Mycose

1. azzaro ( 23/02/2007 07:24)
Manahoana isika ato!
Izaho dia manana pbm na mycose vao hita vao haingana nefa mino aho fa efa ela ireo no tao amiko :
candida albicans, ureaplasma urealyticum, streptocoque groupe D. Nomen'ny gynécologue-ko fanafody maromaro aho vibramycine N, gynopevaryl, pevaryl, polygynax, gynophilus.
1- Ireo ve mety hoe afaka hanala ireo germes ireo, sa tokony hanantona spécialiste ihany aho na izany aza?
2- Mety hoe vitan'ireo traitement ireo ve ny fialan'ilay germe tanteraka sa mbola mila averimberina ireo vao mety ho afaka?
3- Mety misy fiatraikany @ fahazoana zaza ve ny fisian'ireo?
Misaotra anareo (indrindra ireo dokotera malagasy mandray andrara ato)
2. lemenakely ( 23/02/2007 08:13)
mila manantona spécialiste miintsy ianao ary aza mangatak'andro !!!
3. kelly13 ( 23/02/2007 11:58)
efa tany @ gynéco ono izy lemena aaaa :)
4. tywa68 ( 23/02/2007 12:39)
Ataovy aloha ny traitement nomen'ilay gynéco d aza matahotra manontany azy an'ireo rehefa miverina any fa asany zany ê !
5. watafon ( 23/02/2007 12:57)
azzaro : araho tsara izay toro-hevitra nomen'ny Gynéco anao fa mety tsara ireo fanafody nomeny ireo k ! Rehefa vitanao so amantsara ny traitement dia tsy misy tokony ahiana ny @ fahazaona zaza e !
mirary soa e !
6. azzaro ( 23/02/2007 17:56)
misaotra amin'ny conseil,(entre pa aloha fa tena tsy dia misy mamaly firy ato amin'ity forum ity izany), sa angamba ny pbm-ko no tsy misy mahalala e,
ny hoe ahazoana zaza mety hoe hahazo fa ilay hoe "maharitra ela be ve ilay traitement ity no mampanahy ahy"?
7. tisera ( 23/02/2007 19:46)
izaho efa voan'io mycose io fa tena une semaine dia afaka ilay sensation mangidihidy sns...fa ny ahy aza aloha iray ihany ny fanafody é :econazole (crème) nandritry ny 10 andro ! fa raha mazoto hamakafaka bebe kokoa i azzaro dia :
http://www.tasante.com/sous_rubrique/bien_être/questionsdepeau/Pagesmycose.phb , na koa http://www.doctissimo.fr/html/dossiers/mycoses.htm , na ito http://www.esculape.comgynecologie/mycose_vulvovaginale_valiton.htm
fa dia tsy misy ohatry ny manaraka izay lazain'ny dokotera aloha é! fa ao @ doctissimo koa misy forum resabe mihitsy momba an'io mycose io. Mirary fahasitranana é!:-*:-*
8. azzaro ( 23/02/2007 21:41)
Misaotra anareo rehetra fa mahafinaritra, efa nijery ilay sites aho fa ny roa tena tsy nisokatra, ilay doctissimo be zavatra intéressant fa misaotra betsaka.
Tisera>tamin'ny ianao nampiasa ilay econazole ve asiana koa any anatiny any sa ny eo ivelany ihany? dia nila nanao frottis foana ve ianao hi-contrôler-na ilay izy sa hoe afaka dia tsy nijery intsony? ilay izy manko hoe possible miverimberina na afaka aza, izay no tena mandreraka.
9. watafon ( 24/02/2007 13:17)
rehefa vita ihany ny traitement no mila manao frottis pour controle enao k ! tsy ela zany ny traitement k ! 10 jours en moyenne d tokony ho sitrana ! ny antony mampiverimberina azy io anie d avy @ rano isasana matetika e ! aty dago zao betsaka mihitsy io cas na mycoses vaginales io ! raha mahavatra dia rano avy nangotraka no anaovana toilettes intimes e !
10. xxx ( 24/02/2007 14:39)
INONA ZNAY MYCOSE RY RETO AN§
11. bazylou ( 24/02/2007 22:35)
voretra ianao izany satria be mycose!!
12. Samoana ( 24/02/2007 23:17)
bazy= lou ny atidohanao fa mila sitranina haingana:twisted: tsy misy fanajana oul mihintsy:twisted:
13. azzaro ( 25/02/2007 14:29)
Voretra ve izaho hoy i bazylou (pseudo "lou"), ny antony hoy ny gynéco manaraka ahy dia mety avy amin'ny fisasana be loatra, indrindra raha sasana ny any anatiny, na koa avy amin'ny papier toilette parfumé ireny, na ny fihinanana antibiotique koa, sy ny antony tsy fantatra maro, ka tsy haiko hoe voretra amin'ny ahoana?
rehefa tsy mahita avaly dia mangina fa manorisory fotsiny eto.
14. xxx ( 26/02/2007 13:27)
DISO BE izany hoe voretra izany ianao koa, au contraire , angamba ianao misasa imbetsaka loatra isan'andro :-)

aza manao slip synthétique, strings, pataloha tery fa ireny koa mety mahatonga azy, aza mipetraka rehefa mipipy @ WC + ou - public . Manaova ihany protège slip raha azo atao, fa de bonne qualité , plutot lasa protège foufoune ilay izy :-)
15. kelly13 ( 26/02/2007 13:35)
misy oa d natao handoto rano fotsiny :o
16. tisera ( 26/02/2007 16:13)
tena tsy misy idiran'ny hoe voretra sy tsy voretra izany mihitsy io ry bazylou an! :evil:ny tena mahavoa ny gasy indrindra ny any dago an ! mbola somary tsy ampy loatra ny resaka ara-pahasalamana (magazine na émission de santé) hany ka raha vao resaka olana gynécologique dia lazaina fa hoe voretra na mpiodina sns...tsy manadihady akory ny tena mety ho antony rehetra , mitompo-teny fantatra ery nefa tena à côté de la plaque tanteraka :x!
17. hasinando ( 27/02/2007 08:24)


Tsy resaka havoretrana ny mycose fa manaova slip cotton foana rehefa avy avoan'ny mycose fa aza manao ireny synthetique ireny ,aza tia misikotrikotra rehefa misasa fa manjary mampiditra microbe any ianao,rehefa en règle sy avy manao firaisana hoy ny gynécoko no tsy maninona na manasa tsara ny ao anatin'ny vagin fa ny akoatr'izay misasa tsara .AZa misasa na mandro @savon de asidra koa,raha any Dago inao dia savony Nosy na savon de masseille tsotra androana fa aza savony manitra ,raha gèle kosa dia ireny PH neutre ireny no ampiasao fa miteraka mycose koa ny ny savony manitra noho ireo produit chimique ao anatiny.Dia tezao koa ny olona miarak aaminao hadio fa in-11 izy ireny koa no misy mycose fa tsy dia miraharaha dia voa ho azy ianao.Aza manao firaisana mandritry ny traitement fa tsisy dikany ilay izy.
18. diamondra27 ( 07/03/2007 07:40)
bazylou:

voretra ianao izany satria be mycose!!



ny anao koa de direct be foana le fomba fiteny hany ka na dia misy aza ny fahamarinany de tonga de sur la défense foana ny olona

ovay ndray zany ny filamatra e!

le fahavoretrana tenenin'i bazylou eto dia tsy hoe: tsy misasa angamba fa hoe tokony rehefa misy btsy fotsy le kilaoty satria zay no anisany mahatonga io micose io de mba tokony soloina matetika raha azo atao fa tsy andrasana 1 andro fa ohatra hoe: 2 fois/jour
rehefa avy miray aza mila misasa sy misolo kilaoty fa maika fa hoe mahita tasy de avela eo ihany ve io fa tsy soloina?
19. azzaro ( 08/03/2007 19:01)
misy ny mycose fa ny slipo tsy tasy mihitsy akory, ary raha hampianatra fahadiovana indray dia tsy dia izay no tena pbm fa zavatra afa! na tsy nisy izany aza ny tena mba nampiasa protège slipo ihany isan'andro dia iny no soloina mba tsy hitondrana slipo any anaty poketra (lol).
Izay mihitsy ny ahy no tsy tantiko amin'ity aretina ity satria rien à voir @ hygiène-ko ilay izy.
20. sakaizakely ( 08/03/2007 22:40)
ity fisokitsokirana ity wa tena tsy mety mintsy fa ajanony avy hatrany. fahadisoana be mintsy io a'ny vhv gasy. Tsy hygiène intsony fa tena hadalana io. Ny flore vaginale dia ilaina hiarovana ny vagin, ka raha sokirina io dia tsy ampy intsony ilay protection naturelle dia izany no mahatonga ny mikroba hiditra sy hitombe. Ny flore vaginale mivoaka ho azy miadana eny (perte quotidienne) ka tsy ilaina sokirina. Mino aho fa raha nolazainao ny dokotera izany hoe misikotra izany dia io no ho navaliny anao.

Ireny protège slip ireny koa dia mi-favoriser ny fisian'ny mycoses sy ny fiverimberenany satria matière syntétique ka ny fikasokasohany @ hatsembohana any anaty dia afaka miteraka mycoses ho an'ny olona sensibles. Manao toilettes indroa isan'andro sady soloina isaky ny misasa ny slip dia ampy izay. Ary rehefa misy mycoses izany dia tsaratsara kokoa tsy mampiasa afatsy slip 100 % coton.

Momba ny crème traitement indray, tsy any anatiny no anasiana azy fa ety ivelany dia ampy. Tokony ny dokotera no nametrahanao tsara fanontaniana. Ny ovules toy ny polygynax io no miasa manadio ny anatiny.

Rehefa voany mycoses matetika dia miverina foana izy rehefa sendra reradreraka iny, na somary manavy ohatra. Isaky ny mitranga dia manatona dokotera foana, dia arahina tsara ny traitement satria raha tsy vita aradalana dia lasa résistants ireo mikroba dia voatery mampiasa fanafody mahery be foana.

Tsy efa vita kosa ve moa izy izay ry Azzaro ?

Tsy misy fiantraikany @ taovampananahana ny mycoses, raha tsy hoe tsy voatsabo antaonany maro angaha. Tsy manakana anao hiteraka izany any aoriana any f'aza manahy. :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5385