Mandeha miangona fa ?

1. niryna ( 08/02/2007 07:25)
Inona ka no tena mahatonga anao mandeha miangona?
novalian'i fijo ny 28/02/2007 23:18
2. Fiffi ( 08/02/2007 07:29)
inona no tena mahatonga an'i niryna hiangona ???
3. Achia ( 08/02/2007 09:01)
hihihi lasa mifampanontany izy zany marina :-D
4. VIRGINIE ( 08/02/2007 09:49)
Hoy ny TOMPO hoe! "Raha misy roa na telo miantso ,ka mivory @ anarako dia eo afovoany aho" mahery kokoa 'zany ny fivavaky ny maro noho ny vitsy,ka tsy haiko hoe mandeha ve ianao dia tsy fantatrao hoe handeha ho aiza aho?
5. Mandefitra ( 08/02/2007 10:20)
Satria:
1/Matio 18:20 Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho
2/Hebreo 10:25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro
3/AO misy famelankeloka @ alalan ny sakramenta
27 Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
28 fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.
4/Fijoroana vavolombelona sady fitaomana ny hafa ho an i Kristy
Romana 10:9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.
5/Ao ko aho no maheno ny tenin'Andriamanitra sy ny fampianarany,mampitombo ny fahalalako tsara an'Andriamanitra
Romana 10:17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
6. booboo ( 08/02/2007 11:29)
-hahita ny namako sy ny mbola tsy namako
-hiara-hihira @ be sy ny bobaka : midera/mifona/mankalaza sns
-hihaino ny Teny miaraka @ be sy ny bobaka : sitrapony, toriteny/fampianarana sns
-hiara-himotika @ be sy ny bobaka refa vita ny culte :°): miara-mifaly @ be sy ny bobaka ao @ Tompo ny dikan'io ouz zà sy pasiteranay

Tsy milahatra araka ny ordre de priorité reo sao misy ho avy @ toriteny beeeee eo ndray :°).
7. Fiffi ( 08/02/2007 11:40)
Achia:
hihihi lasa mifampanontany izy zany marina :-D
Achia: ka tsara kosa akia ny ahafantarana hoe inona no antony hiangonan'i niryna satria izy no nametraka ny fanontaniana voalohany aloha koh !

8. prime ( 08/02/2007 13:02)
Miangona, mpiangona, fiangonana... anarana tena sarotra raisina...

Izaho aloha ry niryna tsy miangona intsony izao fa mandeha mivavaka...:lol:
9. Fiffi ( 08/02/2007 13:15)
:roll: mandeha mivavaka nga tsy midika hoe mandeha miangona ? heu....any am-piangonana io an !
10. prime ( 08/02/2007 13:23)
Miangona, mpiangona, fiangonana... anarana tena sarotra raisina...

Izaho aloha ry niryna tsy miangona intsony izao fa mandeha mivavaka...:lol:
11. Fiffi ( 08/02/2007 13:28)
Fiffi:
:roll: mandeha mivavaka nga tsy midika hoe mandeha miangona ? heu....any am-piangonana io an !

12. prime ( 08/02/2007 14:16)
Fiffi> eo indrindra isika izao...
13. Fiffi ( 08/02/2007 16:24)
tsy azoko...
14. dadie ( 08/02/2007 16:41)
niryna:

Inona ka no tena mahatonga anao mandeha miangona?

bjr niryna
raisiko oatra aty aminay ;1 isakin'ny volana no misy lamesa gasy d mandeha aho satria oe ande ivavaka ;ande idera Azy sns...;ny alahady sasany misy any am vaza fa tena tsy tiako ny hiranjareo d manoka foana aho (désolé) d aleoko tsy mande nefa kosa rehefa any dago manao vakansy any aho d isakin ny alahady mande fona ny antony midera Azy aho d any aho no tena t ivavaka ,fa ny tena itako nampisokatra ny masoko d tamza tany Lourdes naita reo ol marary maro b eo ambinin'ny sezany sns ...tena ontsa ny foko ary ny nahagaga ahy d nony nivoka tao aho d tena maivana b ny tenako aotran'ny tsy misy zany blem zany , zany angamba no atao oe nilatsahan(ny Fanahy Masina
NB:Raha oatra ny teniko ka mahatafotoana ny ol sasany d ialako tsiny zany
dadie
15. niryna ( 08/02/2007 17:48)
dadie:

[quote=niryna]

bjr dadie misaotra betsaka tonga nandray anjara eto,ny fahasoavan'Atra anie hiaro sy hitari-dalana anao hatrany.Eny hiangona isika mba hidera azy, hisaotra azy fa tsara izy,hiara-mifaly ny namana rehetra,toy ny hopitaly ny fiangonana, misy ny aretina rehetra.Raha tsy mila azy isika na ara-batana na fanahy tsy hitady azy mihitsy.Misaotra aky daddie a.^:^
(l)niryna
16. Zina ( 08/02/2007 17:52)
Jesosy dia lehiben'ny fiangonana ka raha tia azy ianao dia mande miangona.. ny andehanana any dia ny hivavaka, hidera an'Andriamanitra, hisaotra azy amin'ny izay rehetra nomeny anao...sy ireo izay lazain'i booboo ireo ko...
No sady manampy antsika mba hanana fiarahana akaiky amin'ny membra rehetra, mahazo fampaherezana, mampianatra antsika hifandray amin'ny olona, andro iray tokana homen-tsika an'Andriamanitra ao @ fiainana andavan'andro (pour une semaine)
17. prime ( 09/02/2007 11:45)
Mahereza aby ary e...
18. dailynews ( 09/02/2007 14:19)
- tsy tsara ny mandeha irery raha tena te hiaraka amin Atra satria raha lavo ianao dia lavo irery dia tsy misy mitondra ambavaka anao dia mety tsy ho tafarina satria tsy misy mpahalala.
-ary sitrapon Atra no hanokanan ny mpino andro iray hiarahana midera Azy miaraka amin ny mpino namana sns...
19. hearty ( 09/02/2007 20:11)
Ilaina ny miangona satria fotoana iray hahafahanao mitondra ny herinandro lasa sy ho avy eo anatrehan' Atra zany ary tsy haiko nareo na toa ahy fa raha vao banga indray aahady fotsiny dia tena tsapako ho lava sy mavesatra ny herinandro.

Ilaina ny miangona satria ahafahanao mandray hafatra ho fampaherezana sy ahafahana mandinitena ny amzay efa vita koa izany ary io toriteny io no tenza isan'ny mahazavadehibe ny fiarahamiangona (Ny finoana dia avy amin'ny toriteny)

Ny miangona dia fiaraha mivory mba hivavaka ka misy nuance kely izany amin'ireo mot roa ireo ( raha tsy diso aho dia io teny miangona io mihitsy no naùmpiasain'ny apostoly fahizay rehefa mivory hivavaka izy ireo )

Tsy voatery ho Alahady ihany na Asabotsy ihany anefa no ivavahana miaraka fa misy fiangonana sasany izay mivoha isamaraina koa raha tsy afaka lahady de mamonje an'ireny re
20. niryna ( 10/02/2007 05:23)
Fiffi:

inona no tena mahatonga an'i niryna hiangona ???

=))=))=))=))=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5788