taolam-balon'i Jesoa!

1. rakaroka ( 28/02/2007 10:12)
Noresahina t@ France 2 omaly fa hitan'ny manam-pahaizana ny fasana nilevenan'i Jesoa sy Maria sy Josefa, en faite fasam-pianankaviana dia nisoratra tao ny anaran-drizareo ireo, dia noanalysén-drizareo mbamin'ny ADNn'i Jesoa hono, ary voaporofo Siantifika fa izy tokoa io!
Ahoana ary izany?...'ngaha moa tsy hoe niakatra velona tany an-danitra sa tsy marim-pototra ny fikarohana eto?....
novalian'i prime ny 19/03/2007 07:27
2. sakaizakely ( 28/02/2007 10:22)
eeeeeeeeeee !
ianjeran'ny mpahay fivavahana eto indray rakaroka @ty resaka ity :roll:
3. hery ( 28/02/2007 10:41)
Tsy mitovy sahady ny sokajy ifampiresahana dia tsy hitondra ho aiza mihitsy ny resadresaka.

Tsy maintsy azo tsara aloha hoe:
- Raha miteny hoe niakatra any andanitra dia ahoana no ieritreretanao an'izany? Raha resaka ara-batana (physiquement) ka hoe boribory ny tany dia niakatra nankaiza izy? Dia nahatratra firy kilometatra? Dia nihoatra ny Atmosphère ve? Dia taiza ilay lanitra?
- Raha miteny hoe nitsangana tamin'ny maty dia ahoana no andraisanao azy? Niala tao amin'ny fasana ve ilay vatana (tahaka an'i Lazarosy)? Dia nanjary nisy ra indray ve? Dia nanjary noana indray ve? dia nanjary voafetran'ny fotoana sy ny toerana indray ve? (temps et espace)

Izay no nilazako hoe tsy mitovy ny tadin-dokanga hanaovana ny adihevitra. Ny siantifika dia miresaka ara-batana (fizika) fotsiny... ny finoana dia miresaka an'ilay mihoatra ny vatana na ny fanahy.
4. ann ( 28/02/2007 10:57)
raha resaka io ndray aloha de afaka lavina zany[ara-pinoana], satria araka ny finoantsika [kristianina], dia jesosy dia zanak;Atra na Atra , ary ara-tantara dia fatatra fa niakatra any andanitra izy ary manamarina izany koa ny tantara fa tsy tao ny vatantenany rehefa tonga mba hanositra menaka manitra ireo olona,.....
5. Fiffi ( 28/02/2007 11:14)
rakaroka:

Noresahina t@ France 2 omaly fa hitan'ny manam-pahaizana ny fasana nilevenan'i Jesoa sy Maria sy Josefa, en faite fasam-pianankaviana dia nisoratra tao ny anaran-drizareo ireo, dia noanalysén-drizareo mbamin'ny ADNn'i Jesoa hono, ary voaporofo Siantifika fa izy tokoa io!
Ahoana ary izany?...'ngaha moa tsy hoe niakatra velona tany an-danitra sa tsy marim-pototra ny fikarohana eto?....
non ! non ! non ! ....nanaraka an'iny voalaza iny zah omaly hariva....fa aleo mitandrina satria film no hatao......mba ahazahoana mpijery be indray....


6. xxx ( 28/02/2007 12:12)
Raha ny fahazoako azy dia izay lazain'i fiffi izay, ilay découverte iny no notrandrahin'ilay mpanao sarimihetsika hanaovany film/documentaire fa tsy mbola azo antoka tanteraka fa marina io zavatra io

Izy anefa resy lahatra fa tena ilay fasana io nefa mbola discutable ilay izy, ny fiangonana sasany milaza ohatra fa tsy teo @ io toerana io no nisy ilay fasana fa tany avaratra kokoa
7. rakaroka ( 28/02/2007 13:08)
Fiffi:

rakaroka:

Noresahina t@ France 2 omaly fa hitan'ny manam-pahaizana ny fasana nilevenan'i Jesoa sy Maria sy Josefa, en faite fasam-pianankaviana dia nisoratra tao ny anaran-drizareo ireo, dia noanalysén-drizareo mbamin'ny ADNn'i Jesoa hono, ary voaporofo Siantifika fa izy tokoa io!
Ahoana ary izany?...'ngaha moa tsy hoe niakatra velona tany an-danitra sa tsy marim-pototra ny fikarohana eto?....
non ! non ! non ! ....nanaraka an'iny voalaza iny zah omaly hariva....fa aleo mitandrina satria film no hatao......mba ahazahoana mpijery be indray....





Tsy simple fiction anie ny réalisation'i titanicn'i James Cameroun! fa niala t@ nisy. Ka "considérable" ve sa tsia ny fisian'ny fasana tahaka itony?...
réel non...
Ny azo raisina angamba dia ny valin-tenin'i Hery hoe
misy "concept" physique sy métaphysique sns... dia samy mivoy izay mety aminy ny olona...

8. Fiffi ( 28/02/2007 13:31)
rakaroka:

Tsy simple fiction anie ny réalisation'i titanicn'i James Cameroun! fa niala t@ nisy. Ka "considérable" ve sa tsia ny fisian'ny fasana tahaka itony?...
réel non...
manaiky an'io zah fa nalaina t@ fait réel ny titanic......saingy misy kosa ny zavatra tena mbola marina zay indiscutable zay voasoratra ao anaty Baiboly.....

Mino zah hoe mety fasan-drazan'i Maria sy Josefa le fasana hita.....fa tsy misy hidiran'i Jesoa le izy...


9. maditra ( 28/02/2007 14:23)
rakaroka> Nahazo resaka an'io izahay tampianarana fa raha dinihina dia tsy lojika ho mitombona mihitsy ilay izy. Ny soratra nanoratana ny anarana aza dia tsy aramaic fa grika, nefa ry Jesoa nampiasa aramaik. Maro be ny zavatra azo iadian-kevitra amin'io fa omeko ny hafa indray aloha. lol
Fa mba fanontaniana ho an'i rakaroka indray,
Mino ve enao raha miteny ny scientistes hoe i Jesoa sy i Maria ary i Josefa tokoa ireo araka ny DNA?
10. rakaroka ( 28/02/2007 14:41)
Fiffi:

rakaroka:

Tsy simple fiction anie ny réalisation'i titanicn'i James Cameroun! fa niala t@ nisy. Ka "considérable" ve sa tsia ny fisian'ny fasana tahaka itony?...
réel non...
manaiky an'io zah fa nalaina t@ fait réel ny titanic......saingy misy kosa ny zavatra tena mbola marina zay indiscutable zay voasoratra ao anaty Baiboly.....

Mino zah hoe mety fasan-drazan'i Maria sy Josefa le fasana hita.....fa tsy misy hidiran'i Jesoa le izy...

1)Tena "Disoiko" kosa (aza tsiny!) ny resak'i Fiffy eto milaza fa "indiscutable" zay voasoratra ao anaty baiboly:
K'inn aza ny karajia eto tsy mi-discute izay voasoratra ao tsy mazava , ary na samy kristiana aza tsy mitovy hevitra @ izay voalaza!...
2)Ilay hoe tsy misy hidiran'i Jesoa ...Izay no mahatonga ny olona hino fa tsy nisy Jesoa satria
"inconsidérable" araka ny logique normalen'ny terrestre izany ny fisiany! Nisy ara-pinoana izany!
Izany hoe "Dogme" ihany!







11. rakaroka ( 28/02/2007 14:50)
maditra:

rakaroka> Nahazo resaka an'io izahay tampianarana fa raha dinihina dia tsy lojika ho mitombona mihitsy ilay izy. Ny soratra nanoratana ny anarana aza dia tsy aramaic fa grika, nefa ry Jesoa nampiasa aramaik. Maro be ny zavatra azo iadian-kevitra amin'io fa omeko ny hafa indray aloha. lol
Fa mba fanontaniana ho an'i rakaroka indray,
Mino ve enao raha miteny ny scientistes hoe i Jesoa sy i Maria ary i Josefa tokoa ireo araka ny DNA?


Misaotra @ fikarohana: Isika rehetra anie samy mikatsaka fahamarinana, ilay fametrahana ny finoana mihitsy no manahirana raha hanakifihina izay voakaroka sientifika: maninona no mbola midodododo
mankany @ dokotera ny kristiana maro hadinon-drizareo angaha fa Jesoa ninoany izay anie ka nahasitrana?... Aiza ny finoanareo?...
12. Fiffi ( 28/02/2007 14:53)
rakaroka:

1)Tena "Disoiko" kosa (aza tsiny!) ny resak'i Fiffy eto milaza fa "indiscutable" zay voasoratra ao anaty baiboly:
K'inn aza ny karajia eto tsy mi-discute izay voasoratra ao tsy mazava , ary na samy kristiana aza tsy mitovy hevitra @ izay voalaza!...
rakaroka: ka zay voasoratra na voalaza ao anaty baiboly ve zany midika fa tsy marina ho an'ny mpino ?
Ny lazaiko hoe indiscutable ange de zay voasoratra ao anaty Baiboly eh ! nga nisy voalaza tao hoe nalevina taiza Jesoa ? Nitsangana t@ maty izy ary niakatra tanyan-danitra.......ny discusion indray de ny momba ny film......
zao ary an : hanao film le olona de tampoka teo ve de nahita hoe io ny fasan'i Jesoa de lasa misy resaka hatramin'ny ADN ? sy ny siantifika sns....


13. fraz ( 28/02/2007 15:38)
Fanampi-panazavana : Jesus' Tomb found in Israel
14. rakaroka ( 28/02/2007 15:49)
Fiffi:

rakaroka:

1)Tena "Disoiko" kosa (aza tsiny!) ny resak'i Fiffy eto milaza fa "indiscutable" zay voasoratra ao anaty baiboly:
K'inn aza ny karajia eto tsy mi-discute izay voasoratra ao tsy mazava , ary na samy kristiana aza tsy mitovy hevitra @ izay voalaza!...
rakaroka: ka zay voasoratra na voalaza ao anaty baiboly ve zany midika fa tsy marina ho an'ny mpino ?
Ny lazaiko hoe indiscutable ange de zay voasoratra ao anaty Baiboly eh ! nga nisy voalaza tao hoe nalevina taiza Jesoa ? Nitsangana t@ maty izy ary niakatra tanyan-danitra.......ny discusion indray de ny momba ny film......
zao ary an : hanao film le olona de tampoka teo ve de nahita hoe io ny fasan'i Jesoa de lasa misy resaka hatramin'ny ADN ? sy ny siantifika sns....





Azafady @ baiboliste mihitsy aloha fa tsy voatery voafatotr'izay voasoratra ao anaty baiboly ny fikatsaham-pahamarinana dans notre réelle vie. Ary tsy "suffisance" ny Baiboly du moins aty @ tany mandroso ka hoe hianona fotsiny @ izay voambara ao:
rahateo izay voasoratra aza tahaka ny tsinain-kena
samy mandrorotra izay hitiavany izany;
Ié:lol::lol::?::?::roll::roll: koa raha ny mpino aza moa tsy mitovy hevitra, izany hoe ilay voasoratra mihitsy no tsy mazava na dia efa impiry torinteny aza...., tsy gaga aho raha navalon'ny ankamaroan'ny olona aty ny baiboly( eto @ misy ahy aloha sy ny sehatra manodidina tsy misy ampiasana ny resaka versé biblika izany mihitsy e!aleon'ny olona nikatsaka ny zavatra "concret" kokoa! 8O:lol:
15. jentilisa ( 28/02/2007 16:17)
Izay rehetra mamoaka "vaovao" dia mihevitra fa hamotika ny krisitanisma hatrany. Dia jereo ary ny tohiny rehefa kelikely e!
16. kally ( 28/02/2007 16:27)
Ny finoana dia tsy mba tsara iadian-kevitra.Ny tsy mpino hilaza foana fa adala sy mivadik'ondrana ny mpino, ka raha izaho dia samia manao izay heveriny fa hahasambatra azy.Izay tsy tia aza manakivy ny tia,tsy hitondra fahasambarana ho anao izany! ary ho inonao moa izy raha mino rehefa izay no hahasambatra azy?
17. rakaroka ( 28/02/2007 16:27)
jentilisa:

Izay rehetra mamoaka "vaovao" dia mihevitra fa hamotika ny krisitanisma hatrany. Dia jereo ary ny tohiny rehefa kelikely e!


Sao mba ny kristiana no tsitohinina loatra @ finoana na tsy finoana?...satria tsy voatery hihevitra ny kristiana ny mpamoaka vaovao alohan'ny
hanelezany izany!
Na tsikaritry'ny producteurn'ito film ny "défense-chrétien" no hanaovany ilay izy ho "business"!...

18. fijo ( 28/02/2007 22:12)
za aloha dia milaza hoe aleo mitandrina amin'ny resaka toa izao ,mba tsy hitenitenenana foana.tamin'i lery maty anie tsy hay izay tena maka ny fatiny tao e.ny mpianany ve??? ny miaramila ve???? ny tsy tia azy ve???????tsy hay izay valiny.
ny fantatra fotsiny dia nisy naka tao le fatiny matoa tsy hita tao intsony.fa ity hoe niakatra any andanitra bla bla bla ity tsssssss,anganon'ny baiboly io,fa aza raisina amin'izay ny tiany lazaina.
19. LazaDaddy ( 28/02/2007 23:40)
rakaroka:
maninona no mbola midodododo
mankany @ dokotera ny kristiana maro hadinon-drizareo angaha fa Jesoa ninoany izay anie ka nahasitrana?... Aiza ny finoanareo?...


1) Araka ny hevitrao, naninona no nampiasa fotaka sy rora ohatra i Jesoa nanasitrana?
2) I Lioka ve nijanona tamin'ny asa maha dokotera azy sa nanohy?

Alefaso alavitra ny fikarohana fa aza ajanona @ izay asesiky ny olna ho raiki-tapisaka ao an-dohanao
20. fijo ( 01/03/2007 00:11)
ekena io voalza farany io."alefaso lavitra ny saina ,fa aza ajanona....."io le fijanonana amin'izay nasesiky ny sasany io mnatsy no mahatonga le finoana boloky
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1256