Inona ry ireto no tokony ataoko?
1. niryna
(
01/02/2007 17:07)
Narary ity mpiara-miasa amiko dia nividy carte postale kely aho hanoratan\'ny namana ho azy.
Nanafatra tamin\'ny olona izy hoe raha misy mandefa CP
aty amiko na te hiantso an-telefaonina dia aza omena an\'i xxx mihitsy ny CP na ny tele-ko fa tsy mila aho?
Raha ianareo no tenenina izany satria niady saika tapaka lalan-dra ity marary niady an\'i xxx.
Raha mangataka ilay CP hanoratany ity marary ve izy dia tokony omeko azy sa tsia?
Any am-piasana dia misy ny namana akaiky ary misy ny tsy miresaka na tsy mahay miresaka, misy ny manome olana ny rehetra.
Ny zavatra nahavariana ahy dia ny olona tena tsy mifamela heloka mihitsy.Mety iny andro iray iny no ahitanao ilay olona farany.Teo ny hatezerana, ny teny ratsy, ny manompa sy manozona ilay marary, ny mitamberina ny nataony taminy,ny mitsy hoe mpanankarena iny koa izahay indray ve no hanome azy,ataony aiza ny volany,fa angaha ny assurance tsy manampy azy,iny koa anie milaza azy ho boby e.Ireo olona nanao teny mahery ilay marary ireo dia tsy nisy nahafoy nanome na ariary aza.nefa isika mety ho voa koa na marary ihany koa .
Mety ratsy toetra ilay marary kanefa raha mamaly ratsy ny ratsy ny tena dia ho hisy andeha amin\'izay alehany ve ity fiainana ity.Amiko ny fanomezana azy CP dia mety hanova azy na ahatonga saina azy hoe tia azy ireto olona manodidina azy,mety hanova ny toetrany koa aza.
Ahoana ny eritreritrao.

novalian'i niryna ny 08/02/2007 06:55
2. melody
(
02/02/2007 09:47)
Nanafatra tamin'ny olona izy hoe raha misy mandefa CP
aty amiko na te hiantso an-telefaonina dia aza omena an'i xxx mihitsy ny CP na ny tele-ko fa tsy mila aho?
Amiko manokana aloha ry niryna an, rehefa nanafatra hoatr'izay ilay namana dia tanterahiko ilay hafatrany. Fa honoa, malagasy ve ireo olona lazainareo ireo sa vahiny? Fa na malagasy aloha na vahiny dia tena hitako fa ambany saina be zareo.
Mety ratsy toetra ilay marary kanefa raha mamaly ratsy ny ratsy ny tena dia ho hisy andeha amin'izay alehany ve ity fiainana ity
Izany ange hoa e!
3. miarina
(
02/02/2007 10:11)
Efa nanafatra anao izy hoe aza omena ka inona no antony mbola anomezanao azy. Ianao ve raha misy zavatra tsy tianao dia mbola ataony olona aminao dia inona no ataonao.
Samy manana ny toetrany ny olona ... ka inona moa ny olana na tsy hita intsony aza iny olona nanao ratsy iny. Inona no antony amelana heloka .. ny olona tsy hanana pitié aminao manao ratsy ka inona no antony iraharahianao azy.

4. jra
(
02/02/2007 10:15)
marina ny an'i miarina.
Fa i nyrina ve no tena mpandamina an'izao tontolo izao e ?
na inona antony na inona : efa niteny izy hoe aza omena olonkafa dia mbola homena ihany ?
sa niteny taminao Andriamanitra hoe omeo ? :lol:

6. xxx
(
02/02/2007 11:47)
zao marary zao aloha izy avelao hijanona @ zao ny carte sao vao mainka mampitombo hatezerana sy ny sisa
na izany na tsy izany anefa hilaza hevitra kely ihany aho , tsy de miombon-kevitra loatra @ le hoe tsy mamela heloka aho na inona na inona ratsy natao , ny olona rehetra samy manana ny kilemany daholo , tsy ny mpangalatra , na mpamono olona irery ihany no atao hoe ratsy fa na toetra na fanahy ratsy daholo , betsaka ny azo kilasiana ho ratsy ,rà za manokana aloha de tsy mitana alahelo na @ iza na iza zany , marina fa refa mitranga ny zavatra , malahelo marary fo sy ny sisa fa kosa tsy tazonina am-po atao aretina sy mankarary zany ,koa raha tapitra angoninao ao aminao daholo ary zany ireo ataon'olona aminao zany tsy ho faty tampoka eo
ny mahavoa antsika mantsy de zao mihevitra fa manambany tena na manetry tena ny manao azafady na mamela ny heloky ny hafa na diso enao na tsia ,nefa io moa samy manana ny fisainany avokoa
fa zà manokana aloha tsy te hitantara aho fa raha misy olona manana alahelo amiko na tezitra amiko de tsy maintsy manao premiers pas aho na diso izy na tsia , manoratra foana aho na mamaly izy na tsia , na mandray izay lazaina izy na tsia fa au moins efa nanao ny anjarako aho , ataoko tsapany fa tsy mitana alahelo azy aho de ampy ahy zay sady milamina ny saiko , izy ndray avy eo mieritreritra ny ambiny sy ny sisa
7. xxx
(
02/02/2007 15:48)
xxx a mitovy ny hevitrao ny teneniko hay isika samy xxx daholo:D:D
Niryna a raha omenao ilay tsy tia azy ilay carte ka miakatra eo ny tosidra-ny dia any aminao ny lesoka.
Miaiky an'i Niryna ity aho a

8. niryna
(
02/02/2007 22:37)
miarina:
Efa nanafatra anao izy hoe aza omena ka inona no antony mbola anomezanao azy. Ianao ve raha misy zavatra tsy tianao dia mbola ataony olona aminao dia inona no ataonao.
Samy manana ny toetrany ny olona ... ka inona moa ny olana na tsy hita intsony aza iny olona nanao ratsy iny. Inona no antony amelana heloka .. ny olona tsy hanana pitié aminao manao ratsy ka inona no antony iraharahianao azy.
miarina a ny olana dia misisika te-hanoratra ilay carte ilay olona dia nisy ramatoa tonga dia niteny tamiko hoe tsy mety ny nataoko fa tokony nomeko ilay carte izy
9. sitlo
(
03/02/2007 04:30)
ohatra ny mifangaro ilay olana sy ny fihetseham-po dia tsy arako intsony.
10. niryna
(
03/02/2007 17:38)
sitlo:
ohatra ny mifangaro ilay olana sy ny fihetseham-po dia tsy arako intsony.
Nisy olona narary tato am-piasako dia nividy carte aho ary samy nanoratra daholo ny olona.Nisy iray anefa niady ity marary ary io no nampiakatra ny tension-ny sy nampitombo ny aretina ka nahatongaazy niditra hopitaly.Nanarafatra anefa ilay marary fa tsy azo omena carte io niady aminy io ary tsy avelana hiantso azy an-telefona.Nihizingizina haka ny carte ilay olona hanoratra kanefa aho efa niteny taminy fa tsy avelan'ilay marary a vao maika mankarary azy.
11. sitlo
(
03/02/2007 17:57)
izay vao azoko
Raha izany dia aza omena. Azavao aminy (amin'ny fomba tsy hisian'ny romoromo) hoe izy no nankarary ilay olona ka aleo aloha ilay olona ho sitrana. Ny olana rehetra mantsy tsy voatery ho voaravina amin'ny fotoana fohy. Aleo hotsaboan'ny fotoana eny ny romoromo fa ny fahasalamana aloha izao no vaindohan-draharaha.
Eo amin'ilay mamela eloka.
Kristianina: tiavo ny fahavalonao (na inona na inona ataony) ets...
jiosy: taloha ny maso solon'ny maso, nify solon'ny nify. Fa ankehitriny, mamela eloka ihany ry zareo. Fa misy fetrany. Izaho koa ohatra ny momba an'izay. Asio fetrany ny famelan-keloka.

12. niryna
(
04/02/2007 06:02)

Tena niady foana ireo olona roa ireo isan'andro,tsy mahay mifandefitra,ny iray maka ilay izy ary ny iray mpanadro, tena nalahelo ilay tsy mahazo manoratra carte,mampalahelo ahy indray nijery azy androany.Ilay marary no tsy tokony hanao lolom-po.Eny misy na mpiray tam-po aza tsy mifandevi-maty vokatrin'ny fo ratsy io koa.Mbola naveriny indray hoe fa maninona hoy aho izaho tsy mahazo manoratra.Rehefa tonga izy mba mangataka aminao aho hanontany azy ny antony.Vao maika mitombo ny olana,izaho tsy te-hiditra intsony:roll:
13. xxx
(
06/02/2007 07:25)
Niryna a fantako ianao fa manana fo manampy olona.Rehefa noteneniny hoe aza omena dia aza atao.Be ny mpitsikera,tsy olana izany.Matetika ny manao soa ihany no voahenjika.Aza mitsahatra ny manao soa fa tsy misy nenina ho anao izany.Ny ratsy tsy kely lalana,ny hamingana anao no tanjony.
14. niryna
(
08/02/2007 06:55)
xxx:
Niryna a fantako ianao fa manana fo manampy olona.Rehefa noteneniny hoe aza omena dia aza atao.Be ny mpitsikera,tsy olana izany.Matetika ny manao soa ihany no voahenjika.Aza mitsahatra ny manao soa fa tsy misy nenina ho anao izany.Ny ratsy tsy kely lalana,ny hamingana anao no tanjony.
Misaotra ry xxx a.Izaho koa manao izany,maro ny mpietraketraka ary ireny olona manodidina antsika rehetra ireny no ampiasain'ny satana anjera antsika