Resaka fangalarana

1. soanja ( 25/02/2007 05:54)
Hono hoy aho raha ohatra ve ka misy olona iray manana paiso sy paoma ary voankazo be de be ao an-tokotaniny, de masaka be ireo nefa tsy hohaniny fa jereny fotsiny ary lo ampitoerana eo satria izy tsy tia anireo. Nefa ny ankizy any ivelany noana be tsy ampy sakafo sady milendalenda mahita le izy. Dia efa nangataka fa roaka ny nahazo azy ireo. Farany nangalatra ny ankizy satria tsy nahatanty intsony. De diso ve ny ankizy raha izany sa tsia?
novalian'i Fiffi ny 12/03/2007 07:48
2. xxx ( 25/02/2007 07:40)
Diso satria maka ny zavatr'olona. Ka na poma io na paiso na cerise iray na ariary, rehefa tsy any tena dia tokony tsy alaina.
Qui vole un oeuf, volera un boeuf.
3. Fiffi ( 25/02/2007 08:43)
xxx:
Qui vole un oeuf, volera un boeuf.
io aloha de tena marina an ! saingy mampalahelo kosa raha toa ka misy zany fangatahana zany nefa tsy manomé ny tompon'le voakazo na de hita aza ny hanoan'le ankizy......

Iza marina no tena diso @ zany ? :-w:-w:-w


4. simplex ( 25/02/2007 09:14)
voalohany aloha ra resaka hoe lalana, tsy misy etat d'ame zany fa halatra refa maka zavatra tsy anao kanefa tsy nahazo alalana avy @ tompony.

Faharoa, eo @ resaka fiaraha-monina, tsy misy hifanomezan-tsiny satria eo @ taonan'ilay ankizy le izy. Tonga d aleo tsorina fa za anisan'ireny ankizy maditra ireny fahizay, tena manana voankazo betsaka mintsy bebeanay fa mbola mangalatra ny an'ny ol ihany satria nenazy karazana hafa sady tsara be ny poziny. Fa mbola tsy tratra mintsy an ;-).

Fahatelo, eo @ lafiny fanabeazana, azo raisina le mpangalatra atody teo io. Zany hoe tokony mahazo daroka na manao corvee hananarana azy tsara le ankizy avy eo. Satria lasa delinquant, bandit le ankizy ra miaraka samy adala otr'zany ...

Farany, hoan'ny ol antitra: get over it :°) Iaraha mahalala ngamba fa ny antitra no ol sarotra atoro indrindra ary be kirizana sy kzitina k de hoe aza omena tsiny fa mbola otran'iny kou enao afaka taona maromaro vitsivitsy :-*
5. dongadonga ( 25/02/2007 23:24)
tsy diso oh raha eo imasony tompony :lol:
6. cutie ( 25/02/2007 23:37)
Mpandefa : dongadonga [ Valio ] 26-02-2007 00:24:20
Lohateny : Re : Resaka fangalarana
tsy diso oh raha eo imasony tompony

:-D:-D:-D:-D:-D
7. soanja ( 26/02/2007 00:34)
Raha ny fahitako azy de misy teny avy any aminay any avaratra hoe : "Fanoko azy izay" ny nanjo azy. kahidy loatra sady ratsy fanahy.
Tsy voatery ho lasa mpangalatra foana le ankizy ka.
Ny mampalahelo fotsiny dia tsy afaka miana-desona ilay tompon'ny paoma, de tsy manova azy ireo fihetsiky ny ankizy ireo. Fa tokony hisy lalana hatsangana miaro ireo ankizy ianjadian'ny tsy rariny amin'ny fiainana toy io. Ny antony mantsy die efa nahita tranga toy io aho ary notifirin'ilay tompon'ny paoma ilay zaza de maty. :(
8. iriko ( 26/02/2007 01:26)
mampalahelo mihitsy aloha ny toetsain'ireny antitra sasany ireny eh! nefa moa raha manana zanaka tanora afaka miresaka @ izy, inona ny olana tsy anazavany izany @ Dadabe na Nenibe. Ny tena maha ory de tsy hoanina tsinona fa de lo fotsiny eo, koa rariny raha omena olona afaka ihinana azy.Namany maka fanahy ny ankizy koa anie izany eh!

Raha izaho manokana aloha de hoy aho hoe: faultin'ny lehibe izany.

Ny mahita an'ireny zaza mitsindroka ireny aza efa tsy fidiny mihitsy, ka raha misy azao hatao na dia kely aza de mihezaka foana eh!
9. prime ( 26/02/2007 06:32)
Diso foana izay mangalatra na inona antony angalarana na inona... rehefa maka zavatra tsy an'ny tena dia efa halatra... rehefa halatra dia halatra fa tsy hoe rehefa ankizy dia hamarinina fa rehefa lehibe dia faizo amin'ny lalàna... vao nanana fitsiriritana zavatra olona dia efa eo akaiky eo ilay ota, raha vao torontoronina izany dia efa ota tanteraka mitoetra, maika fa nanatanteraka ilay faniriana fa izany indrindra no lazain'ny tenin'ny soratra masina fa miteraka fahafatesana araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy :

"Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana." Jakoba 1:15

Hafa ny fijery ity tranga ity raha ohatra ka Kristiana ilay angalarana... soanja moa eto tsy manome ny antsipiriany ka dia noho izany dia ilay akizy no diso, na eo amin'ny lafiny lalàn'ny fiaraha-monina, na araka ny soratra masina...

Ilay tompon'ny saha sy ny voankazo dia zony tanteraka izany, na hohaniny io, na hotehiriziny io, na ariany io, na avelany ho lo io... fananany io ka izay anaovany azy tsy anjaran'ny hafa no mibaiko izay tiany ampiasàny azy... Andriamanitra mahita izay anaovany azy fa tsy anjaran'ny fiaraha-monina ny mitsara ny tsirairay izay ampiasàny ny fananany sy izay any an-tranony...
10. Fiffi ( 26/02/2007 08:49)
samy diso na ny tompon'le voankazo na le mpangalatra.....le mpangalatra moh de heu....fahotana ny mangalatra... le tompon'le voankazo indray ....fitiavan-tena ny azy....inona nefa no maharatsy ny fizarana ? de aleo ve ho simba eo ireo voankazo toy zay zaraina ? indrindra fa efa mba NANGATAKA le ankizy........de aleo zany very eo fotsiny ?
11. booboo ( 26/02/2007 09:07)
Miombon-kevitra @ Prime
12. Achia ( 26/02/2007 10:05)
Ary zay zany no mampangalampinana ireny piso reny , satria izy mangataka foana nefa tsy homena de farany mangalampinana :-D:-D
13. belaza ( 26/02/2007 10:31)
ary raha tsy mangalatra fa tonga de maka na eo ary ny tompony e,
14. prime ( 26/02/2007 14:25)
belaza> Dia azon'ny tompony samborina hatolotra ny manam-pahefàna, na faizina, na tifirina mihitsy... misy "acte de violation" izany... na ny lalànan'izao tontolo izao aza dia hentitra mikasika ny halatra...:lol:
achia> :-D:-D
fiffi> Ka inona retsy no mahadiso azy amin'izany? fananany io, izay tiany anaovany azy... ohatra ny olona manana TV na fiara betsaka ao an-trano ihany, nefa misy olona mangataka mba te-hanana... dia azo terena ve hoe tsy rariny fa ny azy avelany simba ao fotsiny... tsy zon'iza n'iza ny mibaiko ny tsirairay ny @ fananany sy izay ampiasàny azy... rehefa tsy manenjika azy velively ny eritreriny (izy mba manana ny antony azy manokana ihany koa) tsy dia hitako loatra ny idiran'ny hafa ny amin'ny fananany...

Ny fanontanian'i soanja eto mantsy tsy dia tena hoe "diso koa ve ilay tompony fa hoe diso ve ny ankizy nangalatra?"

soanja:
Raha ny fahitako azy de misy teny avy any aminay any avaratra hoe : "Fanoko azy izay" ny nanjo azy. kahidy loatra sady ratsy fanahy.
Tsy voatery ho lasa mpangalatra foana le ankizy ka.
Ny mampalahelo fotsiny dia tsy afaka miana-desona ilay tompon'ny paoma, de tsy manova azy ireo fihetsiky ny ankizy ireo. Fa tokony hisy lalana hatsangana miaro ireo ankizy ianjadian'ny tsy rariny amin'ny fiainana toy io. Ny antony mantsy die efa nahita tranga toy io aho ary notifirin'ilay tompon'ny paoma ilay zaza de maty.
... :-D:-D Hay ilay olona miaro ny fananany indray no ilaina ovaina fa ilay zaza nangalatra tsy ilaina ovaina sady rahateo tokony arovana @ lalàna? hafa indray izany fijerinao izany an...:wink:
15. ikaretsaka ( 26/02/2007 14:32)
samy manana ny fombany.. sy ny toe tsainy tokoa an!
any andrefana any (california) dia misy tananan'olona mamboly paiso dia asiany soratra mihitsy eo alohan'ny fefiny hoe masaka ny paiso fa mahazo maka izay tia.. dia misy sachets mihitsy eo apetrany angalanao izay laninao!
ny any @ tanana... aleo lo toy izay an-kavana!
16. fijo ( 26/02/2007 15:29)
raha ohatra,ka mahita paiso hoanina le ankizy nefa mbola maka ilay tsy homen'ny tompony dia diso ary mpangalatra ,ka mila faizina.
fa raha toa ka tsy mahita hoanina le ankizy ,ka nanjary naka ireo paiso ireo ,noho io hanoananan io,dia tsy misy fahadisoana izany .ary tsy misy sazy atao azy
17. prime ( 26/02/2007 16:01)
ikaretsaka> :-D:-D... ie fa any "california" no be "taux de criminalité" indrindra aorian'i "new-york" sy "new-orleans"...=))
fijo> Manao "examens de conscience" an... :lol::-D:-D
18. majesty ( 27/02/2007 05:34)
Eritreritra sendra nandalo sa finoana sy fivavahana :D
19. prime ( 27/02/2007 10:25)
majesty> Tena mitombina izany fanamarihanao izany fa toa manana endrika "eritreritra mba nandalo tokoa ity"... satria :
mantsy i soanja:
Hono hoy aho raha ohatra ve ka misy...
20. Fiffi ( 27/02/2007 10:37)
prime:
fiffi> Ka inona retsy no mahadiso azy amin'izany? fananany io, izay tiany anaovany azy...
prime: inona no maha-diso azy @ zany ?

-ny fitiavan-tena......zavabohary io voankazo io ka tsy azy....eny na de hoe izy aza no namboly azy...eny na de hoe ao an-tokotaniny.....

-ny fitiavan-tenany....ankizy matin'ny hanoanana no mangataka de lavina.....de aleony ho loho sy ho simba eo toy zay zaraina....(@ zay tsy hoe zaraina heu.....juste etsy sy eroa fa HANOHANANA no nahatonga le ankizy nangataka)

-diso izy @ fijerny ireo ankizy noana mangataka nefa lavina.....tsy misy fo mitempo hoe misy tena antony goavana no nahatonga an'le fangatahana .....



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3752