Fampianarana ao Madagasikara ahoana marina?

1. kally ( 22/02/2007 18:55)
Gaga aho raha nahita ny fomba vaovao enti-mampianatra ny ankizy any @ fanabeazana fototra amin'izao.Asa na ny hahadonendrina ny ankizy no tanjona na ahoana fa dia tsy rariny loatra!
novalian'i lila ny 02/04/2007 10:47
2. pissoa ( 22/02/2007 19:01)
Fa ahoana le fomba vaovao :oops::oops::oops:
3. Fiffi ( 22/02/2007 19:32)
ahoana zany fomba vao2 zany ?
4. karinah ( 22/02/2007 23:03)
kally: tantarao hoe aky?:wink:
5. sitlo ( 23/02/2007 01:20)
Miandry ny olona ry kally ah.

Ohatra ny tsy andriko intsony fa aleo izaho tonga dia hamaly. Tena ny ahadonendrina ny ankizy marina angambany.
6. niryna ( 23/02/2007 05:08)
sitlo:

Miandry ny olona ry kally ah.

Ohatra ny tsy andriko intsony fa aleo izaho tonga dia hamaly. Tena ny ahadonendrina ny ankizy marina angambany.

Dia io efa voavalin'i sitlo io izany ilay izy kou8)

7. xxx ( 23/02/2007 05:25)
kally:

Gaga aho raha nahita ny fomba vaovao enti-mampianatra ny ankizy any @ fanabeazana fototra amin'izao.Asa na ny hahadonendrina ny ankizy no tanjona na ahoana fa dia tsy rariny loatra!

Nahoana??? fampianarana ve de hanana tanjona hanadonendrina ankizy??? zavatra roa mifanohitra zany??? tsy mazava:roll::roll::roll:
8. jentilisa ( 23/02/2007 08:01)
Adona ny endriny ahoana moa izany fa tsy azoko? Adona amin'inona?
9. kally ( 23/02/2007 09:08)
Miala tsiny fa somary sahirana kely aho hay ianareo sasa-niandry!
Ezahiko hazavaina eto na dia somary sarotsarotra aza io zava-mitranga io.
Mitaky zavatra tsy hay tanterahina na ho an'ny mpianatra na ho an'ny mpampianatra ny ministera.Tsy ampianarina ny ankizy fa miainga amin'ny zavatra hainy ny fampianarana azy.Raha ny tokony ho izy dia tokony hanana boky isan'ankizy, tsy ampy anefa ny boky ka dia lany andro manao kisarisary ho an'ny ankizy tsirairay (46 isan-kilasy)ny mpampianatra.
Raha mianatra famarana ohatra ny ankizy dia tsy mba omena hoe ny 1000ml havadika ho litatra, fa dia omena sarisary maromaro dia asaina asiany lakroa kely eo amabanin'izay heveriny ho mitovy amin'ny iray litatra.
Asa raha azonareo ny tiako ho lazaina. Vokany : tsato-piso fotsiny no ataon'ny ankizy rehefa fanadinana,rehefa tsy ilay faharoa ve tsy ilay fahatelo na ilay voalohany. Tsy hitan'ny mpampianatra tsara izay hanitsiana ny ankizy.
Ary farany , saika hadinoko,tsy misy intsony ny ankizy tsy afindra kilasy izany fa na mahay na tsy mahay misondrotra daholo.
10. xxx ( 23/02/2007 10:10)
Any @ sekoly rehetra ve ? publique et privée

Sao dia tsy azonao tsara ilay système na tsy mitovy @ nampianarana anao dia avy dia lazainao fa tsy mety ?

Sao dia ankizy vitsy no hitanao t@ io cas io na sekoly vitsy ? sao dia ny mpampianatra sasany fotsiny no manao an'izany ?

Izaho izao mahita fa ny fomba fampianarana efficace indrindra dia miainga @ zavatra hay

Manao kisarisary izany ve tsy manao sary 1 eny @ solaitra be dia ampy fa nahoana no manao sarisary ho an'ny 46 ny mpampianatra 1 ?

Bref tsy dia mino aho fa misy intention hoe tsy hahaizan'ny ankizy ilay izy
11. kally ( 23/02/2007 10:42)
xxx:

Any @ sekoly rehetra ve ? publique et privée

Sao dia tsy azonao tsara ilay système na tsy mitovy @ nampianarana anao dia avy dia lazainao fa tsy mety ?

Ho valiako ihany ianao na kanosa be tsy mampiseho solon'anarana aza!
Tsy olona tapi-pahaizana aho fa be ny mahay noho izaho ka izaho indray no handeha hirehareha fa ny fomba nampianarana ahy ihany no mety sy nahomby.Fa ity fomba fampianarana vaovao nampiharina ity dia lazaiko marimarina fa mampidi-doza, mandehana mijery raha tsy resy lahatra.

Tsy adala ny mpampianatra ka hanao kisarisary ho an'ankizy 46 raha azony natao teny @ solaitrabe izany! takiann'y fanjakana ny hanaovan'ny ankizy tsirairay fampiasàna ka tsy ny sary efa avy nofaritan'i Betoto no mbola handeha ho faritan'ikala Bozy indray.Noho izany tsy maintsy manana sary tsirairay ny ankizy. mandehana mijery hoy aho raha te hahita fa tsy misy tombotsoako hanakiana be fahatany eto!
12. xxx ( 23/02/2007 11:35)

Fa naninona no niakatra be :!:

Fa angaha izy ity moa tsy hoe discussion, raisina daholo izay hevitra misy sa tsy maintsy manaraka ny hevitry ny tompona sujet foana ? Oui Mse - Oui Madame, Oui Kally ... Io izao no tena hitako fomba fampianarana tsy mandeha

13. kally ( 23/02/2007 14:39)
xxx:

Fa naninona no niakatra be :!:

Fa angaha izy ity moa tsy hoe discussion, raisina daholo izay hevitra misy sa tsy maintsy manaraka ny hevitry ny tompona sujet foana ? Oui Mse - Oui Madame, Oui Kally ... Io izao no tena hitako fomba fampianarana tsy mandeha

Inona no niakatra be? Ilay soratra ve?
Tsy niteny aho hoe araho ny hevitro fa mijere mba hahita.

14. karinah ( 23/02/2007 14:49)
kally: tena hitako tsy hahomby marina aloh raha lay hoe na mahay na tsy mahy dia hasondrotra kilasy...ny tsy fahampian'ny ftvn koa manampy trotraka.:)
15. karinah ( 23/02/2007 14:49)
"na tsy mahAy" oups:)
16. xxx ( 23/02/2007 16:18)
kally:

Inona no niakatra be? Ilay soratra ve?
Tsy niteny aho hoe araho ny hevitro fa mijere mba hahita.

Ny mijery mba hahita fotsiny tsy mampandroso

Mba nofotorinao ve aloha izay mety ho antony sa faly ny hitsikera fotsiny ? Tsy adala akory ny ministera fa misy antony ao . Sady tsy olona 1 anie izany ministera izany e, misy olona marobe ao ary misy mandalina manokana ny atao hoe pédagogie ao

Aiza koa hisy ministera hanao izay "Hahadonendrina" ny ankizy ?
17. pissoa ( 23/02/2007 16:49)
Miala tsiny fa somary sahirana kely aho hay ianareo sasa-niandry!
Ezahiko hazavaina eto na dia somary sarotsarotra aza io zava-mitranga io.
Mitaky zavatra tsy hay tanterahina na ho an'ny mpianatra na ho an'ny mpampianatra ny ministera.Tsy ampianarina ny ankizy fa miainga amin'ny zavatra hainy ny fampianarana azy.Raha ny tokony ho izy dia tokony hanana boky isan'ankizy, tsy ampy anefa ny boky ka dia lany andro manao kisarisary ho an'ny ankizy tsirairay (46 isan-kilasy)ny mpampianatra.
Raha mianatra famarana ohatra ny ankizy dia tsy mba omena hoe ny 1000ml havadika ho litatra, fa dia omena sarisary maromaro dia asaina asiany lakroa kely eo amabanin'izay heveriny ho mitovy amin'ny iray litatra.
Asa raha azonareo ny tiako ho lazaina. Vokany : tsato-piso fotsiny no ataon'ny ankizy rehefa fanadinana,rehefa tsy ilay faharoa ve tsy ilay fahatelo na ilay voalohany. Tsy hitan'ny mpampianatra tsara izay hanitsiana ny ankizy.
Ary farany , saika hadinoko,tsy misy intsony ny ankizy tsy afindra kilasy izany fa na mahay na tsy mahay misondrotra daholo.

Karazana QCM ve ilay izy ry Kally ? Izaho koa aloha tsy dia mankafy ireny e, indrindra rehefa tsy tenenina hoe HAZAVAO. Manome vahana be loatra ny tsato-piso :-P sy ny hala-tahaka, sady tsy hahafahana mitaratra ny tena fahaizan'ilay ankizy avy eo. Tsy fantatra akory hoe azony ve sa tsia ilay izy, ary taiza no tsy azony.

Ilay hoe tsy midouble indray ! Izaho manokana aloha tsy mahita antony amelana ny ankizy kely hamerina kilasy e. Ilay T1-T2 angamba no marina kokoa. Satria ve izy ratsy soratra dia ampamerenana kilasy ? Sa tsy nahay nanavaka ny 3 sy ny 8 dia ampamerenana kilasy. Izaho mihevitra hoe hay ho azy ny zavatra toy izany avy eo, fa mila atomboka fotsiny :oops:
18. xxx ( 23/02/2007 17:03)
kally:

saika hadinoko,tsy misy intsony ny ankizy tsy afindra kilasy izany fa na mahay na tsy mahay misondrotra daholo.

Io kosa kaloha tsssssss, aiza koa isy zany!!! ka hahay ve ra zany??? Ny midouble ange misy hakony tsara ihany eeee, mba marary le ankizy avy eo refa nidouble, de mikezaka @ manaraka ary lasa mahay be ny vokany!!!
19. tywa68 ( 23/02/2007 17:11)
kally : amiko aloha tsy hoe io méthode io dia ampy hitsaràna hoe tsy lasa na hoe tsato-piso ! satria fomba 1 io hijerena raha mahay ilay zaza na tsia ! tsy manakana ny mpampianatra mampanao contrôles hafa mihitsy io.

Ny mi-redouble indray dia tokony hiteny ny mpampianatra raha tsy tokony hifindra ilay zaza, d inona tsara no antony ; anjaran'ilay RAD no manampy ny zanany koa e !
20. kally ( 23/02/2007 17:57)
tywa68:

Tsy mahazo mampamerina kilasy ankizy intsony ny mpampianatra aloha e! fa dia mifindra daholo.
Resaka ambony latabatra ka mora fa raha hitanareo anie ry reto izany ka mihoron-koditra ianareo e!fa dia aleo aho hitazana.
Marihiko fa ny sekoly tsy miankina @ fanjakana dia tsy nanaiky ny hanaraka io fomba fampianarana io fa dia ny ankizy mpianatry ny EPP no masaka ao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1971