filazana manjo

21. xxx ( 22/02/2007 20:16)
manatitra ny fiaraha miory @ fianakaviana.

Fa izao: tsy te ho be pitsopitsony fa kosa rehefa mangataka vola tahaka izao dia ilaina foana ny fanamarinana hoe tena nisy ilay zavatra sns...
mba alefaso eto anie ny ferapara e, indrindra raha nisy ny t@ gazety malagasy tany antoerana.
22. ds ( 22/02/2007 22:25)
Raha tsy misy ny sampona, dia ho tonga eny Ivato rahampitso sabotsy ny razana ary halevina amin'ny alatsinaina.
Io ambany io ny filazana manjo ofisialy...

----- Original Message -----
Sent: Sunday, February 11, 2007 6:50 PM
Subject: Filazàna manjo


Amin'ny Finoana sy Fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay anareo fa sitrak' Andriamanitra no niantsoany ny hava-malalanay
ANDRIAMORA BESOA Rojo Hasiarivelo
ny alahady 11 Febroary 2007 teo amin'ny faha-20 taonany

Hoy
- Ny Ray aman-dReniny ANDRIAMORA BESOA Aristide mivady
- Ny iray tampo aminy
- ANDRIAMORA BESOA Niry mivady sy ny zanany
- ANDRIAMORA BESOA Antsa sy Tahina
- ANDRIAMORA BESOA Ny Hanitra
- ANDRIAMORA BESOA Manarivo
- Ny namany RANDRIAMANAMISA Vony Manitra
- Ny Fianakaviana manontolo
- Ny Fiangonana FPMA Strasbourg
- Ny Fiangonana FJKM Ambodihady vaovao

Ny fotoana sy ny toerana handevenana dia lazaina amin'ny manaraka.

Koa amin'izany mangataka aminareo aho ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba atolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
Romana 12.1
23. tynah ( 23/02/2007 12:31)
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana. Andriamanitra no nanome ary izy no naka ka ho entin'tsika am bavaka mba ho tonga eo anilan'ny Ray ny fanahin'i Rojo.
24. tywa68 ( 23/02/2007 12:52)
^:^^:^
25. rvoulah ( 01/03/2007 08:49)
Mirary fiononana feno ho an'ny fianankaviana .
26. andriamora ( 08/03/2007 02:18)
Ry Havana malala,
Amin'ny anaran'ny fianakaviana Andriamora Besoa sy ny fianakaviana manontolo no itondranay ny teny fisaorana aminareo eto androany.
Misaotra an'Andriamanitra lehibe izahay ary misaotra indrindra anareo mpandray anjara na mpitsidika ato amin'ny Serasera.org ihany koa.
Eny ry havana, tsapanay fa tsy nizaka irery ireny fotoan-tsarotra ireny izahay fa niarahanareo nozakaina taminay izany.
Isaoranay fatratra anareo, ireo teny mamy rehetra nentinareo nampahery anay, ny fidodododoana sy ny fahasahiranana rehetra. Tsy nisalasala nanampy tamin'ny fikarakaràna sy ny fanaparitàhana ny vaovao ianareo.
Maro taminareo koa no tsy nikajy fotoana sy vola aman-karena fa nanao izay rehetra azo nataony tamin'izany.
Ankehitriny dia tafody soa aman-tsara any an-tanindrazana i Rojo, ary tsara levenana ny maty koa dia mbola mamerina ny fisaorana eram-po eran-tsaina anareo izahay.
Tsy ho voavalinay ny fitiavanareo lehibe koa Andriamanitra manakarem-pahasoavana no angatahinay hamaly fitia anareo tsirairay avy. Izy anie hampionona antsika rehetra ary hanamafy hatrany ny firaisam-po izay efa napetrany ato amin'ity site Serasera.org ity, mba ho voninahitry ny Anarany irery ihany.
Misaotra tompoko.
Niry
27. booboo ( 08/03/2007 17:53)
:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3882