Misy ny rar samy hafa ny fitiavan-janany.

1. niryna ( 13/02/2007 06:57)
Raha zohina dia ny ray matetika tiany ny zanany vavy na na mirona kokoa any amin'ny ray ny zanaka vavy,ary toy izany ihany koa ny lahy,mirona any amin-dreniny.Raha misy zaza roa lahy eo anefa dia matetika ny voalohany no tian'ny reniny kokoa.Nisy zaza izay nahatsapa ny tsy fanomezany ny renininy fitiavana noho ny zokiny izy ary dia nitombo tao anatiny ny fankahalana ity reniny.Mahazo horoka ity zokiny,izy tsy mba mahazo,maro ny zavatra hita mitongilana teo amin'izy mirahalahy ary taty aorina dia namoaka ny tao am-pony ity zandriny noho ny tsy fitiavana azy.
Izay tonga taloha ve no tompon-tanindrazana sa mety misy antony amin'ny rar ny manao ny fitiavana mitanila eo amin'ny samy zanany?
novalian'i niryna ny 06/03/2007 08:08
2. Fiffi ( 13/02/2007 08:44)
niryna:
Raha misy zaza roa lahy eo anefa dia matetika ny voalohany no tian'ny reniny kokoa.
:roll::roll:

3. xxx ( 13/02/2007 08:49)
ary sizé efa nisy namoaka atsy ambadika atsy ity an ? navoaka alohan'ity !
4. statistika ( 13/02/2007 08:53)
mitovitovy ny antsika ry niryna , fa ny ahy ndray vavy sy lahy , mieritreritra aho hoe mety ihafara @ izay ihany ny eritreritr ity zaza vavy farany . Mety mi existe ilay " samy hafa @ fitiavan janaka " fa anjaran ' ny ray na ny reny no tsy mampiseho fihetsika mitongilana @ zanany iray , ny ankizy anie maranitra e !!!!
5. andry08 ( 13/02/2007 12:41)
misy ny "complexe d'oedipe", ary mitombona foana io!
6. niryna ( 13/02/2007 19:07)
xxx:

ary sizé efa nisy namoaka atsy ambadika atsy ity an ? navoaka alohan'ity !

Mety hisy hitovizana fa mety misy mahasamihafa azy.
7. niryna ( 13/02/2007 19:09)
Fiffi:

niryna:
Raha misy zaza roa lahy eo anefa dia matetika ny voalohany no tian'ny reniny kokoa.
:roll::roll:

Toa variana be aky indry! Misy namaka satria rehefa nahita taratra izany tamin'ny namako hafa aho dia noteneniko izy hoe aza mba atao misy tombony sa alany izany ny fitiavana ny ankizy.

8. sakaizakely ( 17/02/2007 12:10)
Niryna

Araky ny famoahanao ny lohahevitra dia toy ny ankabeazan'ny toejavatra izany. Aiza koa no hisy RaD hanao fitia mitongilana izany ?
Mandreraka be izany fanaovanao généralité ny zavatra hitanao indray na indroa izany. Diniho tsara daholo ny zavatra rehetra vao miteny.
Manana zanaka vavy roa ny tenako. Ny voaloany matsilo saina, maranidranitra endrika, mavitribitrika, mitsiky lava, mahaleo tena... Tena mamiko sady maha fiers anay mivady. tonga ny faharoa, dongadonga kely, tsotsotra, tony, mpankatoa, oatra saribakoly kely fragile maha te hikolokolo sy hanoroka foana. Tiako sady tsy foiko :-*.

Samy hafa toetra izy roa, nefa samy tianay tsisy ankanavaka. Tsisy hoe ny iray tiana kokoa. Ny manodidina koa toy izany, tsy misy fanavahana ny fitiavanjaza na dia samy hafa aza ny toetrany.

Asa, toerana aiza no misy an'i Niryna izany fa toa hafahafa maha-sadaikatra ny any aminareo any.
9. niryna ( 18/02/2007 07:34)
Iza kosa moa no tsy ho tia ny zanany.Rehefa nanontany ny namako aho dia hoy izy hoe tsy mitovy ny fomba hitondrana azy satria ny iray mila arahi-maso ary ny iray mahalala ny ataony.Fombam-piainana io.Ny toe-tsain'ny tsirairay no mitondra anio.Marina fa samy tiana daholo ny zanaka fa hitan'ny masoko izany olona manao fitiavana mitanila izany ry sakay a.Raha ny ankizy indray dia tsy afaka ny andrara azy ianao hoe iza no tiany kokoa na manavanana azy kokoa,na akaikin'ny fony kokoa.Ny zanako lahy izao dia izaho no akaikin'ny fony noho ny rainy.Fa izaho indray dia manazava azy fa samy tiako daholo ianareo.Ny tena marina izany dia afaka hiresahina zavatra be dia be koa satria mifankahita betsaka sy miaraka foana.
10. mirana5 ( 22/02/2007 09:17)
Marin'izany fa tsy azo atao ho tsapan'ny ankizy angamba izany raha ny hevitro, satria mety mampalahelo azireo, na samy zanaka aza misy mahasamihafa azireo ihany ny 'ray mila tambitamby kokoa nohon'ny 'ray satria marefo kely oatra, tsy miangatra izany fa mba hitombozan'izy rehetra aradalana sy indrindra indrindra hifankatiavan-dry zareo dieny mbola kely; SAROTRA BE NY MANAO RAY AMAN DRENY ANGE E:roll::roll::roll:
11. booboo ( 22/02/2007 09:42)
Ny nodinihako indray, tsy samy hafa ny fitiavan-drad ny zanany fa ny fomba hanehoana moa zany sa ny fitaizana an-dreo no tsy mitovy ndraindray...ohatra fotsiny ilay resaka :-*...tsy hoe tsy mahazo câlins bebe kokoa ilay aivo/farany dia hoe tiana mihoatra ny matoa, tsia ...

12. niryna ( 23/02/2007 04:53)
mirana5:

Marin'izany fa tsy azo atao ho tsapan'ny ankizy angamba izany raha ny hevitro, satria mety mampalahelo azireo, na samy zanaka aza misy mahasamihafa azireo ihany ny 'ray mila tambitamby kokoa nohon'ny 'ray satria marefo kely oatra, tsy miangatra izany fa mba hitombozan'izy rehetra aradalana sy indrindra indrindra hifankatiavan-dry zareo dieny mbola kely; SAROTRA BE NY MANAO RAY AMAN DRENY ANGE E:roll::roll::roll:

'itakou! Efa noteneniko teto fa nisy ankizy mirahalahy izay,ny iray nanana olana eo amin'ny fiainany.Toa tsy hiteraka hono izy rehefa lehibe ary dia nokarakarain'ny RAR ny fitsaboana,tonga tampoka ity iray ary tena tsy mitovy ny tarehin'izy roalahy,ny iray fotsikely nanahaka ny reniny,ny iray somary manga nanahaka ny rainy,tsy eo akory no nipetraka ny olana fa saika nalan'ity reniny hono ity farany kanefa moa dia mety tsy navelan'Atra ilay izy.Tena tsy tiany mihitsy ilay zaza ary izaho no nahita ny fitongilanan'ny fitiavana satria namako ilay vavy.Niteny matetika taminy aho kanefa dia hoy izy hoe Roby mila fanampiana,tsy maninona izany saingy raha miara-miditra izao izy roalahy dia Roby ihany no mahazo ba kely, Tahina kosa dia mipitrapitra kely manao tsiky vendrana,marary any anaty.Tsy misy hoe ny reny manao fitiavana mitanila hoy ny hafa,tena misy izany,aza mba voany na manao izany ihany.
Misaotra betsaka fa tsampanao ny fisian'io.
13. niryna ( 23/02/2007 04:55)
booboo:

Ny nodinihako indray, tsy samy hafa ny fitiavan-drad ny zanany fa ny fomba hanehoana moa zany sa ny fitaizana an-dreo no tsy mitovy ndraindray...ohatra fotsiny ilay resaka :-*...tsy hoe tsy mahazo câlins bebe kokoa ilay aivo/farany dia hoe tiana mihoatra ny matoa, tsia ...

Eny aky booboo a,ny faralahy sy faravavy no tena mihanta ny RAR fa tokony ho samy tiany daholo.Misy maditra kanefa moa toy ireny reniakoho ireny,tokony tadiaviny sy ataony ao ambanin'ny helika daholo izy rehetra:lol:

14. mirana5 ( 23/02/2007 10:08)
Tsy ao @ baiboly ve ry reto no misy an'ilay tantara hoé Rangaha 'ray manana zanaka 2, ny voalohany nijanona niaraka tamin'Rainy teo foana niadana, ny faharoa zandriny kosa nisitaka nadany ny vola sy ny harena nomen-drainy azy... Kanjo nony niverina tao an trano izy dia nanaovana Fety b, ary nahatonga fialonana ho an'ilay matoa voalohany...
Dia iza ary no MELOHANA @ izy TELO mianaka é?:roll::*:*:roll:
15. niryna ( 01/03/2007 11:30)

Ao anaty baiboly tokoa io ary zanaka very no tantarany.Mitovy an'io koa ny olona izay tsy manaraka na tsy mino an'Atra.Izy dia tia ny rehetra fa ny sasany tsy nanaraka azy.Toy ny akohokely izay miampanampana ny reniny rehefa tsy hita ilay iray.Toy izany ihany koa izy mirahalahy,na dia lasa nanao ny adalany sy nandany ny harenan-drainy tamin'ny ditra maro samy hafa aza ity maditrany dia narary azy ny fony sady nalahelo azy ity rainy.Na nihosina loto aza izy dia nanantona tamim-pifaliana ity ray nanoroka ity zanaka adala.Toy izany koa ny olona,na inona eloka nataony rehefa mahafantatra fa tsy mety izany ka miaiky izy ary manantona an'Atra dia ho faly tokoa izy handray azy.Ilay fitiavan-janaka izany dia tokony hitovy fa ilay fitaizana azy no mety misy samy hafa ,misy tonga dia mandray izay tenenina ,misy mila arahi-maso kely.Ny fandraisan'ny ankizy azy anefa dia hafa raha mirona be any amin'ilay iray ianao

16. linarako2 ( 02/03/2007 23:11)
booboo:

Ny nodinihako indray, tsy samy hafa ny fitiavan-drad ny zanany fa ny fomba hanehoana moa zany sa ny fitaizana an-dreo no tsy mitovy ndraindray...ohatra fotsiny ilay resaka :-*...tsy hoe tsy mahazo câlins bebe kokoa ilay aivo/farany dia hoe tiana mihoatra ny matoa, tsia ...

Ilay maditra dia mila araha-maso ka ilay hendry no mihevitra fa tsy tia azy ny renininy

17. niryna ( 06/03/2007 08:08)
m.m.m!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0396