Manindry, mizesta

1. Solitikabe ( 21/02/2007 23:57)
Tary @ tetsy sy teroa tary ito no entiko eto indray.
Mahagaga mihintsy fa tsy mety zakan'ny olona Malagasy toa ahy ny mahita ny namany faly mba milaza ny zavatra vitany. Fa dia lazaina manindry sy mizesta foana. Tsy haiko na io ilay atao hoe ory hava-manana na foto-pisainana ahoana loatra.
Raha raikitra ny resaka ohatra ka milaza ny nividianany ny akanjony sy ny marika aminy ny namana iray dia hoe be zesita. Raha milaza ny asa ataony ny olona iray fa hoe Tale ohatra dia lazaina fa matikambo.
Dia tonga amin'ny farany amin'ilay hoe, dia aleo tsy mifampiresaka intsony angamba.
Ka inona no mba hialana amin'io ry zareo?
novalian'i xxx ny 06/03/2007 12:55
2. LazaDaddy ( 22/02/2007 00:10)
Solitikabe>
1) mety misy fahamarinany ny an'ireo milaza ny hafa ho "matikambo sy be zesita". Kanefa koa tsy misy antony tokony iresahana @ besinimaro ny fahamatesakambon'ny hafa.

2) Raha vao milaza ny tsy anontaniana aloha matetika dia olona matikambo sy be zesita =))
3. xxx ( 22/02/2007 01:11)
Koa miresaha aza zavatra hafa e, ohatra oe aona ny nataoanareo tamin alina sa de oe be zesta koa v hoy izy, ny mety ho ataoany anefa de oe izaho koa mba hanao an'izany marina
4. sitlo ( 22/02/2007 02:29)
Aza mampiasa saina be wa dia tsy manao an'izany. Ireny akoho ireny fotsiny jerena. Tsy misaina mihitsy dia tsy mialonalona izany. ;-)
5. Solitikabe ( 22/02/2007 06:47)
Izany angaha.
Dia aleo mintatara ny ataon'ny hafa izany?
6. booboo ( 22/02/2007 08:27)
Mody dokafana ny fanao an'ireny dia nefa ny maso sy ny fitsiky @ io atao @ ilay maneso ihany...tonga saina ihany ny farany
7. mirana5 ( 22/02/2007 09:03)
Zaho koa efa sendra tafaresaka tamin'ireny olona ireny , dia henona fotsiny izy, zay no maha diavolana ny fony , dia tsy asiana quoi na commentaires,dia ny fiananao sy ny fisainanao mahazatra tohizina, aiza marary an doha @ zany moa é!!!!!
8. kally ( 22/02/2007 16:54)
Ankafizo ry reto ny fiainana fa fohy loatra a! aza marary an-doha amin'izany. Ary nahoana kosa moa no lazaina azy ny vidin'akanjonao sy ny marika nefa izy tsy nanontany akory? Sa nanontany izy?:D
9. sitlo ( 22/02/2007 21:48)
izany nge wa eh, ary ity kally ity kay misaina ihany indraindray. :wink:
10. LazaDaddy ( 22/02/2007 23:01)
Solitikabe:
Izany angaha.
Dia aleo mintatara ny ataon'ny hafa izany?
tsy mila mitantara fa mamirapiratra mankarary ny masony ho azy eny foana ianao e! @ izay aza lasa tambatambazany ho namany fa tsy enjehiny sy tsy ialonany :-*

11. xxx ( 22/02/2007 23:29)
Solitikabe:

Tary @ tetsy sy teroa tary ito no entiko eto indray.
Mahagaga mihintsy fa tsy mety zakan'ny olona Malagasy toa ahy ny mahita ny namany faly mba milaza ny zavatra vitany. Fa dia lazaina manindry sy mizesta foana. Tsy haiko na io ilay atao hoe ory hava-manana na foto-pisainana ahoana loatra.
Raha raikitra ny resaka ohatra ka milaza ny nividianany ny akanjony sy ny marika aminy ny namana iray dia hoe be zesita. Raha milaza ny asa ataony ny olona iray fa hoe Tale ohatra dia lazaina fa matikambo.
Dia tonga amin'ny farany amin'ilay hoe, dia aleo tsy mifampiresaka intsony angamba.
Ka inona no mba hialana amin'io ry zareo?
solitikabe: resaka efa nentiko teto koa io, resahanao io, indray tokoa de tena manahirana ny mifampiresaka @ olona, (na ny vazaha koa aza ka), satria na tsy manana eritreritra hoe hizesta aza ianao, fa resaka tsotra, mba mizara ny hafalianao, ohatran'io lazainao io, hoe nividy an'izao aho, sns..;tonga dia hafa fona ny fandraisan'ny ilay olona hiresahanao @ izany, ny fanafodin'io angamba ry solitikabe, de tsisy afa -tsy ny tsy firaharahiana, satria inona moa ny hananana namana, rah atsy hifampizaràna izay manjo? rehefa tsy ratsy fotsiny ny sainao de izay no zava-dehibe, fa raha izany no hataony hanapahana ny fihavananareo (ohatra) de aleo koa tsy nisy, fa tsy namana velively izany amiko.

12. karinah ( 22/02/2007 23:35)
kally:

Ankafizo ry reto ny fiainana fa fohy loatra a! aza marary an-doha amin'izany. Ary nahoana kosa moa no lazaina azy ny vidin'akanjonao sy ny marika nefa izy tsy nanontany akory? Sa nanontany izy?:D
Kally: ka mety tsy nihevitra hoe handrangitra:lol: anie izay ilay olona no niteny an'ilay izy fa hafaliana e, mba faly fotsiny ohatra.:P

13. niryna ( 23/02/2007 05:06)
Tsy misy mitovy ny fisainan-tsika tsirairay,ny omby indray mandry tsy indray mifoha.Misy olona mora tohina,misy olona midedaka, misy olona mandray antendrony,misy ny tsy faly hava-manana,misy ny be fialonana,misy ny maneso foana sy manaboka izay tenenin'ny olona.Anjaranao ny mandanjalanja,rehefa fantatrao fa tsy tianao ny toetrany dia ataovy hanatra amin'ny manaraka.Mila mianatra fiainana sy fiaraha-monina isan'andro isika.Sarotra ny mitondra tena kanefa mora ny mitondra tehina.Ny vaha-olana nandaitra sady mbola mandaitra amiko hatramin'izao dia ny mangina rehefa manao heso-teny ilay olona dia jerevana @ny masony fotsiny izy ary tsy mila mamaly akory.Izy mihevitra hoe nahavoa,ianao koa mihevitra hoe "ny laferina mandina hono dia noho ny fandeferana":*
14. mirana5 ( 23/02/2007 09:51)
niryna:

Hanatra io zolizoli=D=D=D=D=D
15. kally ( 23/02/2007 10:44)
sitlo:

izany nge wa eh, ary ity kally ity kay misaina ihany indraindray. :wink:

mhmm! ianao anie ry sitlo ka hizestiavako eo e!:lol:

16. soanja ( 25/02/2007 00:23)
Solitikabe:

Tary @ tetsy sy teroa tary ito no entiko eto indray.
Mahagaga mihintsy fa tsy mety zakan'ny olona Malagasy toa ahy ny mahita ny namany faly mba milaza ny zavatra vitany. Fa dia lazaina manindry sy mizesta foana. Tsy haiko na io ilay atao hoe ory hava-manana na foto-pisainana ahoana loatra.
Raha raikitra ny resaka ohatra ka milaza ny nividianany ny akanjony sy ny marika aminy ny namana iray dia hoe be zesita. Raha milaza ny asa ataony ny olona iray fa hoe Tale ohatra dia lazaina fa matikambo.
Dia tonga amin'ny farany amin'ilay hoe, dia aleo tsy mifampiresaka intsony angamba.
Ka inona no mba hialana amin'io ry zareo?

Rah io indray ry Solitikabe de tsy hiala amin'ity firahamonina misy antsika ity fa ny attitude hiatrahanao azy no hany vahaolana. Tsy adala mihitsy mantsy ny vaza raha nilaza ny fisian'ny complexes. Somary aretina io ary azo matetika , vokatry ny tontolo niainany sy ny nitaizana azy ary ny kolontsaina nianjady taminy. Aza omena tsiny izy rehafa toy izany.

17. linarako2 ( 02/03/2007 23:18)
Vahaolana:tsy ny fijery aty ivelany no mikaonty fa ny maha-ianao- anao ao anatiny.Mila manova toe-tsaina ny olona be fialonana satria tsy ahatonga azy ho toy ilay olona mihitsy io fialonana io.Hitako eto ohatra misy olona manenjika ny namana foana.Rehefa vakiana anefa ny hevitr'ity enjehina tena manana zavatra azo alaina mihitsy izy.Rehefa jerevana kosa anefa ity mpanenjika(manindry,mizesta) toa be fialonana,hay ilay isa no mety atahorany ho voasongon'ilay iray izy.Kanefa anie ity mpanenjika tsy manana sujet ho resahina mihitsy e :P:P.Izy mihevitra tsy misy mpamaky ny hevitra rehetra ato.Mety tsy mandray anjara izahay fa mandray izay hevitra tsara kosa.
18. niryna ( 05/03/2007 01:43)
linarako2:

Izaho koa mieritreritra io teneninao io.Tsy voatery hanana sujet fa afaka mamaly ny namana izay manome.Ilay fialonana aloha dia efa any amin'ilay olona mihitsy io,toy izany koa ilay hatezerana.Raha hanindry olona foana no ataoko ato,inona koa ny foko no ratrako amin'ny tsy misy dikany tsy aleo tsy mijery serasera intsony.

19. rush ( 05/03/2007 06:38)
ary fa maninona kay zay lazain'i linarako2 sy niryna toa tsy misy afats'ireo hoe isa,fanenjehina,fihalonana sns? fa iza no mialona?fa iza no manenjika?fa iza no henjehina?
20. sitlo ( 05/03/2007 08:51)
vakio hatramin'ny voalohany dia ho hitanao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3002