Finoana sy fahasoavana
1. niryna
(
20/02/2007 09:01)
Io indray izany no mba ho dinihintsika rehetra eto.Ny atao hoe finoana sy ny atoa hoe fahasoavana.
Ahoana ny fomba nahatonga ahy sy ianao nanana finoana an'Atra?.Inona no fahasoavana nomeny ahy sy anao?
Fa fahasoavan'Atra no nahatoa izao antsika.
Raha misy moa tia mijery baiboly na manana fotoana kely hijerevana ny finoana:roll: dia hita ao amin'ny Heb 11 Mahafaly ny mizara izay zavatra mahasoa na fanontaniana manitikitika ka isika rehetra no irina hifampianatra sy hizara ny manta sy ny masaka.
Misaotra e:D
(l)niryna

novalian'i niryna ny 12/03/2007 03:22
2. prime
(
20/02/2007 11:09)
Ny finoana? ny atao hoe mino?... ireto aloha no azoko lazaina :
mandre, mihaino, manaiky, mahatoky, manambara, miasa, mitia... an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, ilay Teny tonga nofo, mitondra ny fahazavàna ho an'izao tontolo izao, ilay Zanak'Andriamanitra feno sy tanteraka...
Ny fahasoavana?
Raha ny fahafantarako azy dia fitahiana manokana ka anomezana talenta sy fenitra mahaizy azy ny tsirairay, vokatry ny fitavan'Andriamanitra ny olona iray...
... hatreo aloha...

3. HESHA
(
20/02/2007 14:13)
ra za ndray, ny finoana dia andraikitra amiko. Adidy satria za mpiteny hoe vavaka tsy arahin'asa zany tsy misy dikany. Ny mpino zany amiko manokana dia ireo izay mandray an'i Jesoa ary Manaiky sy Mampihantra ny fampianarany eo am fiainany. Zany oe tsy ho izy rehetra satria ianao tsy tapitr'ohatra.
ny fahasoavana dia izay rehetra miseho am fiainanao ka ekenao fa avy amin'ny finoanao. Ohatra hoe ny skafo haninao isanandro dia efa fahasoavana satria ianao misaotra ny Ray nanome izany va mihinana, sa ...?

4. prime
(
20/02/2007 15:19)
hesha> Efa voalazako fa ... miasa ary koa mitia... ny olona mino fa tsy manambara fotsiny...
Ilay hoe tsy ho izy rehetra no mahagaga ahy kely... fa maninona no ampahany? tsy resaka tapitr\'ohatra fa ilay fampiharana sy fankatoavana ny sitrapony ve tsy hoe izy rehetra?...
Hafa mantsy ny hoe vao anatanteraka zavatra iray dia efa mampilamina saina hoe tsy izy rehetra no ampiharina.... sy ny hoe vao manomboka dia efa mivonona ny hanatanteraka azy rehetra ka raha misy ny tsy lavorary amin\'ny mahaolona dia fahalavoana mandalo izany fa ny amin\'ny manaraka tsy mahavoa intsony...
Mba hazavao raha azo atao ny tianao ambara...

5. xxx
(
21/02/2007 19:07)
Tsy misaraka ireo araka ny fahafantarako azy.Tsy mila miasa isika fa mino azy fotsiny satria tsy ny asa vitan-tsika no manankery.Zavatra tsy hita maso kanefa ekena ny fisiany izay no dikan'ny hoe finoana amiko.Ny fahasoavana indray dia izay rehetra nomeny ho ahy ary tsy noratoviko fa nomeny maimai-poana ny sasany .
Kanefa teraka koa ohatra dia nahazo fahasoavana :roll:
Finoana zavatra tsy hita maso,fahasoavana hita maso:P

6. fijo
(
21/02/2007 23:00)
ny finoana an'andriamanitra aloha dia zavtra nampidiorina tao mada io,mba hanjanahana antsika.de rehefa voazanaka moa ny saina dia mora ny nampiditra ny rehetra.
ka ny finoana izany dia zavatra nampidirina.
ny fahasoavana indray amiko,dia ny tsirairsy no mitady sy mety ahita azy

7. soanja
(
22/02/2007 07:00)
Ny finoana dia ilay fahatsapana tsy azo tsapain-tanana fa misy Andriamanitra ary mitahy izy. Mahery noho ianao sy tia anao ary manantena anao hanompo azy izy.
Ny fahasoavana indray dia ilay hatsarana nomeny (ilay finoana) vokatrin'ny asa nataonao na tsy nataonao ka ahafahanao miriria sy manasoa ny manodidina anao.

8. Harisoam
(
22/02/2007 07:20)
Ny Finoana ndray amiko d ny fanekena avy amin'ny fo sy ny saina tsy misy fepetra na ady hevitra na porofo na zavatra hafa,ohatra voalohany ary tena marina dia ny hoe misy Andriamanitra ary Jesosy Kristy tsy asina ady hevitra izay fa na manaiky na manda dia izay zany ny finoanao,araka ilay teny oe ny Finonao no Mahavonjy anao ary sambatra izay tsy mahita nefa mino.
Ny Fahasoavana ndray dia vokatry ny finoana,araka izany oe maha fahasoavana azy zany dia zavatra tsara izany,ary nefa tian'Andriamanitra handray izany daolo ny olona reetra na ny mino na ny tsy mino Azy satria Izy efa nitia antsika taloha sy ankehitriny ary mandrakizay fa na dia ny fisiana ety @zao tontolo zao ty ary d efa noho ny Fahasoavany,eny fa na dia hatramin'ny olona mpanota be aza d omeny iany ze tokony no tandrify na sahaza azy fa ny olona fotsiny indraindray no tsy mahatsapa izany.
9. cutie
(
22/02/2007 21:51)
: fijo [ Valio ] 22-02-2007 00:00:24
Lohateny : Re : Finoana sy fahasoavana
ny finoana an'andriamanitra aloha dia zavtra nampidiorina tao mada io,mba hanjanahana antsika.de rehefa voazanaka moa ny saina dia mora ny nampiditra ny rehetra.
ka ny finoana izany dia zavatra nampidirina.
ny fahasoavana indray amiko,dia ny tsirairsy no mitady sy mety ahita azy
miobon-kevitra :lol:
10. fijo
(
22/02/2007 23:25)
marina ko io voalzan'i harisoam io.
misy zavatra iray lazaina,de na mino na tsy mino dia samy finoana izay.

11. niryna
(
23/02/2007 06:55)
[quote=xxx]
Dia ampiko kely ny an'i xxx hoe finoana zavatra tsy hita maso kanefa mino ny fisiany,ary ny fahasoavana dia hita mivaingana.Samy nomena ho antsika daholo anefa ireo ka izany no hisaorana Azy,satria raha tsy nomeny hery hanana finoana ianao dia ho zava-poana izany.Raha tsy mankasitraka sy misaotra ny fahasoavana nomena anao koa anefa ianao dia ho foana daholo izany fifaliana izany.Asa aloha ny eritreritry ny hafa e
Finoana zavatra tsy hita maso,fahasoavana hita maso:P
Dia ampiko kely ny an'i xxx hoe finoana zavatra tsy hita maso kanefa mino ny fisiany,ary ny fahasoavana dia hita mivaingana.Samy nomena ho antsika daholo anefa ireo ka izany no hisaorana Azy,satria raha tsy nomeny hery hanana finoana ianao dia ho zava-poana izany.Raha tsy mankasitraka sy misaotra ny fahasoavana nomena anao koa anefa ianao dia ho foana daholo izany fifaliana izany.Asa aloha ny eritreritry ny hafa e
12. prime
(
23/02/2007 07:42)
fijo> Tsy zavatra nampidirina ny finoana an'Andriamanitra raha teo amin'ny Malagasy fa raha ny finoana kristiana no lazainao ho nampidirina dia ekena...
Efa mpino an'Andriamanitra hatr@ izay ny Malagasy...

13. Mandefitra
(
23/02/2007 09:47)
Efesiana 2:8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;
15. HESHA
(
23/02/2007 16:14)
prime > ianao mieritreritra oe vitanao daholo ilay nolazainy ohatra, nefa Izy mahita fa ampahany no vitanao dia efa ekeny.
Ianao mieritreritra hoe efa be izay vitako izay indray nefa Izy avy eo mahita fa tokony nanao bebe kokoa ianao, dia ahoana avy eo ny tohiny?
Izay ilay ataoko hoe tsy tapitr'ohatra kanefa tsy tokony hionona amin'izay fa mila mikendry ambony kokoa hatrany
xxx > fa nahoana no tsy mila miasa isika ? satria ve ianao Mpino dia mieritreritra fa raha tsy arahinao asa ny finoanao dia hisy zava-tsoa azonao fotsiny (avy @ ilay finoanao).
ny teraka dia Fahasoavana kanefa raha hiteraka ve ianao dia tsy misy asa na tsy mitaky asa avy aminao ilay izy, tsy afaka hoe hiteraka ahy dia hiandry izay figadonany eo, sady ianao koa tsinona tsy ho bevohokan ny Fanahy Masina

16. fijo
(
23/02/2007 23:28)
prime,raha mpino an' andriamanitra hatrizay ny gasy,tsy nanenjika ny kristianina ranavalona
17. Salut
(
24/02/2007 20:39)
Fijo: Iza moa no namorona ny teny hoe: Andriamanitra, Zanahary, Andriananahary? Moa ve tsy ny Malagasy ihany? Noho izany dia nino an'Andriamanitra ny Malagasy hatramin'izay fa saingy tsy mbola nahalala kosa an'i Kristy raha tsy taty aorina.
18. fijo
(
27/02/2007 22:53)
tamin'ny za nianatra malagasy dia tsy mitovy ny andriamanitra sy ny andriananahary.
19. niryna
(
12/03/2007 03:22)
fijo:
prime,raha mpino an' andriamanitra hatrizay ny gasy,tsy nanenjika ny kristianina ranavalona
Sstria izy nino ny andriamanjakany ary ny andriana no nataon'ireo fanasina sy hivavahana ka noho izany izay tsy nanaraka azy dia noenjehiny,nampisotrony tangena ary navalany teo Ambohinampamarinana sy nahantony velona.Inona anefa no nitranga?"Niseho ny boky izay nodorana kanefa tsy levona dia ny baiboly izany.