Anti-Christ:Romana-katolika/tsy kristiana.

21. niryna ( 05/02/2007 04:01)
Taiza i xxx no nahita ireo anaran'olona karazany maro ireo sa tao anaty boky?
22. majesty ( 05/02/2007 04:44)
Tsy misy azoko mihitsy ilay adi-hevitra fa misafotofoto be ihany fa dia aleo mitazana fotsiny aloha.
23. prime ( 06/02/2007 11:18)
Izaho dia tsy miombon-kevitra amin'i xxx mihitsy eto... satria manana endrika fitsaràna ilay lohahevitra fa tsy fananarana velively...

Aoka tsy hifampitsara fa ho Azy Andriamanitra izany... Samy manana ny fahalemeny avokoa na Fiangonana iza na Fiangonana iza... fa aoka Jesosy ilay nandatsaka ny ràny no banjinina dia an'ny tsirairay ny mandinin-tena...
24. niryna ( 06/02/2007 18:06)
prime:

be loatra ny xxx's eto ka tsy hita intsony izay ho raisina.ilay chick.com io ve efa nijery i prime? Io no efa hitako fa ilay iray toa be zavatra misafotofoto marina

25. prime ( 07/02/2007 06:32)
niryna> i xxx ilay nanolotra lohahevitra no tiako resahina...

Misafotofoto marina...
26. xxx ( 08/02/2007 05:24)
Namaky io resaka io aho dia misy mitombona fa ilay izy lavabe.Ahoana no hanampiako ny havako tsy hivavaka ny sampy intsony fa hanantona an'i Jesosy? Betsaka ny fianakaviako mbola very ary tena feno la croix izay hivavahany, marie miaraka amin'ny zazakely,mba tiako ho voavonjy ny ain'izy ireo ka mba lazao ahy ny hoteneniko
Ampio aho ry prime, fiffi, niryna, cutie,dailynews,zina sy ny namany a.Ianareo ireo mantsy no mba mahafantatra fivavahana mety ho marina,misy namana hafa tsy maninona.
xxx hafa ity fa tsy ilay mpandefa a.
27. prime ( 08/02/2007 13:44)
Ny tokony hatao voalohany aloha dia mba ezaho ry zareo ny tsy hampiasa ity xxx ity... marina fa zonareo izany... fa raha hitory filazantsara ianareo ka tonga dia hitsara sy hanebaka ny hafa ao ambadik'ilay anarana tsy fantatra dia ataoko angamba fa tsy mety izany... ny olona tianareo itoriana fantatrareo, nefa ianareo hitory miafina ao ambadiky ny anarana tsy fantatra... hihaino anareo ve ny olona?

xxx> (ilay farany nanoratra) dia mahereza e... (na dia fantampantatro ihany aza ianao)...
28. Zina ( 08/02/2007 18:09)
xxx,

Ahoana no hanampiako ny havako tsy hivavaka ny sampy intsony fa hanantona an'i Jesosy

Ianao no mivavaka ho azy vavaka tena avy any am-ponao mihitsy (ilaina ny finoana)... tsisy afa tsy Andriamanitra ihany no mahay manova azy fa ny ataonao dia mivavaka ho an-drizareo sy mizara an'izay fantatrao... Isika mihaina eto an-tany ny lalana dia tsy maintsy misy foana ka ampisehoy an-drizareo ny lalan'Andriamanitra tsy moramora anefa ny manantanteraka an'io raha tsy misy ny fanahin'andriamanitra ao am-potsika.
Betsaka ny fianakaviako mbola very ary tena feno la croix izay hivavahany, marie miaraka amin'ny zazakely,mba tiako ho voavonjy ny ain'izy ireo ka mba lazao ahy ny hoteneniko

Lazao am-pitiavana ry zareo fa tsy Afa tsy Andriamanitra iray ihany no hivavan-tsika.. lazao an-drizareo ny Exodosy 20. Aza manana Andriamanitra hafa afa tsy izaho ihany oy Andrimanitra..
29. LazaDaddy ( 08/02/2007 19:56)
xxx:
Betsaka ny fianakaviako mbola very
ary izaho sy ianao ve efa azo antoka fa tsy very mialohan'ny iresahantsika ny olon-kafa?
xxx:
Ianareo ireo mantsy no mba mahafantatra fivavahana mety ho marina
Vakio Jakoba1:27
"Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao."
30. niryna ( 09/02/2007 07:38)
prime:

Ny tokony hatao voalohany aloha dia mba ezaho ry zareo ny tsy hampiasa ity xxx ity... marina fa zonareo izany... fa raha hitory filazantsara ianareo ka tonga dia hitsara sy hanebaka ny hafa ao ambadik'ilay anarana tsy fantatra dia ataoko angamba fa tsy mety izany... ny olona tianareo itoriana fantatrareo, nefa ianareo hitory miafina ao ambadiky ny anarana tsy fantatra... hihaino anareo ve ny olona?

xxx> (ilay farany nanoratra) dia mahereza e... (na dia fantampantatro ihany aza ianao)...

Be xxx hoy aho tamin'i prime teo aloha teo.Raha hanampy ny olona izy ka tsy te hanonona anarana dia tsy maninona fa raha handratra olona na hifanipaka ny teny marina amin'ny fivavahana na dia manao xxx amintsika aza izy dia Atra mahita azy fa tsy misy afaka miafina aminy.

31. niryna ( 09/02/2007 07:49)
[quote=xxx]
Ahoana no hanampiako ny havako tsy hivavaka ny sampy intsony fa hanantona an'i Jesosy?

Tsy misy afaka manova olona isika fa Atra irery ihany no manana fahefana amin'izany.Anjarantsika no mivavaka ho azy ireo
Betsaka ny fianakaviako mbola very ary tena feno la croix izay hivavahany, marie miaraka amin'ny zazakely,mba tiako ho voavonjy ny ain'izy ireo ka mba lazao ahy ny hoteneniko

Toy ny sary rehetra tsy midika na inona na inona ireo rehefa mahafinaritra azy ny manao haingotrano dia avelao ataony eo,omeo azy fotsiny hoy ny namana teo aloha ny baiboly misy ny didy folo Eksodosy 20:2-4

Ampio aho ry prime, fiffi, niryna, cutie,dailynews,zina sy ny namany a.Ianareo ireo mantsy no mba mahafantatra fivavahana mety ho marina,misy namana hafa tsy maninona.

Raha ny hevitro manokana aloha no tadiavinao dia tsy mora ny mitoriteny ny olona,mety mandray izy,kanefa koa mety tsia.Ataovy teny tsotra fotsiny.Raha miteny ny marina ao amin'ny baiboly ianao dia tsy ho diso mihitsy."If you stay with the truth of the bible, you will never go wrong."
niryna

32. xxx ( 12/02/2007 13:22)
Timoty voalohany 4:1-5
Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany ,manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia amin'ny fihatsarambelan-tsihin'ny mpilaza lainga ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, izay mandrara tsy hanam-bady ,ary mampifady hanina, izay nataon'Atra hoan'izay mino sady mahalala ny marina mba ho raisiny amin'ny fisaorana .Fa ny zavatra rehetra nataon'Atra dia tsara avokoa ,ka tsy misy tokony holavina,raha raisina amin'ny fisaorana satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
Araka io voalazan'ny soratra masina io dia tsy nandrara ny tsy hanambady mihitsy Izy fa tso-drano no nomeny hoe mamenoa ny tany.Tsy nampifady hanina koa izy ka hoe tsy maitsy mihinana trondro ny zoma.Fotoana farany niarahan'ny mpianany nisakafo tamin'ny tompo io ary dia namono lambo sy nanao sakafo maro fa tsy nisy ho karemy na trondro no nohanina tamin'io andro io.Mamorona manao lalan'olombelona fotsiny amin'izao dia milaza fa io no fahatsiarovana ny andro farany niarahana an'i Jesosy,ary dia manaraka ny olona tsy namaky baiboly:cry::cry::cry:
Nisy olona mpanjona ka tobaka be ny trondro ary io olona io no nampiditra saina ny mpitondra hafaary izay nifanarahan'izy roa lahy aloha tsy voalaza fa ny zava-nisy nataon'ny mpandinika no nolazainy dia nanao fanasana loha ny mpiangona ka teo no nanomboka ny fihinana trondro sy ny karemy.:twisted::twisted:
33. Fiffi ( 12/02/2007 13:59)
xxx:
Ampio aho ry prime, fiffi, niryna, cutie,dailynews,zina sy ny namany a.Ianareo ireo mantsy no mba mahafantatra fivavahana mety ho marina,misy namana hafa tsy maninona.
xxx: vonona ny hanampy anao tanteraka zah raha mba zay zavatra kely mba aiko .....ka hety hanampy anao...heu....mitovy hiany isika azo hatao hoe samy tsy mahay fa HIANATRA de andao hiaraka hianatra ary.....:-*:-*:-*

34. niryna ( 13/02/2007 07:12)
Fiffi:

xxx:
Ampio aho ry prime, fiffi, niryna, cutie,dailynews,zina sy ny namany a.Ianareo ireo mantsy no mba mahafantatra fivavahana mety ho marina,misy namana hafa tsy maninona.

xxx: vonona ny hanampy anao tanteraka zah raha mba zay zavatra kely mba aiko .....ka hety hanampy anao...heu....mitovy hiany isika azo hatao hoe samy tsy mahay fa HIANATRA de andao hiaraka hianatra ary.....:-*:-*:-*message

Inona ary no atao e.Toa tahakan'ny tsara tokony raha asiana fianarana fivavahana ato e

35. prime ( 23/02/2007 11:48)
Miova mihitsy ilay sujet...:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.255