Anti-Christ:Romana-katolika/tsy kristiana.

1. xxx ( 02/02/2007 14:29)
Rehefa tsy manaraka ny nataon'i Jesosy dia mpanohitra azy.Mifohaza isika fa tsy ny hoe efa niangona tao izahay dia miziriziry tsy mino.Aza ilay olona manoro antsika no enjehina fa ny zava-misy.
Romana katolika matanjaka satria mahery ny maizina.
http://jesus-is-savior.comHells truth/hells truth.htm
http://chik.com
Efa ela no niresaka ny namana maro tato saingy olona maro no manohitra azy ireo kanefa tsy manome ny tena valiny ireo mpanohitra.Vonjeo ny tenanao ary diniho ny mety ho fahamarinana na tsia ary aza kivy .
Hoy Jesosy:"Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay."Koa raha lalana izy ahoana isika no mandeha any amin'i Vierge-Marie?Efa nanana zanaka izy taty aoriana,efa nisy nanazava koa io matetika ary misy olona maromaro no manome fanazavana fa saingy tsy te-hihaino ny marina isika.
Iza moa ity vehivavy ity? Tlazolteotl,andriamanitra feno fahotana,mpiloka,mpivarotena ary mpanao ody sy ny zavatra maro herin'ny maizina.Maro no anarany ka Aztecs na Coatlicue.Araka ny finoana dia virgin goddless na "andriamanitra virijiny" izay lasa bevohoka.Ilay zanany lahy dia tokony ho lehiben'ny andriamanitry ny Aztecs na Huitzilopochitli.Io a/tra vavy io dia a/try ny volana sy ny kintana maraina sy hariva(goddess of the moon and of the morning/evening star)Venus.Ny firenena maro dia miantso azy Hecate,Astarte,Ishtar,Aphrodite,Venus,Isis and Semiramis.Amin'ny Romana katolika dia Vierge-Marie andriamanitra hiankohofana sy hivavahana"Virgin Mary"goddess.
Manomboka mihamazava amin'izay ny antony."koa ianareo tsy nanazava tsara fa tonga dia manenjika fotsiny hoe aza mivavaka amin'ny vierge-marie,izahay ve nahalala fa renin'Atra no nieritreretina azy hatramin'izay ka izahay voafikataka koa.Mba loza izany.
Io andriamanitra vavy io izany dia iray ihany fa ny firenena miankohoka azy no manana anarana hitenenana azy.Iza no anaran'ny zanany?Ny sasany miantso hoe Horus,Harpocrates,Mithras,Sol Invictus,Hercules,Attis ary Tammuz.Inona no hifandraisana amin'izany zaza izany?Io ilay zaza teraka t@ 25 Desambra.Efa manomboka miha-mazava amin'izay?
Izany no mahatonga ny kristiana miteny hoe Jesosy Kristy tsy teraka 25 Desambra,eny nisy zaza teraka Desambra dia io voalaza anarana maro karazana io.Dia ahoana indray ry xxx fa tena mahaliana sy mampanafitohina ny mino ny zava-misy sy voajony izahay,loza inona no atao?
Hanampy ny namana maro no tiako atao eto, mino sy nahita namana maro koa aho manampy eto .Diniho sy alalalino tsara fotsiny tsy misy adala akory andany andro hilaza ny tsy marina.Teto no nanomboka niforina ny eritreritry ny Rom.Kat nametraka an'i Jesosy zazakely,iza no tsy ho liana amin'izany!"Baby Jesus".Fa satria tsy kristiana ny Romana Katolika fa nampifangaro ny tsy mpino ny mpino tao am-piangonana dia nahita hevitra indray ry zareo ny hanakambana ny zaza sy ny renininy hiankohonana koa.Teo no nanomboka ny miankohoka azy ireo.Na lasa natao hoe Renin'Atra amin'izay na Mother of God.
Ary ahoana indray ilay zazakely no nivadika "baby Jesus"?
Tsy manome tsiny antsika aho satria tsy nahafantatra isika.Ary raha tsy mitombona ity,matanjaka be ny katolika ka tsy ampy ho tsofiny akory ny mpanenjika azy?Vakio koa ny baiboly izay manapaka hazo atao ravaka.Ny fametrahana ny hazon'ny noely izany dia tsy hoe mahatsiaro an'i Jesosy isika,mbola hafa indray io. Satria tsy fantatra marina ny andro nahaterahany dia toy ny rehetra mankalaza ny nahaterany ary dia nifanarahan'izao tontolo izao io 25 Des io saingy tsy nanana fahalalana firy angamba ny olona dia nanaiky fa raha azo hovainy dia efa novaina satria izay efa voasoratra dia voasoratra.Saingy ao am-potsika izy amin'ny fotoana hinoan-tsika azy.Ahoana koa izany fa mampisavorivory ny lohako ianao.Izy dia efa teto tamin'ny voalohana,nivadika nofo toa antsika izy mba ahalalantsika fa izy dia nahafantatra izany fahoriana ara-nofo izany,nijaly,novonoina.Izy anefa tsy nanana fahadisoana ka izany no nahareseny ny fasana.Satria izy fanahy masina dia afaka miditra ao am-potsika izy.Ny fahalalantsika ny marina no hanafaka antsika koa aoka isika tsy hifanome tsiny fa tsy nahafantatra.Satria nampifangaroan'ny pagan sy ny Rom.Kat ny fivavahana mba hisariana olona betsaka ary efa an-taona maro io.Izay no antony nampisaraka azy ny fivavahana hafa satria nisy tsy marina betsaka tao dia nanomboka tamin'izay ny fifanoherana.
Ny Marie renin'i Jesosy sy Mary goddess,ary Jesosy sy ny zazakely sandoka natao hoe jesosy "Lord Jesus Christ and the fake jesus god-baby".Ireo dia zavatra roa samy hafa na ny finoana na ny fanompoana."life and death" Hafa ihany koa satria ny iray dia hitarika antsika ho an'ny @fiainana mandrakizay"eternal life/heaven" ary ny iray dia hitarika antsika ho any amin'ny fahaverezana"lake of fire"/death.
THE TRUTH WILL MAKE YOU FREE.
Averiko indray fa tsy manenjika ny mpivavaka Romana katolika aho fa mamporisika azy ireo mba hiratra ny masony fa mbola betsaka ny zavatra tsy fantatsika.
Ny faniriako dia aoka isika tsy ho tezitra na hirefotra fa diniho ny zava-misy ary valio amin'ny zavatra mitombona fa aza hoe manisy ilay olona.Raha misy katolika nahatsapa ny zavatra maro diso tao amin'ny fiangonany dia mba mijoroa vavolombelona manampy ny namana, havana, rahalahy sy rahavavy very tsy nahalala.Mety ho diso fanantenana ianao satria tsy mahalala,tsy maninona izany,tsy mbola tara isika fa afaka manantona an'i kristy tompo soa.Hoy ny hira hoe mitsangana hoy ny tompo fa izy no homba anao,mandehana mba hitarika ny jamba ..Satria izy no tena A/tra koa aoka ho fantany...mandehana ,mitsangana fa izy no homba anao.Mandehana hanatanjaka ny osa,.....ka vitao ny asanao..."
novalian'i prime ny 23/02/2007 11:48
2. LazaDaddy ( 02/02/2007 14:44)
xxx>

1) mankarary maso fa lava be
2) mandratra fanahy satria betsaka teny tsy voahevitra - na diso mihevitra loatra noho izay tokony heverina (na mety ho misy fahamarinany tapatapany aza)
3) mahonena satria tsy fantatra hoe "iza ary io xxx mangidy fo io, ahafahana mivavaka ho azy"
3. jefra ( 02/02/2007 16:00)
Miombo-kevitra am Laza. Dia ampiako hoe:

-Betsaka ange ny niseho azy ho mpivavaka hono tao Jerosalema ao tam fotoan'androny. Ka dia mety diso fijery daholo tokoa isika, na ilay mpitsikery no mety tsy izy.

-Dia aza hadino ilay hoe: "Ny fihevitro tsy fihevitrareo" :wink:
4. Zina ( 02/02/2007 16:35)
Betsaka ange ny niseho azy ho mpivavaka hono tao Jerosalema ao tam fotoan'androny. Ka dia mety diso fijery daholo tokoa isika,


Marina izany,
ho betsaka mihitsy ny olona izay ho voavonjy ivelany fiangonana inona io na fiangonana inona...
Ndray2 ary ny olona tsy ampoizinao iny indray no tena voavonjy ...
Ny zavatra tokony ataon-tsika dia ny miteny ny fahamarinana ka raha itany ilay olona dia alainy ary raha itany fa ratsy dia ho ariany... Antsika tsiray2 avy no mieritreritra dia izay...:wink:
5. tywa68 ( 02/02/2007 17:14)
Tsy hanome tsiny anao @ teny lavabe nataonao, satria marina ny fijerin'ireo namana efa namaly, toa be resaka hafa² ... Soa fa tsy ny etikety nalainao teto an-tany no hanavotana anao, fa ny finoanao Azy ho mpanavotra anao.
Samy manana ny fahamendrehana eo imason'i Tompo ny olombelona ary tsy misy afaka mitsara hoe ry no mety na ry diso be sns ... samy manao zay mety arakarak'ilay finoana azony io.

6. fijo ( 03/02/2007 06:04)
fehiny hialao io mivavaka io,fa manimba fiainana fotsiny
7. Achia ( 03/02/2007 06:23)
LD sy Zina mahagaga nareo zany an ! :roll:
8. simplex ( 03/02/2007 09:50)
Refa natao ny fandinihana lalina d metimety kokoa ny tsy mivavaka na aiza na aiza :°):oops:8)8)
9. Zina ( 04/02/2007 02:01)
Achia a,
ny valintenin'i Jefra no valiako ...
Tsy manana commentaire ao momban'ilay lazain'i xxx...
10. niryna ( 04/02/2007 07:49)
chick.com angamba no tian'i xxx ho tenenina io fa nijery aho fa toa tsy misy na mifandraika ny fivavahana.
11. niryna ( 04/02/2007 08:02)
[quote=xxx]
Rehefa tsy manaraka ny nataon'i Jesosy dia mpanohitra azy.Mifohaza isika fa tsy ny hoe efa niangona tao izahay dia miziriziry tsy mino.Aza ilay olona manoro antsika no enjehina fa ny zava-misy.
Romana katolika matanjaka satria mahery ny maizina.
http://jesus-is-savior.com Hells truth/hells truth.htm
http://chick.com
Efa ela no niresaka ny namana maro tato saingy olona maro no manohitra azy ireo kanefa tsy manome ny tena valiny ireo mpanohitra.

Sarotra be ny hiteny olona ry xxx fa efa resaka lavabe tsy mety tapitra ity a
Avelao rehefa tonga ny fitsarana dia izy ihany no hitsara antsika tsirairay avy
12. niryna ( 04/02/2007 08:09)
xxx jesus-christ-is savior.com no mivoaka efa nahita io aho fa toa tsy mivoaka ilay nisy nandefa tany amin'ny hafa misy ilay devoly be sa tsy mitovy ny web ,dia inona daholo io gorilla be io?
13. niryna ( 04/02/2007 08:15)
fijo:

fehiny hialao io mivavaka io,fa manimba fiainana fotsiny


Tsy afaka miala fivavahana izany isika,raha tahaka ahy aloha e. Tazomy fotsiny ny finoanao fa tsy voatery hanaraka izay tsy izy.kanefa tsy hitan'ny tena intsony tokoa izy ity fa toa mitsangana toa marina daholo.Na iza manakivy ahy na iza ny finoako ihany no tazomiko
14. niryna ( 04/02/2007 08:16)
xxx a misy teny gasy ve io chick.com io sa dia teny anglisy ranofotsiny?
15. Ruby ( 04/02/2007 13:16)
fijo:

fehiny hialao io mivavaka io,fa manimba fiainana fotsiny

zah nefa te mba hivavaka fa fanimpanina kely fotsiny aho fa toa tsy dia hitako eto loatra izy fa olona mifamely fotsiny ny eto. Fa tsy mampiova hevitra ahy aloha e. Angamba tsy eto aho no mila mandeha raha te handalina izany an


16. Ruby ( 04/02/2007 13:19)
simplex:

Refa natao ny fandinihana lalina d metimety kokoa ny tsy mivavaka na aiza na aiza :°):oops:8)8)

ndriii...andao ary hiaraka hitady an Atra miaraka e. Hihihi.


17. xxx ( 04/02/2007 19:16)
Ruby:

fijo:

fehiny hialao io mivavaka io,fa manimba fiainana fotsiny

zah nefa te mba hivavaka fa fanimpanina kely fotsiny aho fa toa tsy dia hitako eto loatra izy fa olona mifamely fotsiny ny eto. Fa tsy mampiova hevitra ahy aloha e. Angamba tsy eto aho no mila mandeha raha te handalina izany an




izaho koa aza mba faly mianatra soratra masina koa andeha hiala aiza indray

18. xxx ( 04/02/2007 19:20)
[quote=niryna]
[quote=xxx]

http://jesus-is-savior.com Hells truth/hells truth.htm
http://chick.com
Sarotra be ny hiteny olona ry xxx fa efa resaka lavabe tsy mety tapitra ity a
Avelao rehefa tonga ny fitsarana dia izy ihany no hitsara antsika tsirairay avy
io nataon'i niryna io ny marina sy mivoaka ry xxx fa tsy azo hovaina angaha


19. xxx ( 04/02/2007 19:28)
Inona daholo ireo fivavahana navoakan'i xxx ireo ?
Rehefa dinihina toa saika tafiditra daholo ny karazany rehetra.Inona izany no tena atao hoe kristiana fa toa misy lesoka izy rehetra:twisted:
20. cutie ( 05/02/2007 00:01)
Marina izany,
ho betsaka mihitsy ny olona izay ho voavonjy ivelany fiangonana inona io na fiangonana inona...
Ndray2 ary ny olona tsy ampoizinao iny indray no tena voavonjy ...
Ny zavatra tokony ataon-tsika dia ny miteny ny fahamarinana ka raha itany ilay olona dia alainy ary raha itany fa ratsy dia ho ariany... Antsika tsiray2 avy no mieritreritra dia izay...

:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7102