Taiza no nanomboka ny fahotana ary iza no nitarika azy?

21. niryna ( 22/02/2007 07:06)
routa:

tena poma tokoa ve sa fanoharana io ?

Toa fanoharana no fahalalako an'io fa ny sary taty aoriana no nanao azy ho paoma hany ka lasa misy jus de pomme d'Adam.
Voakazo voarara no filazana azy.Fa toa tsy nahita aho hoe paoma voarara=))=))Asa aloha e.Sao dia nisy nahita ianareo hoe paoma no soratra tao ?:miam::miam:


22. niryna ( 22/02/2007 07:08)
Misaotra an'i soanja.:D
23. nathie86 ( 22/02/2007 14:31)
ra mijery ny adi-hevitra ato za de ôtran'ny hoe A/tra ihany no niantombohany fahotana.
hoy saoanja hoe "ny fahotana de tsy misy fa ny fahatsarana" de hoy ndray izy " Ny zavaboary n'A/tra de tsara avokoa"
Ra tsara zany io de tsara koa ny fahotana an?
24. fijo ( 22/02/2007 23:13)
nareo lereto de tena mampiomehy.aiza ko misy menarana sns.satria izay no voalaza tao anaty baiboly dia atao tsianjery be eto.mba io fanazavan'i soanja io iza mba mitombona ngamba,fa tsy menarana sns,tssssssss
25. majesty ( 23/02/2007 05:50)
soanja:

Ny fahotana dia tsy misy fa ny hatsarana no misy



Rehefa misy ny andro dia misy ny alina,rehefa misy hatsiaka dia misy hafanana ary raha misy hatsarana dia misy ny haratsiana.


Hoy fijo:
ny sainao ihany no mamorona ny faotana hoatao na tsia


amin'ny fijo ve zany dia azo atao daholo ny zavatra rehetra na dia ny hoe mamono olona aza rehefa tsy eritreretin'ny saina hoe fahotana izany "misy danger be amin'io hevitrao io raha lasa foto-mpampianaran'ny be sy ny maro fa enga anie mba ho ise ihany no manana an'io foto-kevitra io satria raha mitohy io dia azoko ho antoka fa hamangy an'ise eny ambany atsinanana aho na mety ho eny tsiafahy mihitsy aza sanatria ato ho ato"
26. niryna ( 23/02/2007 06:39)
nathie86:

ra mijery ny adi-hevitra ato za de ôtran'ny hoe A/tra ihany no niantombohany fahotana.
hoy saoanja hoe "ny fahotana de tsy misy fa ny fahatsarana" de hoy ndray izy " Ny zavaboary n'A/tra de tsara avokoa"
Ra tsara zany io de tsara koa ny fahotana an?

Ka io no mora hianarana sady haingana ho an'ny hafa kou

27. niryna ( 23/02/2007 06:40)
fijo:

nareo lereto de tena mampiomehy.aiza ko misy menarana sns.satria izay no voalaza tao anaty baiboly dia atao tsianjery be eto.mba io fanazavan'i soanja io iza mba mitombona ngamba,fa tsy menarana sns,tssssssss

Naka ny toeran'ny menarana izy fijo a.

28. prime ( 23/02/2007 07:30)
Fanamarihana : araka ny Soratra Masina dia tsy ilay fihinana an'ilay paoma no atao hoe fahotàna (raha ny momba an'i Adama sy Eva) fa ny tsy fanarahana ny Tenin'Andriamanitra... mandrak'ity ny androany, ny atao hoe fahotàna dia mbola io tsy fihainoana, tsy fanarahana, tsy fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny Teniny io hatrany... ary izany no mahaota ny zavatra nataon'i satàna sy ny forongony tany an-danitra, dia ny fanoherana, ny fandikàna ary ny filàna haka ny toeran'Andriamanitra, tsy fankatoavana sy fanoherana tsotra izao, nefa dia anjely ireo fa tsy mba olombelona akory...
29. nathie86 ( 23/02/2007 13:08)
majesty:

enga anie mba ho ise ihany no manana an'io foto-kevitra io satria raha mitohy io dia azoko ho antoka fa hamangy an'ise eny ambany atsinanana aho na mety ho eny tsiafahy mihitsy aza sanatria ato ho ato"[/b][/i]


Aza mampihomehy re an:-D:-D:-D:-D
mamono olona kosa fa de tsy ho ratsy @ sain'i Fijo e


30. prime ( 23/02/2007 13:55)
nathie86:
ra mijery ny adi-hevitra ato za de ôtran'ny hoe A/tra ihany no niantombohany fahotana.
hoy saoanja hoe "ny fahotana de tsy misy fa ny fahatsarana" de hoy ndray izy " Ny zavaboary n'A/tra de tsara avokoa"
Ra tsara zany io de tsara koa ny fahotana an?
... tsara fipetraka ilay fanamarihana...
31. fijo ( 23/02/2007 23:26)
majesty an,misy tokoa ny famonoana olona nefa tsy fahotana.ohatra ,rehefa misy tany miady,dia tsy fahotana ny famonoana ny fahavalo fa adidy.ary na krstianina ,na silamo samy nanao ary mbola manao an'io.
za dia nilaza fa tsy mila mino vao mahalala fa ratsy ny zavatra iray.ny mangalatra ohatra ,na tsy mino aza dia mahalala fa ratsy izany.
32. soanja ( 26/02/2007 00:54)
"Ny fahotana" sy ny hoe "fandikana lalana" anie samihafa be e.
Afaka mandika lalana aho nefa tsy mahatsiaro hoe nanota. Ohatra hoe tsy mijanona jiro mena rehefa mitondra fiara fa variana niresaka tamin'ny cellphone.
Amiko rehefa mamono olona ianao na anaty ady na tsia de manota. Satria sitraponao ny hiditra amin'izany na manao sorona ny tenanao ka tsy hanaiky ny didin'ny hafa hampaniraka anao hanota.
Eo no mitranga ny atao hoe martiry sns.
33. fijo ( 27/02/2007 22:44)
an an tsy voatery fahotana rah amamonoolona amin'ny ady ka.adidinao ny manao izay aharesy ny fahavalonao.ka izay dia fomba iray handresena azy
34. niryna ( 12/03/2007 03:26)
fijo:

an an tsy voatery fahotana rah amamonoolona amin'ny ady ka.adidinao ny manao izay aharesy ny fahavalonao.ka izay dia fomba iray handresena azy

Marina io teneninao io voatery ilay olona hanatrika ady toy ny tranga fahiny izay naripan'Atra daholo ny mpanota rehetra satria nanao fahotana.Raha voatery hamono olona izy noho ny tanindrazany dia afaka hamela azy Atra raha mibebaka izy.Isika aza anie omena chance lava izao e noho ny fitiavan'Atra antsika e.Manao ratsy dia mibebaka,rehefa mahatsiaro saina fa tsy mety iny.Ny fahalalana ny tenin'Atra no mahatonga antsika tsy hanaonao foana na hanota

35. prime ( 13/03/2007 13:42)
Ilay \"concept\"\'ny fahotàna mihitsy no mahasamihafa ny resaka misy raha izao...

Ny an\'i fijo ny fahotàna dia izay rehetra tsy mitombina ara-piaraha-monina, antony anaovana zavatra iray ka miteraka vokatra mety ho ratsy mety ho tsara ihany koa nefa... ny an\'i soanja indray dia ny fahotàna dia ny tsy fanajàna ilay tsara ao anaty, sy tsy fanajàna ny zava-boahary ary ny tontolo iainana amin\'ny ankapobeny (indrindra ny aina)... ny lazain\'ny soratra masina indray dia izay rehetra tsy fankatoavana ny sitrapon\'Andriamanitra no atao hoe fahotàna, ka na ady io (fidiran\'ny zanak\'Israely tany Kanàna, ady tamin\'ny Filistina nataon\'i Saoly Mpanjaka...) na fandripahana noho ny fahavetavetàn\'ny firenena sy ny fandikàna ny didy(Zanak\'Israely tany an\'efitra, Zanak\'Israely natao andevo tany Babylona, Sôdôma sy Gômôra...) dia tsy ota izany satria izany mihitsy no sitrapon\'Andriamanitra... ary tsy azo adino fa nisy Mpaminany hatrany niaraka t@ tafika tamin\'izany ary tsy maintsy nisy fombam-pisoronana natao sy faminaniana nambara vao miady fa tsy miadiady fahatany ihany koa nefa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0269