Fampianaran'i Kristy momba ny fiverenany

41. rakaroka ( 09/02/2007 09:57)
Achia:

LazaDaddy:

Achia> fa tsy haiko ny dikateny Gasy fa @ teny tsy fantatra izy midika hoe: TSELATRA. Sao dia izany ihany koa ny @ teny Gasy? :)

Raha toy tselatra indray dia sarotra sy tsy azo inoana tokoa ny ambaran'ireo milaza fa "atsy" na "aroa" i Jesoa


Tena helatra no lazainy ao ka ao @ matio 24/27 : fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana dia ho tahaka izany ny fiavin'ny Zanak'olona


tsy hitako mihitsy izay handraisana ny resakareo,
mbô meteza marina à ma place hoe olona tsotra et normal, bon,
io masoandro miposaka avy atsy atsinanana io, tsy miara-miposaka angamba izany selon ny position-tsika ao anaty globe: misy lasa aloha kokoa, any @ sasany mbola alina , ka raha zavatra iray eny @ lanitra
tsy afaka tonga dé entièrement exposé @ tany globe,
ka izay no nahatonga ahy nihevitra hoe mbola ampaha-tany ihany angamba no voahevitran'ny olona nanoratra ny baiboly sasany! sa tsy marina koa ny hoe tahaka ny "globe" ny tany?...



42. niryna ( 10/02/2007 05:10)
cutie:

za no miteny aminao we vakio ny baiboly de refa hay de lazao eto :-D

bjr aky cutie a ,ahoana hoy aho amindry =))

43. niryna ( 10/02/2007 05:22)
LazaDaddy:

Lohahevitra hitako atsy ambadika atsy mampahatsiahy ny famantarana iray nambarany:

(*) Maro ireo hisandoka ny Anarany hoe atsy na aroa i Kristy


Misaotra anao Lz nanao fikarohana.Ny tsy fantan'ny olona sasany dia fampianarana ho an'ny tsirairay ny soratra masina avy amin'ny namana hafa eto.Ny tsapako ato dia misy olona manome hevitra,iny olona iny misy hafa mamingana na tonga dia manatsatso azy ary manao izay tsy ahatanteraka foana izay tiana ho lazaina.Tadidio fa misy olon-kafa ao ambadiny manohana azy tsy amela ny soratra masina hivoaka.
Mino tanteraka aho fa fantatrao ny tiako ho lazaina
44. rakaroka ( 10/02/2007 10:06)
Tahaka anareo koa mihevitra ahasoa ny hafa
no antony niresahako teto: raha ny marina KIRY no antony niresahako teto satria jugén'ny olona ato an-trano ho SAROTRA loatra @ "surfer"n'ny serasera ny hanakatra ny resako ary BEDY aho matetika tratran'ny ato an-trano manoratra eto.
Antony niresahako an'i Maitreya satria fiheverako hoe
1°- Sarobidy angamba aloha ny mahafantatra fa tsy irery ny olona fa misy Azy miahy: nampafantarina ahy izany!
2°- Maninn no Izy?...Tsy hoe tsy tiako ianareo fa mila zavatra "Concret" aho hampandrosoako ny "fiainana". Ampatsiahiko ilay teny hoe:
"Andramo ka izahao fa tsara Jehovah!..."
Izany hoe mila fantarina TSARA ny être iray alohan'ny anekena na ny handavana izany.....
Des années aho tao am-piangonana : betsaka ny zavatra tsy eken'ny feon'ny fieritreretako fa nampanekena fotsiny.
Raha nijery, nandinika ny "contenu" d'existencen-
dry Maitreya aho dia mahatsapa fa izany no mifandraika INDRINDRA @ hetaheta "spirituel" ao anatiko.
Ny tiako ho fantatrareo I Jesoa anie tsy hoe mifandipatra aminy...ho fanajako ny finoanareo tsy hihozongozona dia tsy handray anjara resaka eto intsony aho...rahateo fantatro tsara hoe ny "fivavahana" no "Andry" iray lehibe iveloman'ny olona sy ny mpiara-monina koa raha mbola tsy tonga any ny "structure" rahaka izay iainako...ary na i Maitreya aza nilaza hoe tohizo ihany aloha izay efa nahazatra anareo fa fantaro tsara ihany koa izay tena sitrapon'Atra @ fisiantsika satria eto an-tany ihany no tena "lieu" d'Ascension spirituel/izany hoe miantoka ny "ampitso foana ny fiatrehana "consciemmentn'ny anio" ary antoky ny rahatrizay foana izany.
Dia veloma finaritra daholo!
(l)(l)(l):*:*:*:*:*:*:*:*(l)(l)(l)
rakaroka
45. niryna ( 12/02/2007 03:27)
Rakorako izay ity Maitreya resahinao ary inona no ataon'io olona io.Sa io no a/tra vaovao hivavahanao?
46. niryna ( 12/02/2007 03:43)
LazaDaddy:

inona avy ireo famantarana nomeny ry zareo?

Alohany ahataongavan'i Jesosy dia maro ny zavatra hitranga.Voasoratra ao amin'ny Apokalpsy io ary nisy nilaza fa io baiboly farany io dia tsy dia misy mamaky firy fa voatsembantsemban'ny satana ny olona hamaky azy. Asa aloha izay fitombonana io.Ny tsapako namaky baiboly aho mikasika io Apo io dia in-efatra no saika revo natory ary dia nandroaka devoly no sady nitsangana fa tena nisy torimaso be izay tsy mbola nahazo ahy."Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny teninin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny ;fa antomontra ny andro"Apo 1:3"Blessed is the one who reads the words of this prophecy,and blessed are those hwo hear it and take to heart what is written in it,because the time is near."

47. niryna ( 12/02/2007 03:54)
LazaDaddy:

inona avy ireo famantarana nomeny ry zareo?

Lavabe io ary misy fanambarana alohan'ny fahatongavany.
Izay voasoratra rehetra anefa dia efa iainantsika:
1-Ny fanomanana ny andro farany ka ahita:
a)mitombon'ny mpaminana sandoka sy ny fiangonana mitompo teny fatratra.
b)mitombo ny toetra ratsy,vono olona,eloka maro karazany,tsy finoana an'/Atra.
d)mitombo ny ady, ny hanohanana,ny tany mitritra
e)mihen-danja ny fitiavana sy ny fiarahan'ny
mpianakavy
f)mihamaro ny mpino enjehina noho ny amin'i Jesosy
g)Ireo izay mpino ka mitazona ny finoany anefa dia
ho voavonjy
h)Hotoriana erak'izao tontolo izao ny filazan-tsara
i)Hanome hery ireo olom-boafidy ny fanahy masina.



48. niryna ( 12/02/2007 04:16)
2-Eo am-piandrasana an'i Jesosy:
Tsy maintsy vonona ny rehetra satria ho avy amin'ny andro tsy ampoizina izy.Ho avy izy haka ireo mpino velona ety an-tany.Ireo izay mpino ety an-tany dia hanana vatana hafa (transformed bodies).Ireo mpino izay efa maty kosa dia hitsangana ary hiaraka an'i jesosy.
Tsaraina araka izay nataony ireo mpino ary ireo izay nanana finoana dia ahazo mariboninahitra (faithfull believers will receive reward).
3- Ny fampitandremana Vakio Lioka 21:29-36
Ny fampitandremana ny olona tsy ho variana amin'ity fiainana ity.
Ho avy ny fitsarana ary ireo nanampinoana tao amin'ny fiangonan dia tsy ho tsaraina.
Na dia maro aza ny fahoriana mety hianjady dia mila manana hery isika 2 Tim 2:2-7
Hitsangana ny mpanohitra an'i kristy The antichrist
Ho vahana ny tombokase enina
Ary dia aharitra ho enin-taona izany.
Ny mpaminany sandoka dia hanao fahagagana maro.
Ny filazantsara dia hotoron'ny anjely ary mety ho ny jiosy koa
Ary dia ho maro no olona voavonjy ka maro koa ny jiosy no hanaraka an'i kristy.
49. niryna ( 12/02/2007 04:53)
LazaDaddy:

inona avy ireo famantarana nomeny ry zareo?

4-Ny fahoriana lehibe na great tribulation.
Vakio Mat 24:21
Izay aharitra telo taona sy tapany.Vakio Mat 24
Ny fahavetavetana hitsangana ao amin\'ny toerana masina.
Hisy fahoriana lehibe.Hisy mpaminany sandoka sy kristy sandoka hanao fahagagana lehibe.Ny herin\'ny satana dia hitombo,ny finoana amin\'ny sampy, ny mpanao ny herin\'ny maizina (sorcery and witchcraft) ny mivavaka ny volana sy kintana dia hivoaka, ny fiangonana samihafa dia hifanenjika.Eto no fotoana tena hijalian\'i jiosy.Ny fahoriana izay tsy mbola nahazo izao tontolo izao hatrizay.
Ireo fiangonana nilaza nidera an\'Atra kanefa tsy izy dia hopotehina daholo.Ireo vavolombelona roa izay nitory ny filazantsara ka novonoina dia hitsangana
Hisy famantarana ny fitsaharan\'ny fahoriana lehibe
Hiafara ny fifanjevona ny ady lehibe Armageddon sy Atra miady ireo tsy mpino Vakio Apo 14:9-11
Ny fahatezeran\'Atra ary ny fampijaliana amin\'ny afo ireo izay manaraka na miankohoka ny biby dia na sariny na izay mandray ny miriky ny anarany.
Hanafika ny tsy mpino sy ny tariny i Jesosy
50. niryna ( 12/02/2007 05:12)
LazaDaddy:

inona avy ireo famantarana nomeny ry zareo?

5- Ny mpanohitra an'i kristy na antichrist
Vakio Da 7:2-7.Apo 13:1-18
Hitondra ny fitondrana eran-tany izy ireo
Ireo tsy mino dia hanangana sary mitovy aminy ary hiankohoka aminy.Vakio Da 7:8-25,Mt 24:15
Hitombo hatrany ny fahagagana ataon'ireo mpaminany sandoka 2 Tim 2:9-10,Mat 24:24
hamono ireo olona izay tsy misy tombo-kase Apo:6:9
handringana ny fiangonana izy ireo.
6- Ny fahatongavan'i Jesosy sy ny hisehoany avy any an-danitra ary ny hitsarany
Ary rehefa nipoitra daholo ireo famantarana dia ho
avy jesosy hiaraka ny anjeliny sy ny mpino azy.
Eto no manomboka ny fitsarana ny velona sy ny maty.
51. xxx ( 12/02/2007 14:01)
Loza ity fa efa nivoaka daholo ireo fanambarana rehetra ireo8O8O .Ilay hitondra ny fitondrana eran-tany izy sisa no tsy mbola tonga.Ireo mpanohitra ve izany hitondra izany?Dia ahoana :?:lasa hanaraka azy daholo izany ny olona nilaza ho mpivavaka:?:.Toa torakovitra aho izany marina a :cry::cry:
52. niryna ( 15/02/2007 06:55)
Kanefa hoy ny voalaza hoe 1 Pet 2:8 miraisa saina ianareo rehetra,ka miaraha ory ,mifankatiava tahaka ny mpirahalahy,mifamindra fo,manetre-tene,tsy mamaly ny ratsy,na fanaratsiana ny fanaratsiana,fa aoka hisaotra koa,satria ho amin'izany no niantsoana anareo,mba handova fitahiana.
Ankehitriny mifanohitra izany no misy,mifankahala, mifanenjika,mifanaratsy,mifampialona.Satria ahoana tsy manana an'izay hananany ianareo hoy paoly satria ianareo tsy mba nanao izay nataony.
53. prime ( 15/02/2007 07:57)
niryna> Izay tokoa no maha fotoana sarotra izao diavina izao...
54. fijo ( 16/02/2007 06:16)
toa famerenana izay novakian atao anaty baiboly fotsiny le valiny .
55. xxx ( 16/02/2007 06:44)
niryna:

Kanefa hoy ny voalaza hoe 1 Pet 2:8 miraisa saina ianareo rehetra,ka miaraha ory ,mifankatiava tahaka ny mpirahalahy,mifamindra fo,manetre-tene,tsy mamaly ny ratsy,na fanaratsiana ny fanaratsiana,fa aoka hisaotra koa,satria ho amin'izany no niantsoana anareo,mba handova fitahiana.
Ankehitriny mifanohitra izany no misy,mifankahala, mifanenjika,mifanaratsy,mifampialona.Satria ahoana tsy manana an'izay hananany ianareo hoy paoly satria ianareo tsy mba nanao izay nataony.

Azakivy niryna a ianao aza mba nomen'Andriamanitra fahasoavana nizara taminay rehetra.Tsy mora tokoa ny mijoro vavolombelona.Matio 15:13-19 ..fa izay mivoaka ny vava kosa dia avy amin'ny fo,ka izany no mahaloto ny olona.Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy dia ny vonoanolona,ny fakambadin'olona,ny fijanganjangana,ny halatra,ny ampanga lainga,ny fitenenan-dratsy .
Ny eto indray dia ny manenjika ireo mahafantatra an'Andriamanitra satria matahotra ny hovoampanga ny tenany ary tsy mihevitra ny hiverina izy fa dia hanaraka ny fiainan'izao tontolo izao no tiany.Izany no atao hoe saromana ny toetra ratsina fa ny an'ny olona ahitana lesoka. Mivavaha ho azy ireo.
56. fijo ( 16/02/2007 22:14)
io fa mbola famerenana fotsiny ihany.
57. xxx ( 17/02/2007 00:10)
fijo:

io fa mbola famerenana fotsiny ihany.

Efa mihalefaka ra fijo,marina io,aiza kosa ny olona no ahita porofo raha tsy ao anaty baiboly:?:.Miverena amin'izay ianao zanako fa miandry anao ity ray malalanao(l)(l)tianao.

58. cutie ( 17/02/2007 00:59)
:-D:-D:-D:-D
59. prime ( 21/02/2007 14:56)
cutie> Dia tena tolaky ny hehy marina an...:-P
60. fijo ( 21/02/2007 23:46)
ka mahita olona mirediredy ve izy tsy hotolaky ny hehy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079