inona no tena diakan'ny hoe mpamosavy
1. latina
(
12/02/2007 07:13)
Nanaraka tantara gasy tamin'ny tvm aho tamin'ny asabotsy alina, resaka pasitera, ody, renin-jaza, dadarabe ary mpamosavy no voaresaka tao. Tany amin'ny faraparan'ny tantara no somary nahavariana ahy, nifanohitra tanteraka tamin'ny fahalalako ny atao hoe mpamosavy hatramin'izay ny fanazavana nentin'ilay tantara:
Hatramin'izay manko ny fahalalako azy, ny atao hoe mpamosavy dia olona mpanao sy mampiasa ny mosavy, mpamorika, vokatry ny ody lalaoviny, ary atahoran'ny fiaraha-monina.
Ny nazavainy tao anaty tantara t@ io sabotsy io anefa, dia toa tsy izay loatra; ny mpamosavy dia ireo olona nomen'Andriamanitra Andriananahary fahasoavana manokana hamosaka ny ho avy( mpamosavy = mpamosaka ny ho avy, misy lalàna mifehy azy ireo sy soa toavina tsy maintsy arahiny, ka raha tsy manaraka ireo dia voaroaka tsy ho mpikambana ao @ mpamosavy intsony. Ny zavatra iraisany dia ny fivoahana alina, misoavaly izay sendra azy @ alina, mandoha rakitra toy ny any ampiangonana.
Ito faharoa tokoa ve no tena zava-nisy teto amintsika teo aloha fa niova tsikelikely nanaraka ny taranaka nifandimby? Ahoana ny hevitr'areo?

novalian'i niryna ny 15/02/2007 06:14
2. Fiffi
(
12/02/2007 07:20)
latina:nefa toa mpanao ratsy ireo mpamisavy sa heritreritrin'ny olona zany fa tsy mitombona ?
ny mpamosavy dia ireo olona nomen'Andriamanitra Andriananahary fahasoavana manokana hamosaka ny ho avy( mpamosavy = mpamosaka ny ho avy,
3. latina
(
12/02/2007 07:33)
Fiffi>Izay koa no fahalalko azy, nefa araka ilay tantara, ny lehiben'ny mpamosavy dia renin-jaza mpamiteraka eo an-tanàna.
4. Fiffi
(
12/02/2007 08:57)
latina: sady henjehina foana ireny mpamosavy ireny...ka le anarany fotsiny aza ange de efa mampatahotra eh ! sady hoe ahoana zany mpamosavy mandihy eny ambony fasana zany ?
5. booboo
(
12/02/2007 10:41)
Latina > raha tantara noforonina ilay noforoninao dia mety nilalao teny fotsiny ilay mpanoratra mikasika ny "mpamosavy" (cf fandrasana teny). nijery rakibolana zà fa tsy io nolazainy io no ao ....
7. latina
(
12/02/2007 13:37)
booboo> tsy nohenoina fa nojerena tamin\'ny télé tvm ka! Ka izay no mahavariana anay maromaro nijery teo, ka nahatonga ady hevitra .
Dia nentiko teto sao dia izahay re no tsy mahalala fa misy dikany hafa! Misaotra anareo namaly.
Dia nentiko teto sao dia izahay re no tsy mahalala fa misy dikany hafa! Misaotra anareo namaly.
10. niryna
(
14/02/2007 06:01)
olona mamosavy na mivoaka alina vokatr'ilay fanafody tazominy ka tsy zakany,iny hery iny no mahatonga azy hivoaka.Ny iray dia olona manimba na manao ankasomparana ny manodidina azy ary dia manisy fanafody izay olona tiany.Ireo no dikan'ny mpamosavy fantatro
11. vahatra22
(
14/02/2007 07:15)
amiko ny atao hoe mpamosavy dia ny mpanimba ny fiainan' olona : mamosavy @ alalan' ny fanapoizinana, mahatonga an' ilay olona marary na maty! na ihany ko manimba ny olona @ asany , na fitiavana! maro no hevitra azo andikana ny mosavy!
13. niryna
(
15/02/2007 06:14)
vahatra22:
amiko ny atao hoe mpamosavy dia ny mpanimba ny fiainan' olona : mamosavy @ alalan' ny fanapoizinana, mahatonga an' ilay olona marary na maty! na ihany ko manimba ny olona @ asany , na fitiavana! maro no hevitra azo andikana ny mosavy!
Ampiko kely,mahay mamono fa tsy mahay manasitrana