hopitaly tsara hiterahana

1. nenipita ( 13/02/2007 09:11)
salut nareo, hono oa ry reto aiza no tena hopitaly tsra hiterahana eto Antananarivo, na koa hoe misy sage-femme mahay , aiza no falehanareo? mba toroy hevitra o
Misaotra
2. latina ( 13/02/2007 11:05)
Arakaraka ny vola eritrertinao ho laniana rehefa hiteraka ka. Za aloha mbola tsy nampiterahana sage femme fa dokotera foana, Dr José tamin'ny zanako voalohany, tamin'izy mbola tao amin'i Polyclinique Ilafy, efa eny amin'i CMA Anosibe izy izao; dia Dr Hary tamin'ny faharoa, tamin'izy mbola tao amin'i clinique Ankadifotsy, efa eny amin'ny village des jeux koa izy izao. Samy manana ny maha tsara azy ireo hopitaly ireo, ny Dr indray dia ny fitokianao azy no zava-dehibe, ny saina mantsy no tena miteraka rehefa tonga ilay andro iray fa fanampiana ny an'ny Dr. Ny tena mampiavaka ny ao amin'ny clinique Ankadifotsy dia afaka mitondra Dr manaraka anao ianao rehefa hiteraka fa tsy sarotiny ry zareo (taloha aloha io fa tsy fantatro izay fiovana ankehitriny). Ny tena mampiavaka an'i Polyclinique indray dia ny halafony, izany hoe mifanentana amin'ny service omeny ihany aloha fa na izany aza, mampidanaka ny mijery ny faktiora rehefa hody amin'izay. hihihi!
Dia manaova mora nenipita a!
3. Mitah ( 13/02/2007 20:57)
Ny zanako voalohany tao amin'ny Ostie Anosibe no teraka. Tena tsara karakara be izahay mianaka. Ny faharoa kosa dia rasazy teo Mahamasina atsimo. Miakatra tohatra vato izay dia ao ambony ao izy no mipetraka.Izy no nanaraka ny fahasalamako sy nampisafo ary nampiteraka nandritra ny fotoana nahabevohoka ahy. Tany amin'ny Ostie Ampasamadinika no nandefasany ahy nanao analizy pipi hijerena ny albumine. Izaho aloha salama tsara sady tena mora fiterahana ka tsy nanana olana nandritra ny fiterahana ny zanako roa.Nanao echographie koa aho mba ho azo antoka fa tsy mitsivalana na ny tongotry ny zaza no mandeha aloha.
Tongava soa na i Koto na i Kala ry Nenipita a!
Rehefa miditra 7 volana ny zaza dia hahenao ny sira na tsy mihinana afa-tsy idray mandeha mandritra ny sakafo telo isanandro. Malefaka ny lalan-jaza amin'izay ka mora ny fivoahany tao ary tsy rovitra ny an'i Nenipita.
4. nenipita ( 14/02/2007 06:59)
misaotra anareo t@ torohevitra akia fa tena misy ho saintsinina tokoa izay. Marina fa rakaraky ny ola eritreretina ho laniana tokoa angamba no mila fantarina mialoha e, sambara akia nareo izay tsy sarotiny mitondra azy, aho tena maloiloy sady fanimpanina foana matzetika , nefa moa mety mandalo ihany izany angamba fa ùmety ho afaka ihany rehefa miha hita ilay kibo
Misaotra e
5. xxx ( 14/02/2007 13:04)
Ny ahy indray ny tena jereko rehefa hiteraka ny dia ny hoe misy service chirurgie sy service pédiatrique ve ilay hopitaly .

Ny Sainte Fleur ao @ Ravoahangy mety ho tsara ny fijeriko azy, ny OSTIE koa malaza tsara . Samy tsy misy fantatro ireo fa reko fotsiny

Ny miteraka an-trano moa izany dia tsy ataoko mihintsy
6. Fiffi ( 14/02/2007 13:12)
fa hono hoa ry zareo : fa nga tsy ny gynéco manaraka anareo no milaza hoe hopital na clinique aiza no hiterahana ? :roll:
7. latina ( 14/02/2007 13:14)
Efa-bolana ihany i nenipita no marisarisa ohatr'izay fa rehefa avy eo milamina tsara raha ny tokony ho izy ka! raha tsy hoe ireny dia tena sarotiny ireny angaha. Rehefa akaiky hiteraka indray vao mavesatra ka na hivadi-mandry aza rehefa matory amin'ny alina dia somary sahirana kely. Iny ny ahy no tena mba tsy laitrako, amin'io koa vao tena mazoto homana be, raha sahala amiko, dia teo no nampitombo be ahy. Marina mihitsy io lazain'i Mitah io hoe aza dia mihinan-tsira rehefa feno 7 volana ny kibo, na miteny aza ny dr hoe mahazo mihinana fa manjary mivonto ny lalan-jaza rehefa tonga ny fotoana handatsahana azy.
Za koa tsy saro-piterahana fa mihetsi-jaza antsasa-kadiny raha ela indrindra dia latsaka, tokony tsy nilàna hopitaly lafobe izany fa noho ny tahotra dia nisafidy an'ireny ihany.
Ny zaza voalohany matetika andaniana vola be, fa rehefa manomboka eo amin'ny zaza faharoa dia efa miha mahihitra amin'izay.hihihi! angamba efa manomboka mahatoky tena kokoa, sa ahoana ny hevitrareo? Rehefa miteraka faha telo angamba raha mbola mazoto dia tsy matahotra intsony na sage femme fotsiny amin'izay aza no hanaraka ny fiterahana sady mba malaky mody any an-trano.
8. latina ( 14/02/2007 13:25)
Fiffi> Ny gyneco matetika efa manana ny hopitaly fampiterahany ny marariny, dia izay no mila fantarina mialoha hoe aiza ny hopitaly tiana hiterahana, dia izay vao manantona ilay dr ho arahany. Ohatra izao hoe: raha hanantona an'i Dr José ianao amin'izao fotoana, dia efa vonona ny hiteraka ao amin'i CMA izany, Dr Francis ao amin'i MSI dia tsy fantatro koa, Dr Rafitoson eny amin'i Polyclinique Ilafy, Dr Paul ao Befelatanana, Dr Osé ao Mahamasina eny Befelatanana sns.... maro be ny dr azo antonina amin'izao fotoana fa maro koa no tsy fantatra loatra.
xxx> Ny hopitaly indray toa efa saika mba manana pédiatre daholo ka! OSTIE efa tsy misy intsony fa lasa CMA.
9. jhouhlambout ( 15/02/2007 16:39)
10. Fiffi ( 15/02/2007 22:05)
11. segadombolo ( 17/02/2007 14:19)
Za tamin'ny niteraka ny zanako voalohany de natahotra ka vao maika toy ny sarotra ny fampiterahana. Fa tamin'ny faharoa de naantona clinique ary nody ny androtr'io ihany ary tsy nisy olana firy ny fahasalamanay mianaka. FA ny vola aloha de natevitevina no lasa e, fa io safidinao reny ihany.
12. nirinkosoa ( 06/11/2007 13:09)
Manaôna e!
Zà alou tamin'ny niteraka ny zanako d tsy nananosarotra fa ny nanena no tsy haiko d ozizy le gyneco oe tsy maintsy tatahana indry :oops:, natahotra be zà nefa refa nieritreritra kely ny momba ny ho avinay mianaka d nanaiky iany,
D ozizy oe refa hiteraka faharoa ndry d manaraka fianarana miteraka d @zay tsy sahirana tsony:P:P
Ny safidy ny hopitaly ndray d ze miankina @ndry io fa za an ! teny @ polyclinique Ilafy koa no niteraka nefa tô tsitako oe inona no tena mampiavaka azy @ hopitaly hafa fa le anarany fotsiny no mipôpôka fa tsara aky ra ny hevitro an! manantona gyneco na dokotera tena efa zà-draraha d izy anontaniana oe aiza no mety amiko fa ity misy numéro andramo antsoina 0331132138 dr Rafitoson no anarany mahay koa izy io fa tsy izy no nampiteraka anah fa lasa nanao formation any an-dafy izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3616