Vcd porno

1. Lalah ( 19/02/2007 18:56)
Raharaha “vcd porno”. Aiza ny firaisan-kinan’ny artista ?
19-02-2007 / 14:28
Asa na noho ny andro sabotsy ary tampoka ihany koa ny fitrangan-javatra fa tsy voahomana no nahatonga ireo artista naman’izy ireo tsy nisy tonga nanome hery azy ireo teny an-toerana.

Tamin’ny marainan’ny sabotsy 17 febroary teo no niatrika mpitsara mpanao famotorana ilay raharaha mikasika ireo mpivarotra “vcd porno” izay naha voahoso-potaka ireo artista vehivavy malaza teto amintsika. Asa na noho ny andro sabotsy ary tampoka ihany koa ny fitrangan-javatra fa tsy voaomana no nahatonga ireo artista naman’izy ireo tsy nisy tonga nanome hery azy ireo teny an-toerana.

Ny toe-javatra toa ireny anefa dia tena ilaina fanohanana ara-moraly sy ara-batana mihitsy mba hahafahany miatrika ny fahavalo iombonana nefa toa tsy hita taratra akory izany. Ary iarahan’ny rehetra mahalala fa tsy fahadisoan’izy ireo velively no nahatonga azy ho eny fa fanosoram-potaka sy fanimbana ny maha izy azy no hitolomany ka nikarohany ireo nahavanon-doza.

Ny fanantenana lehibe sy goavana indrindra dia ny hahazoana ireo ati-doha mpamatsy ireo kapila ireo sy ny mpanamboatra azy.

Fa mba iza zany artista voa-hosopotaka zany ry reto? misy mahalala ve ny fandehan io.Gravy koa zany.
2. Fiffi ( 19/02/2007 22:35)

Sarimihetsika mamoafady
Olona efatra naiditra am-ponja
Tratran'ny mpanakanto ihany ireo nanoso-potaka sy nanala baraka azy tamin'ny fanamboarana sary hampilalaovana mpanakanto amin'ny fihetsika mamoafady.

Enin-dahy no indray nosamborin'ny polisy tamin'ilay fanapariahana sy famarotana kapila manjelatra misy fihetsika mamoafady misy ny sarin'ireo mpanakanto telo vavy , dia i Volatiana, i Tosy ary i Mima. Saingy ny efatra tamin'izy ireo ihany, taorian'ny fanadiadian'ny mpitsara mpanao famotorana no notanana am-ponja. Ny roa ambiny nomena fahafahana vonjimaika.
I Volatiana mihitsy no nitory, nitondra ny raharaha teo anatrehan'ny manam-pahefana. Izy mihitsy mantsy, raha ny fanazavany, no nahatratra an'ilay tovolahy iray, 17 taona, nivarotra an'ity kapila manjelatra ity teo aminy. “Teny Bel'Air izaho sy ny namako, ny alarobia teo, no nifanena tamin'ity tovolahy mpivarotra. Tao anaty fiara teo amin'ny tobin-dasantsy iray teny an-toerana izahay tamin'io no tamy nanatona anay ity tovolahy mpivarotra. Teo amin'ireo namako izy no nanatona ary tonga dia niteny hoe : "inty ilay VCD-n'i Volatiana manao porno"", hoy izy.
Teo no ho eo ihany i Volatiana sy ireo namany dia nivoaka ny fiara nihazona an'ity mpivarotra, ary lasa haingana niantso ilay polisy nandamina ny fifamoivoizana teo akaiky teo. Nentina tany amin'ny biraon'ny polisy ny anao lahy ary nojerena teo ilay horonan-tsary mamoafady. “Hay ny sarinay telolavy ihany no natao teo amin'ny fonon'ilay kapila manjelatra, nanaovana fanoloana sary, mba hanintonana mpividy. Fa ny ao anatiny, dia vazaha vavy avokoa no milalao ao”, hoy i Volatiana.
Efa nivoaka an-gazety
“Afa-baraka mihitsy izahay amin'izao toe-javatra izao. Ka tsy handeferana”, hoy izy tamin'ny feo entitra.
Nosoritan'ity mpanakanto ity fa efa herintaona izao, no nandrenesany ny tenany hoe milalao sarimihetsika mamoafady, izay raketina amin'ireny kapila manjelatra ireny. Saingy tsy dia nahataitra azy firy satria noheveriny ho tsaho mandeha fotsiny. Kanjo, navoakan'ny gazety mpiseho isan'andro teto an-drenivohitra izy ny 2 febroary teo, izay izy vao nahatsapa ny tena fahamarinany. “Tankina aho raha nandre izany ka niezaka ny hahatratra. Saingy tsy nifanehetra tamin'ireo mpivarotra, raha tsy vao izao. Izaho rahateo koa tsy misy tsy mahalala, ka raha izaho no mody manontany ireo mpivarotra dia tsy misy sahy mampiseho izy ireo. Soa fa nisy ireo namako niaraka tamiko”, hoy izy.
Mody mivarotra gazety ireo mpivarotra, raha ny fanazavan'ity mpanakanto ity. Nefa hay any aminy any feno kapila manjelatra hosoka ana mpanakanto malagasy. “Tsy miandry ny mpividy hanontany mihitsy izy ireo amin'izany fa izy no tonga dia manambara ny fananany azy”, hoy ihany i Volatiana.
Teo amin'ny famotorana azy moa ity tovolahy ity no nanondro ireo lehilahy dimy namany ka izay no nahatrarana azy rehetra. Saika teny Analakely avokoa ireo namany no nosamborina.
Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar


3. tisera ( 20/02/2007 09:02)
tena misy manita-kevi-dratsy mihitsy ny olona sasany @ izao fandrosoan'ny informatika izao a! izaho tokoa aloha tany dago t@ 2005 dia naheno mihitsy hoe misy film porno-n'i tantely é!(ilay ex-miss madagascar:sady nahita extrair kelin'io aho an! ), ilay dg -n'ny fid taloha é! i mima ilay mpihira iny koa snssns... hay kay izany montage-ndrizalay fotsiny ireny é! ilay an'i tantely mba hitako aloha anefa ohatry ny hoe tena izy mihitsy e! nefa asa....
fa dia tsara rehefa tratra ireo tena fositra @ io zavatra io. Fa tany dago koa anie aho efa nahita reportage t@ rta io resaka porno gasy io fa misy izany ireo mpivaron-tena filmer-ndrizareo @ camera caché é!dia mampalahelo ihany satria ny vola mba azony tsy arakaraky ny tombom-barotra vitan'ireto mpi-filmer sy mivaotra:(
4. Fiffi ( 21/02/2007 22:31)
tisera: tena grave akia zao fandehan-javatra zao an ! mampalahelo ny ho avin'ireo mpanan-kanto...
5. ikaretsaka ( 13/05/2007 13:27)
ny mba manitikitika ahy dia hoe tena ilay artista tokoa ve no nanao an'ilay izy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0978