Haramagedona

1. xxx ( 02/02/2007 16:26)
[size=13px]Size 13px[/size]

Manahoana daholo,
Mba fantatrareo ve ry zareo an, inona no hatao hoe " Haramagedona" ???? Tsy zany fa tazako ato anaty baiboly io mot io de tsy azoko mihintsy ny dikany.
Manantena valiny avy any aminareo.
novalian'i niryna ny 09/02/2007 08:00
2. cutie ( 02/02/2007 21:52)
fara andro:lol:
3. xxx ( 02/02/2007 22:19)
fara andro.
4. Zina ( 04/02/2007 03:22)
Tsy misy afa tsy ao @ Apok.16:16 ihany io anarana io..ary plague faha enina io
aramagedona dia ady farany
izay ataon\'ny confederation (association des Etats)/ conspiration na complot contre Dieu..
Des nations vont s\'unir en esprit et ont pour but de detruire completement les enfants de Dieu. Isa: 83: 3-5.
Ady farany entre Jesus et Satan
Kanefa dia ho resy satana...
Mifono zavatra mahavariana io Apokalypsa 16 io...

5. niryna ( 04/02/2007 07:48)
Io voatenin'i Zina io.Ady farany ataon'ny hery roa samy hafa dia ny herin'ny mazava sy ny herin'ny maizina.
ka ho tonga Jesosy hiaraka ny anjely ary izay mino azy dia hanaraka azy,ny satana anefa dia hirongatra ary maro no hanaradia azy mandra-pahatongavan'i Jesosy.
Lesona iray lavabe mihitsy io
TT dia hilazana ny mpanjaka niady ohatra Mpt 5 19-20
Niady ny mpanjakan'i kanana kanefa tsy nisy volafotsy azony fa tany an-danitra no nisy ady,kintana tamin'ny nalehany niady tamin'i sisera.
Mpt 6:ny niantsoan'Atra an'i Gideona ho mpamonjy azy
Misy firenena izay miankina ny herin'ny tenany ary misy firenena izay herin'Atra no manampy azy.Raha ny tt no hilazana azy kanefa dia azo ampiarina amin'ny fiainantsika ihany koa hoe izay manankina ny fiainany sy mino azy no ho vonjena,ireo izay tsy mino kosa dia ho very.
6. majesty ( 05/02/2007 05:03)
resaka lalina be io HARAMAGEDONA io izay sarotra hazavaina raha tsy hianarana manontolo mihitsy ny soratra masina kanefa aleo lazaiko amin'ny fomba tsotra ihany.Araka ny voalazan'ny soratra masina dia rehefa ho avy Jesosy dia handray ny olony ho any aminy (any an-danitra mandritra ny arivo taona)Fa Satana kosa dia mbola gadra eto mandritra izay fotoana izay,rehefa afaka ny arivo taona dia izay vao ampidinina eto amin'zay Jerosalema vaovao izay fonenan'ny olona masina (araka ny voalazan'ny Apokalipsy ihany);ka rehefa tafidina eto io tanana masina io izay fonenan'ireo voavotra mandrakizay dia ho avy Satana sy ireo olony (ireo izay tsy voavonjy) hitsangana ho andian-tafika goavana be iray ka haka an-keriny hanafika an'io tanana io,ary eo indrindra no handringanan'Atra azy farany amin'ny alalan'ny afo solifara midina avy any an-danitra sy ireo afo mivoaka avy any anatin'ny tany (izay lazain'ny maro hoe afobe na helo)ka izay indrindra no nahatonga ny soratra masina hilaza hoe,ny lavenon'ny ratsy fanahy dia hohitsakitsahin'ny marina eo ambany tongony.
Tsy haiko na mahazava azy izay fa mino aho fa mba misy mangirana kely azo raisina ihany,:D
7. xxx ( 05/02/2007 23:03)
Misaotra indrindra t@ valinteninareo mazava, sy ny mpandray anjara rehetra.
8. prime ( 07/02/2007 06:26)
Anarana toerana iray tena misy any amin'ny faritry "Moyen Orient" ny Armagedona ary nanomezan'Andriamanitra an'i Jaona Apostoly faminaniana fa eo amin'io toerana io no hiseho ny ady lehibe farany eo amin'ny Maizina sy ny mazava...
9. niryna ( 09/02/2007 08:00)
Ireo voalaza ireo ilay izy ary manomboka mametraka ny fanontaniany vokatr'io eto dia anjarantsika tsirairay no mamaly azy.Eo ny hifaran'ny fiainan'ny rehetra ho an'ny mino na tsy mino.
Ity ve no farany izay voalazan'ny baiboly?
Ho avy tokoa indray ve Jesosy ary efa vonona ve isika?
Hitsahatra ihany ve ireo ady izay tsy mety manana fitsaharana ireo?
Ireo izany ny fanontaniana mahalasa saina raha miresaka io haramagedona io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0793