Taiza no nanomboka ny fahotana ary iza no nitarika azy?

1. niryna ( 21/02/2007 07:45)
Raha mieritreritra dia misy fiandohany daholo ny zavatra rehetra ary ity fahotana resahina isan'andro ity taiza no nanomboka ary ahoana no fandehany? Iza no nitarika azy?
Arosoy ary ny resaka!:D
novalian'i prime ny 13/03/2007 13:42
2. rush ( 21/02/2007 09:27)
niryna:
taiza no nanomboka ary ahoana no fandehany? Iza no nitarika azy?
tany an-tsahan'ny edena , Adama sy Eva


3. nathie86 ( 21/02/2007 09:32)
Fa tsy ny menarana ve no nitondra ny faka-panahy ho an'i Eva e de namomboka niseho ny ratsy sy ny tsara ary nahitana ihany kou tsy fanarahana-lalàna. Noho izany ny menarana zany no nitondra ny fahotana.
4. ndrena ( 21/02/2007 09:34)
tany an-danitra no nisian'ny fahotana voalohany ka.Rehefa niavonavona losifera dia nazeran'Andriamanitra,izay izy vao nampiely fahotana tao @ saha edena ary mbola mitohy mandrak'ankehitriny zany;
5. prime ( 21/02/2007 11:22)
Mitovy hevitra amin'i ndrena aho eto...
6. Fiffi ( 21/02/2007 11:35)
aleo zah aloha hamaky zay lazainareo momba an'io....
7. majesty ( 21/02/2007 11:48)
Nitsiriritra ny toeran'Andriamanitra ralosy,dia notarihiny ny Anjely izay teo ambany fifehezany hikomy hanohitra an'Andriamanitra,ary voalaza any @ Apokalipsy any hoe nisy ady lehibe; tany an-danitra dia t@ izay no nandroahana an'i Losifera sy ny miaramilany,ary avy eo dia nampandrosoin'i Eva sy Adama teto @ ty tany ity izy t@ alalan'ny fihinanana an'ilay voankazo voarara,dia tafiditra teto an-tany ny satana sy ny fahotana ka nahatonga an'zao fitotonganana rehetra izao na @ lafiny inona na lafiny inona,kanefa soa ihany fa nisy an'ilay Jesosy izay noho ny fitiavany antsika dia natolony ny ainy ho fanavotana antsika ka nahareseny ny fahafatesana izay vokatry ny fahotana teo @ hazo-fijaliana ka hanan-tsika antoka indray fa efa fahavalo resy kay ilay menarana ela na i Satana :D
8. routa ( 21/02/2007 11:58)
tena poma tokoa ve sa fanoharana io ?
9. nathie86 ( 21/02/2007 14:20)
mety hoe fitsapana nataon'Atra io fahotana io hoe tia azy tokoa ve ny olona sa manaiky azy @molony fotsny.Sa? tsy aiko
10. xxx ( 21/02/2007 19:11)
Tamin'ny olona nanomboka nampiasa vola?8O
11. linarako2 ( 21/02/2007 19:13)
nathie86:

mety hoe fitsapana nataon'Atra io fahotana io hoe tia azy tokoa ve ny olona sa manaiky azy @molony fotsny.Sa? tsy aiko

Tsy aiko koa ny valiny.

12. fijo ( 21/02/2007 22:55)
tantara izany fa io dia mbola ao antsaina ihany koa no hiantombohany.ny sainao ihany no mamorona ny faotana hoatao na tsia
13. soanja ( 22/02/2007 06:38)
niryna:

Raha mieritreritra dia misy fiandohany daholo ny zavatra rehetra ary ity fahotana resahina isan'andro ity taiza no nanomboka ary ahoana no fandehany? Iza no nitarika azy?
Arosoy ary ny resaka!:D


Ny fahotana dia tsy misy fa ny hatsarana no misy. Ka rehefa tsy eo io dia azo lazaina fa nanota ny olona iray.

Ny atao hoe "fahotana" na sin dia zavatra tsy tanteraka na tsy natao na hadino na nisolifaka.
Zany hoe raha nanadino ny olona iray nanao soa dia nanota izy. Miankina amin'ny tsirairay ny atao hoe fanaovantsoa. Anjaran'ny tsirairay no mahafantatra ny fahotany zany.

Raha ny amiko dia soa daholo ny zavaboarin'Andriamanitra ary ilaina hatao soa hitazomana izany fahasoavana sy hatsarana izany foana. Ny nanombohan'ny fahotana izany dia tsy fantatra hoe oviana satria ny fisiany aza mety tsy azoko vinaniana.


14. niryna ( 22/02/2007 06:40)
fijo:

tantara izany fa io dia mbola ao antsaina ihany koa no hiantombohany.ny sainao ihany no mamorona ny faotana hoatao na tsia

Misaotra anao,raha izay no fantatrao fa izy.

15. niryna ( 22/02/2007 06:41)
rush:

niryna:
taiza no nanomboka ary ahoana no fandehany? Iza no nitarika azy?
tany an-tsahan'ny edena , Adama sy Eva




Mbola nisy talohan'io rush a.

16. niryna ( 22/02/2007 06:42)
nathie86:

Fa tsy ny menarana ve no nitondra ny faka-panahy ho an'i Eva e de namomboka niseho ny ratsy sy ny tsara ary nahitana ihany kou tsy fanarahana-lalàna. Noho izany ny menarana zany no nitondra ny fahotana.

Ka iza ilay menarana?

17. niryna ( 22/02/2007 06:43)
Fiffi:

aleo zah aloha hamaky zay lazainareo momba an'io....


Aingana aky indry fiffi a ,maika ahalala ny tantara izahay a 8)
18. niryna ( 22/02/2007 06:47)
ndrena:

tany an-danitra no nisian'ny fahotana voalohany ka.

Bravo ndrena a (l). Omeo:* mipoakasy sy =D mirefodrefotra izy

19. niryna ( 22/02/2007 06:54)
nathie86:

Fa tsy ny menarana ve no nitondra ny faka-panahy ho an'i Eva e.

Manao ny ahy io.:D.Marina fa ny menarana no nanome-fakam-panahy an'i Eva ihinana ny voakanzo voarara dia nomeny koa Adama.Rehefa nanontanian'Atra Adama ny antony nihinany an'io dia hoy izy hoe "ny vehivavy nomenao ahy no nanolotra ahy io ka dia nihinana aho."Teto no nanomboka ny fanomezan'olombelona tsiny ny hafa(fanasoketana angamba no filaza azy,tsy miaiky ny eloka raha atao mazava." Talohan'io no efa nisy ny fahotana.

20. niryna ( 22/02/2007 07:02)
majesty:

Nitsiriritra ny toeran'Andriamanitra ralosy,dia notarihiny ny Anjely izay teo ambany fifehezany hikomy hanohitra an'Andriamanitra,ary voalaza any @ Apokalipsy any hoe nisy ady lehibe; tany an-danitra dia t@ izay no nandroahana an'i Losifera sy ny miaramilany,ary avy eo dia nampandrosoin'i Eva sy Adama teto @ ty tany ity izy t@ alalan'ny fihinanana an'ilay voankazo voarara,dia tafiditra teto an-tany ny satana sy ny fahotana ka nahatonga an'zao fitotonganana rehetra izao na @ lafiny inona na lafiny inona,kanefa soa ihany fa nisy an'ilay Jesosy izay noho ny fitiavany antsika dia natolony ny ainy ho fanavotana antsika ka nahareseny ny fahafatesana izay vokatry ny fahotana teo @ hazo-fijaliana ka hanan-tsika antoka indray fa efa fahavalo resy kay ilay menarana ela na i Satana :D

Misaotra anao fa io no valiny fantatro koa nahatonga ny fahotana voalohany.Satria Satana dia efa nisy ary izy no jiron'izao tontolo izao( izany koa no nakany fanahy an'i Jesosy hoe omeko anao izao rehetra izao raha miankohoka amiko ianao)Te-haka ny toeran'Atra izy na dia nomen'Atra ny safidy hatramin'ny voalohany aza ny rehetra.Rehefa nidina tety an-tany indray izy dia nanomboka nanova tarehy ho menarana ary dia naka fanahy an'i Eva.Taorian'io izany no nanota i Eva sy Adama.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4073