Renim-pianakaviana

1. segadombolo ( 07/02/2007 12:54)
Manahoana daholo,
Tantara fohy no lazaiko ary ilako fanazavana na hevitra amin'izay mety mahalala.
Mitondra vohoka ny tenako ary hitako fa somary hafa tamin'ny vohoka tamin'ny zanako teo aloha. Fa vao miditra ny 6 eme semaine ny grossesse ny tenako dia lasa mangidy vava foana ary te-hisakafo foana, ary raha vao tsy mihinana amin'iny te-hihinana iny dia toy ny malemilemy sy misalebileby be. Raha vao mihinana zavatra misy siramamy za dia ohatry ny tsy nihinana fa tonga de noana afaka 10 mn eo. Fa raha zavatra misy sira kosa de mba toy ny maharitra 1-1h30 eo ho eo vao noana indray. Na ny rano io aza dia toy ny mangidy indray2.
Mety hanatona dokotera ihany za aloha fa mba hihaino ny hevitrareo izay efa nandalo lalana toy izany. Sa ve mety ho toy izany raha toa ka hoe kambana ny zaza ao ankibo. Za aloha tsy mbola te-hanao echo e, fa avelako ho feno 3 mois any ho any.
Manontany tena za indray2 hoe: hanao ahoana ny ho tohiny afaka kely2 eo? Sa ve mety mba hijanona ihany ny zava-mahazo ahy ireo.
Misaotra anareo miresadresaka e.
novalian'i kelly13 ny 27/04/2007 07:51
2. Fiffi ( 07/02/2007 13:15)
fa nga enao no misafidy hoe aleo handrasana ny fanaovana echo ?
heu.....aleo hiany angamba mijery gynéco ho siora kokoa ! le te-ihinana aloha ohatran'ny normale hiany satria toa misy zavatra tsy tanty na de ny fofona aza ...misy koh ny zavatra tiana ho hanina bee!
3. booboo ( 07/02/2007 13:32)
le te-ihinana aloha ohatran'ny normale hiany satria toa misy zavatra tsy tanty na de ny fofona aza ...misy koh ny zavatra tiana ho hanina bee!


ié, samy nandalo an'io aby ny vhv nitondra vohoka fa tsy manahy zany :wink:. Na izany aza, fa maninona no any @ 3ème mois vao manao écho ? zà klou miteny hoe ndana manatona gygy ihany na ça va beeee aza e ...

Dia bonne grossesse ô
4. chipie1 ( 07/02/2007 14:13)
mbola ao anatiny fotoana voalohany be mintsy zany 6 eme semaines zany normale iany lé te hinankinana sns io ...

tokony mandé gynéco foana in 1 isambolana ny vhv bevohoka , fa ny tsy azoko oe maniinn no andrasana 3 mois vao te hanao echo ianao ?
5. kelly13 ( 07/02/2007 14:44)
ny ahy ny tena tsy tatiko rehefa vao bevoka d io vava mangidy sy le te handou nefa tsisy avôka! patience iany no tena fanafodiny, afaka 3 mois io afaka ho azy. question hoe mijery gynéco, dia tsy maintsy atao io ds les 4 premiers mois ny grossesse, ary tsy maintsy atao ao anaty io fotoana io ny 1ere echographie ijerena ra normal tsara ny foetus, ny poche, ny liquide amniotik etc... ao anatin'io kou no hanaovana ny 1eres analyses de sang sao misy diabete etc... ijerena iany kou sao misy risk trisomie 21 d tsy maintsy atao ny amniocentèse raha misy ny risk!!! miala tsiny fa lava b oooo!!!! d bon courage ary e
6. ari.malala ( 07/02/2007 15:01)
felicitation alo am le grossesse dia mirary soa ho tonga soa ny vahiny Mpahazo ny vhv bevohoka io mahazo anao io, ilay atao hoe manaizana e! DIa rehefa tsy zaka ny zavamamy dia izay zaka aky hanina ry malala a! aza manasarotra fiainana fa mbola ho lava ilay 9volana itondrana azy e! :-* fa manamafy ireo voalazan'ny namana rehetra aho hoe ndehana mijery gyneco sy manao echo. Raha aty MAda alo de io 3èmois io vao asainy manao echo e! fa ny any ampita no tsy haiko... bon courage pour segadombolo
7. koralie ( 07/02/2007 15:17)
Aza be fanahiana e! fombany io. Tsy voatery hidika hoe kambana na tsy kambana ny fitiavanao te-hihinana foana. Zà koa efa tratran'io mangidy vava io d io no mahatonga anao mihinana; te hanala lé goût bizarre ao am-bava. Mahereza e!!!
8. xxx ( 07/02/2007 15:50)
Izaho koa manao hoe fombany io

Izaho nanao ohatran'io t@ bevohoka, ny niafarany dia lasa nihinana vary sy laoka @ maraina na mofo sy fromage :-) .

Arakaraka indray avy eo : vao tapitra ny 9 semaines dia afaka ohatry ny tsy nisy izy t@ zanako iray, fa nentina hatreo @ table d'accouchement ilay maloiloy t@ ilay iray hafa

Bon courage e, io ilay hoe misotro ny rano tsy tiana, dia miankin-drindrina irery a
9. segadombolo ( 08/02/2007 14:15)
Manahoana daholo,
Tsy vao sambany nitondra vohoka akory za fa efa fanintelony ity izao ity, ary eo no nahavaka ny saiko satria samy hafa be tamin'ireo 2 voalohany izy ity. Misaotra anareo nilazalaza ny niainanareo sy ny fantatrareo aloha e, fa ny ahy dia eo amin'ny faha-3 volana vao manao echo satria efa hitako amin'izay hoe olona kely ny ao ka mahavelompanantenana ery.
Fa mampatahotra ahy aloha ny hoe hanana kambana e, efa 2 ve ny eo de sanatria hisy 2 vao ho tonga indray tsy ho loza rey olona. Dia manantena mandrakariva za fa ho afaka ity mangidy vava ity afaka kelikely eo.
Ary ankoatry ny lomano rey olona dia inona no fanantanjahantena tsara ataoko, satria efa miresaka eto ihany e? Misaotra betsaka anareo rehetra e.
10. kelly13 ( 08/02/2007 15:50)
la marche,
11. xxx ( 08/02/2007 16:24)
Fa inona foana no mampieritreritra anao hoe "kambana" ?

Ny zaza tsara foana na kambana aza fa tsy loza izany

Misy hono raha hoe vavy sy lahy no entina dia tsy mitovy ny comportement n'ilay reny , misy koa nefa na mitovy sexe aza dia samihafa koa. Tsy misy lalàna raikitra io fa arakaraky ny zavatra be dia be

.. ka aza dia be eritreritra loatra fa minoa fotsiny ihany :wink:
12. Zina ( 08/02/2007 18:28)
inn ry reto zany mitondra vohoka zany?

ny mampangidy vava aloha ny fahafantarako azy dia misy tsy mety ny vavony... mety marary vavony ianao sans s'en rendre compte...betsaka mihitsy ny olona tsy mahalala oe marary vavony...
andramo ny ranona vomadilo - lomy ny vomadilo betsaka asio siramamy kely rehefa tsy tina ny marikivy aminy...iny rano iny no sotroina (a jeun) alohan'ny hisakafoanana maraina... mandaitra io no sady lasa tsara ny oditra...
Ny vavony mantsy no mitondra ny rehetra...
13. chakkakkely ( 08/02/2007 18:38)
ary ankotra ny voamadilo dia inona koa ny ody vavony fa za mantsy toa otrany marary vavony , nefa zany voamadilo zany sarotra ny hahitan an zany aty koa nefa tsara zao zany an hummmmmmmmmmmm
14. xxx ( 08/02/2007 18:56)
Izaho aloha lhl ary eto Tana no mipetraka. Tsarakokoa ny manao echo avant 3 mois satria io no methode iray izay ahafahana mamaritra tsara hoe oviana no nanomboka ny grossesse, ho mora ny fanaraha maso rehefa tena fantatra avec certitude io. Raha mbola tsy fantatra koa hoe protégée contre la rubéole ianao dia amin\'io no fanaovana azy. Ao koa ny bilan hafa... Amin\'io koa, raha kambana ny zaza dia fantatra na iray kitapo izy ireo na tsia, iray trano na tsia ary mety ho zaza roa samy mahaleo tena tanteraka. Tsy mitovy velively mantsy ny fanaraha maso sy ny mode d\'accouchement ho an\'ireo karazany ireo. Koa aza miandry ela fa fotoana tokoa izao. Ny tena tsara dia gynécologue no manao ny acho fa tsy manao eny @ sisiny eny.
15. Zina ( 08/02/2007 19:22)
Jus de poireau andraona ny poireau dia sotroina ny ranony (tandremo ny fasika), fihinanana laisoa manta ataovy salady, misotro rano zany tsara @ vavony doly...
na mifady hanina... rano fotsiny no sotroina (un jour) ihany...mila manao repos ilay vavony hihiih
16. fijo ( 08/02/2007 23:44)
ngah kelly efa bevohoka?
17. booboo ( 09/02/2007 11:49)
Zina > tena tsy hainao tokoa ve ny dikan'ny hoe mitondra vohoka ???? ary bevohoka ve hainao ?
18. xxx ( 12/02/2007 21:31)
eh sambatra ianareo zay nitondra vohoka hoe 3 volana de afaka ireo mangidy vava sy ny mandoa ireo ,nena vo-mipetraka mandrapahatongavany ety an-tany mandoa foana ,na lahy na vavy .3 ny zanako ary mielanelana be ny taonanizireo 16,10,5taona ny farany courage de tongava soa ny papouse ,zay omenjanahary raisina
19. nenipita ( 13/02/2007 08:30)
manao ahoana daholo ny renim-pianakaviana rehetra o
izay indray vo afaka niditra fa tsy hita moa izy ity fa de tratran'ireo voalaza etsy ambony ireo ny tena ka tsy de afaka miditra forum loatra. Bevoka 2 mois aho ary tena rera-dava maloiloy te handoa nefa tsy mahaloa, tsy mazoto homana mihitsy, fanimpanin-dava eny koa, mangidy vava, mbetika mafana tampoka be zany, avy eo indray mangitsy be , raharaha tokoa izy ity fa izao koa aloha no atao ahoe aretim-pahasoavana e, misaora ny Tompio isika bevoka na dia sarotiny kely eny aza fa ny tsy manana aza anie mba maniry e, de inona ry reto no tokony ho hanina e, nenaha izao tena tiko be raha toa ka mazoto homana be ireny aho , mafy anie ilay tsy maha hinankanina e, t@ zanako 1 manko de tena sarotiny be mihitsy aho, mandoa ihany isan'andro mandrapaha 5 volana ny kiboko, sady ami'nio mahia kely no sady mainty be, tsy tia fofona na inona na inona , fa asa ny amin'ity faha2 ity fa tsy de mandoa be toy ilay taloha fa maloiloy fotsiny fa ilay fanimpanina io no tsy tiko mihitsy, efa nanantona dokotera de mihinana MAG 2 fa sady crampe koa anie le tongotra e, efa nanao echo aloha aho e, mba ahafantarana mantsy hoe tena ao anaty uterus tsara ve le bb sa ahoana, de efa nanao echo aho.
Izay ary fa de mirary soa ho antsika rehetra izay bevoka sy izay efa eo amp-iandrasana ny hahaterahana, manaova mora rehefa tonga ny fotoana e, aza hadino ny mitondra ambavaka ny tena sy ilay zazah ao an-kibo o. De mazotoa mandoa sy maloiloy ze manao toy izany , aza kivy fa tsy ho ela de ho tonga ilay vahiny isotrona ny mangidy e, amin'iay fotoana izay hadino aby ireo sorisory kely teo am-pitondrana azy,
20. Mitah ( 13/02/2007 21:24)
Papay masaka no nohaniko nandritra ny fotoana nitondrako vohoka. Raha vao manomboka maloiloy dia mihinana papay dia misava ho azy ny rehetra. Ody vavony koa io ka tena mahatsara. Raha fotoan'ny voankazo be ranony dia ireny hanina mba tsy hisotroana rano be loatra. Izaho tsy dia mahavoa misotro rano kanefa tena mila rano ny vatana hanome oksizena ny zaza.
Tongava soa dia manaova mora ry zareo a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1985