanindrazana azy.Rehefa tsy manana zavatra tsara ho resahina tokony isika hoy izy miteny matetika dia aleo tsy miteny fa ny hatezerana izay navoakantsika iny anie tao am-pontsika fa tsy tany aminy e.Ary na dia nanaovanareo rehetra ady farimbona aza izy mbola namela sy nitia anareo rehetra ihany.Ahoana tokoa moa izany?Olona tsy fantatra kanefa any aminy daholo no hiantefanareo ny hatezeranareo,sa izay ilay hoe misy hery hafa manosika sy mamporisika antsika hanao izay tsy tokony ho atao?

10. tywa68 ( 03/03/2007 13:33)
rush : efa fantatra anie ny fijerin'i niryna fa tsy maintsy arak'ilay maha kristiana azy ny hanaovana ny rehetra ! koa inona ny olana @izany ?

Afaka miombo-kevitra aminy enao @ lafiny 1 dia manohitra @ anankiray : manome hevitra hifanampiana no atao eto, dia alainao zay mahasoa anao, ary zarainao zay hitanao fa mety hahasoa ny manodidina.

Raha misy azo hanampiako azy moa dia ny hoe na isika RAD aza dia mianatra koa eo ampitaizàna an'ireo zaza ireo, satria tsy nisy olona tonga dia modely na inona fa ampitiavana daholo ny anaovana ny anjara adidy tandrify azy.
11. sakaizakely ( 03/03/2007 13:45)
za tsy te hamaly
12. Samoana ( 03/03/2007 18:26)
Ny ahy goavy no fihinako ry nyrina:wink:. Mety hisy fiantraikany @ zanako ve ny fitiavako io voankazo io :D?
13. niryna ( 04/03/2007 07:11)
Samoana:

Ny ahy goavy no fihinako ry nyrina:wink:. Mety hisy fiantraikany @ zanako ve ny fitiavako io voankazo io :D?

Tsy misy ka,fiteny vahiny io dia nifandraika ny sujet tiako ho zaraina

14. niryna ( 04/03/2007 07:16)
linarako2:

rush:

aleko hiany tsy hamaly eto fa mazana ny zavatra nolazainao atsy @ fivavahana sy finoana.

Raha ny fanenjehinareo sy ny tariny ity olona ity tokoa aloha dia tena miaiky mihitsy aho e.Olona tsy fantatrareo akory izy kanefa enjehina,hopaina,ataonareo rehetra ady farombaka.Izy hoy izy fitaovana nampiasain'Andriamanitra fotsiny.Marina tanteraka izany.Izany no tsy mba namalianay teto mihitsy fa tena lasa tsy fitiavana sy fankahalana no nasetrinareo ity olona ity.Mino tanteraka koa aho fa tsy avy amin'ny heriny irery ihany no nahaizany nanome ireo sujet maro dia maro ireo fa misy herin'Andriamanitra manampy azy hamonjy ny malagasy iray tanindrazana azy.Rehefa tsy manana zavatra tsara ho resahina tokony isika hoy izy miteny matetika dia aleo tsy miteny fa ny hatezerana izay navoakantsika iny anie tao am-pontsika fa tsy tany aminy e.Ary na dia nanaovanareo rehetra ady farimbona aza izy mbola namela sy nitia anareo rehetra ihany.Ahoana tokoa moa izany?Olona tsy fantatra kanefa any aminy daholo no hiantefanareo ny hatezeranareo,sa izay ilay hoe misy hery hafa manosika sy mamporisika antsika hanao izay tsy tokony ho atao?





Misaotra anao aho ry linarako2.Izaho koa vao niteny io resahinao io.8)
15. niryna ( 04/03/2007 07:26)
[quote=tywa68]
rush : efa fantatra anie ny fijerin'i niryna fa tsy maintsy arak'ilay maha kristiana azy ny hanaovana ny rehetra ! koa inona ny olana @izany ?

Misy fahamarinany ny teninao hoe amin'ny mahakristiana azy.Nanome sy nizara ny zavatra kely nanako aho sy ny fahasoavana lehibe noraisiko koa.
Toy ny rehetra mihaino,mamaky ny valin'ny hafa koa ny tenako,ny mahasamy hafa azy dia tsy maintsy misaina aho vao mamaly ary miezaka ny manome valiny positive foana aho.Tsy andany andro hanapatra ny hatezerako ato kosa aloha aho raha misy izany e.Malahelo aho ary tena tsoriko anareo rehetra fa jereo fa misy sujet ao nanao farimbona daholo ilay olona rehetra efa hisy ho firy.Nisento kely aho ary dia namela azy rehetra.Izay ihany dia afaka ny alaheloko.

Afaka miombo-kevitra aminy enao @ lafiny 1 dia manohitra @ anankiray : manome hevitra hifanampiana no atao eto, dia alainao zay mahasoa anao, ary zarainao zay hitanao fa mety hahasoa ny manodidina

Izay indrindra,mino aho fa mitovy hevitra amiko sy aminao koa ny olona hafa.E raha handratra fo sy hamely olona foana anie no handaniana fotoana ato,afaka mizara ary ivelany ny tena e.Izay ihany ny ahy no mba hafatro ary nisy namana nahatsapa io koa ato maromaro,rehefa tsy mahita zavatra tsara ho lazaina dia aleo tazomina fa ny rano raraka anie tsy azo raofina e na ny atody vaky ve ho azo zairina intsony.

Raha misy azo hanampiako azy moa dia ny hoe na isika RAD aza dia mianatra koa eo ampitaizàna an'ireo zaza ireo, satria tsy nisy olona tonga dia modely na inona fa ampitiavana daholo ny anaovana ny anjara adidy tandrify azy.



16. niryna ( 04/03/2007 07:55)
niryna:
.
(What you are is what you get when it comes with raising a child).Izay no mahatonga ny fitenenana hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza fa na dia lehibe aza izy dia tsy hiala aminy izany.
Inona avy ary ireo toro-hevitra tokony omena ny ray,ny reny,ary tsy latsa danja amin'izany ny reny izay mananontena?
Samia ary isika mifanampy fa izay tsy fenonao ho fenon'ny hafa.
(l)niryna.

Ireto aza misy torohevitra kely mety mahasoa anao.
Ho an'ny ray:
Ny tanora amin'izao fotoana izao dia tsy mitovy ny fitaizana ny fahiny ary mihasarotra sy miha betsaka ny olana eo amin'ny tanora.
Ny toerana misy ny tsirairay sy ny fiaraha-monina no antony iray mahatonga izany.Eo koa moa ny fifaninanana na tahaka.
Ny ray no tena zava-dehibe eo amin'ny fitaizana ny ankizy sy ny tanora.
Ny maha-tsy eo ny ray dia anisany miteraka ny olana eo amin'ny tanora ankehitriny sy ny olana eo amin'ny fiaraha-monina,ny halatra,ny famonoana olona,ny tanora miteraka tsy manambady ary ny hetraketraka sy ady mifamono na ara-batana na am-bava(verbal abuse na domestic violence).
Ny tena ilaina amin'ny firenentsika amin'izao andro izao dia ny fanana ray matahotra an'Atra ary eo foana amin'ny fotoana ilain'ny ankizy azy,manome fitiavana,ary mitarika sy modely ny zanany.
Ny tsy maha eo ny ray na ny fisarahana na divorce dia misy fiantraikany amin'ny ankizy ary miteraka ny famoizam-po (depression)ny ankizy amin'ny andro mitambatambatra,mieritreritra ny ankizy fa noho ny ditrany no nahatonga ny ray lasa ary dia mandiso ny tenany izy ary lasa takaitra ao aminy io.Taratra amin'izany ny ankizy tsy mba faly fa mototra lava,tsy tia manao zavatra izay mahafinaritra azy intsony.
Raha ny safidy dia tokony hipetraka ao an-tokantrano ny lahy hifanampy ny fitaizany ny ankizy,handray andraikitra amin'ny maha-loham-pianakaviana azy.
Toy izany ihany koa ny ray izay tsy misaraka kanefa tsy mba mandany fotoana miaraka ny zanany dia toy namany tsy misy ihany koa.Raha mba miaraka ny ankizy mantsy isika dia mba hiresaka antsika ny eritreriny sy ny faniriany izy ary ny olana kely izay tsy mety ho voavahany irery sady manana olona hitokisana koa izy.Raha manao manahoana sy veloma fotsiny no ataontsika dia tsy ho fantantsika mihitsy izay mba ao anaty sainy.Ny atao hoe ray tsara dia ireo ray mahafantatra ny zanany,ny fahasoavany,ny faniriny.
(hitohy)
17. xxx ( 04/03/2007 08:31)
de la psychologie à 2 balles :twisted:
iza no tsy mahafantatra fa ilaina amin'ny fitaizana ny mahaeo ny dada sy neny roa tonta. Heverinao fa ianao irery angaha no mahay an'izany ?

Ary angaha ity fisarahampanampadiana ity fanahy iniana aminao ? Mandehana manao bénévole amin'ireny centre social mandray ireny vhv mananontena ireny dia ho hitanao eo fa misy antony maro isankarazany mahatonga ny olona hisaraka ary tsy azo idifiana. Ouvre toi au monde et arrête de te regarder le nombril, madame je sais tout donneuse de leçons !
tu me gaves :evil:
18. niryna ( 05/03/2007 01:03)
[quote=xxx]
de la psychologie à 2 balles :twisted:
iza no tsy mahafantatra fa ilaina amin'ny fitaizana ny mahaeo ny dada sy neny roa tonta. Heverinao fa ianao irery angaha no mahay an'izany ?

Atoroy hevitra ary izahay mba hamonjenay ny hafa e

Ary angaha ity fisarahampanampadiana ity fanahy iniana aminao ? Mandehana manao bénévole amin'ireny centre social mandray ireny vhv mananontena ireny dia ho hitanao eo fa misy antony maro isankarazany mahatonga ny olona hisaraka ary tsy azo idifiana.

ooodry,inona ity mahazo anao:roll:

Ouvre toi au monde et arrête de te regarder le nombril, madame je sais tout donneuse de leçons !
tu me gaves :evil:

Nisy nahazo anao angaha no manompa olona ho :twisted:

19. niryna ( 05/03/2007 01:09)
Araka ny tenintsika tetsy sy teroa dia izay fifanampiana ny namana no tena votoatin'ny fifandraisana ato.Misy ny olana ary mety tsy mahavaha azy irery ny tena.Ny firesahana sy ny fifanankalozana adi-hevitra ary ny sujet miditra ka mety hifandraika ny fiainantsika dia anisany iray manala sy manamaivana ny olana.Indrindra rehefa misy mba mahita vahaolana teo amin'ny mpiara-monina aminy izy ka nandaitra izany.Raha tonga dia mitsara izay mamaky ka miteny hoe izahay angaha tsy mahay izay hitaizanay dia tsy maninona izay izany no valiny.
20. niryna ( 05/03/2007 01:15)
Fisaorana lehibe ho an'ireo ray izay tsy niamboho adidy ary ho derainay vehivavy manokana izany.Raha misy moa mbola misalasala,aza mangataka andro fa izao fahazazana izao ihany ny ankizy no mila antsika rehetra fa rehefa lehibe izy mety tsy ilainy intsony isika.

Dada a andao isika sy dada andeha hanao baolina!
-reraka aho leity a!
Dada a ahoana ity zavatra ity?
-tsy manam-potoana aho leity a.

Tonga ny fotoana nahalehibe ity zanany lahy.Niantso azy an-taribia ity rainy.
-Tsy manampotoana laniana aminao aho ry dada:oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4157