T de jehovah

1. xxx ( 31/01/2007 13:48)
Marina ve zany fa tsy 25 déc ny nahaterahan' ny jesosy ? araky ny tennin ' ny T de jehovah. sy hoe tsy teo @ la croix izy no nofantsiana ?
novalian'i mendrika ny 15/03/2007 21:41
2. dailynews ( 31/01/2007 17:22)


ny nahaterahan i Jesoa dia tsy 25 dec. Ary tsy maninona izany satria tsy ilay andro no hankalazaina fa ilay fahatsiarovana fotsiny ihany izay nahatongavany teto ambonin ny tany. Koa raha 1er mai aza no mba mahafinaritra anao indray hanaovana ny krisimasy nao dia tsy maninona fa mino aho fa faly foana Jesoa rehefa mahatsiaro azy ianao. Ary izay no zava dehibe indrindra. Ny 25 dec no efa neken ny fiangonana maro dia izay no hanaovana azy miaraka.
misy ny fiangonana tsy mankalaza azy io ihany koa. Tsy maninona ihany koa izany fa na mankalaza ianao na tsy mankalaza andro firavoravoana iray. raha tsy mankalaza ianao fa tsy resy lahatra, raha ho an i Jesoa no hanaovanao izany dia faly izy. Ary raha mankalaza ianao satria resy lahatra fa ho an i Jesoa no hanaovanao izany dia ho faly ihany koa izy. fa aoka fotsiny ny mankalaza ilay andro tsy hitsara ny tsy mankalaza ary ny tsy mankalaza tsy hitsara ny mankalaza. (vakio rom 14 momba io)

Na la croix na tsy la croix: tsy izany no zava dehibe ihany koa: Fa tadidio fa ny zava dehibe foana dia i Jesoa maty nisolo ny heloky ny olombelona rehetra ary nitsangana t@ maty t@ andro fahatelo.

ny TJ dia aoka hazava aminao androany fa tsy mino an i Jesoa ho zanak Atra sy Atra izay averimberin ny baiboly hatrany. Tsy kristiana izy izany. Koa aza manaiky ho hahozongozony ny finoanao amin ny resaka ivelambelany tahaka izany.
3. dailynews ( 31/01/2007 17:27)
azafady: mino izy fa zanak Atra i Jesoa fa tsy mino izy fa Atra i Jesoa.
vakio anefa ireto rehetra ireto fa manamporofo fa Atra Jesoa( jao 17:11; jao 10:30; jao 14: 10; apok 22: 13; apok 21:6: samy nilaza zavatra iray mitovy izy teto amin ity apok ity; jao 17: 11; jao 17;21; jao 17:5; jao 17: 24; asa 2:36 ...)
4. kitjo ( 31/01/2007 17:27)
Taty Singapour roa taona lasa izay dia nofoanan' ny Fanjakana ary tsy navela hanohy teto intsony ny Temoins de Jeovah..

Ny antony dia manasaritaka saim-bahoaka hono ary betsaka ny zavatra ataondry zareo no mifanohitra @ "Education civique" izay imasoan' ny Fanjakana...

Ohatra amin' iznay ny tsy fampiasandry zareo "calendrier"..tsy mahazo manaraka daty sns..tsy mahazo mankalaza fety....kanefa aty Fetim-pirenena no fety tena malaza sy fitaizana ny olom-pirenena indrindra..ohatra fts io!!

Efa maro koa ny zavatra hitako tany Dago, indrindra rehefa misy fahoriana na ray amandreny aza ka tsy ankasitrahako mihitsy io fomba fivavahana na antokom-pivavahana iray io!
5. chipie1 ( 31/01/2007 19:32)
tsy miditra ampiangonana (hafa ) koa ny temoin de jehovah
6. Zina ( 31/01/2007 22:58)
Toa ohatran'ny tsy dia mahare an'io intsony aho aloha e...
7. xxx ( 01/02/2007 00:21)
Marina ve zany fa tsy 25 déc ny nahaterahan' ny jesosy ? araky ny tennin ' ny T de jehovah. sy hoe tsy teo @ la croix izy no nofantsiana ?



Tena marina io ry xxx an! Sokafy ny baibolinao de vakio tsara sy diniho lalina dia ho hoitanao ny tena fahamarinany. De ianao ihany no maka ny fanapahankevitrao manokana avy eo.
8. niryna ( 01/02/2007 07:19)
dailynews:

azafady: mino izy fa zanak Atra i Jesoa fa tsy mino izy fa Atra i Jesoa.
vakio anefa ireto rehetra ireto fa manamporofo fa Atra Jesoa( jao 17:11; jao 10:30; jao 14: 10; apok 22: 13; apok 21:6: samy nilaza zavatra iray mitovy izy teto amin ity apok ity; jao 17: 11; jao 17;21; jao 17:5; jao 17: 24; asa 2:36 ...)

Tena mihombokevitra aminao aho ary ny tena olana eto ry daily dia raha vao miteny ny marina ny tena dia hoe inona no tena marina.kanefa isika tsirairay avy dia manana anjara ny hanavotra ny fanahin'ireo izay mbola tsy mahalala ny marina.
Jaona 1:1-4 no fanazavana tsara indrindra ilazana fa Atra(Ray), Fanahy Masina ary Jesosy(Zanaka) izay telo izay iray(trinity)

9. niryna ( 01/02/2007 07:34)
kitjo:

Taty Singapour roa taona lasa izay dia nofoanan' ny Fanjakana ary tsy navela hanohy teto intsony ny Temoins de Jeovah..

Ny antony dia manasaritaka saim-bahoaka hono ary betsaka ny zavatra ataondry zareo no mifanohitra @ "Education civique" izay imasoan' ny Fanjakana...

Ohatra amin' iznay ny tsy fampiasandry zareo "calendrier"..tsy mahazo manaraka daty sns..tsy mahazo mankalaza fety....kanefa aty Fetim-pirenena no fety tena malaza sy fitaizana ny olom-pirenena indrindra..ohatra fts io!!

Efa maro koa ny zavatra hitako tany Dago, indrindra rehefa misy fahoriana na ray amandreny aza ka tsy ankasitrahako mihitsy io fomba fivavahana na antokom-pivavahana iray io!



Marina tanteraka io teninao io ary betsaka ny ttsy afafindry zareo izao milaza fa diso daholo ny fivavahana.
Tsotra fotsiny ny valiny ho antsika rehetra tsy misy ankanavaka.Mila manao fikarohana kely isika@ity in1ty

Andriamanitra, zanaka ,fanahy Iray ihany ireo ary vakio ny baiboly Jaona 1:3 Tamin'ny voalohany ny Teny,ary ny teny dia Atra.Izy dia tao amin'Atra t@voalohany.Izy no nahariana ny zavatra rehetra.Ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao.
Dia tohizo vakiana ary ny manaraka.
10. niryna ( 01/02/2007 07:36)
Zina:

Toa ohatran'ny tsy dia mahare an'io intsony aho aloha e...

Izao izy vao tena feno ary manana trano ngezabe tsy misy toa izany izy ao amerika ao.

11. niryna ( 01/02/2007 07:47)
Nisy sehatra iray niarahako mikasika fivavahana nataoko tato omaly ary tonga nanao soratra lavaba ilay olona TJ
resaka baiboly ranofotsiny tsy misy fanazavana.
Mibeba fa efa akaiky ny farany ho izy izay.
Ho antsika aza manaiky ho rebireben'ny TJ izany hoe efa akaiky ny farany.Jesosy izay hivavahatsika aza tsy inoanay koa farany aiza.JC azatsy mahalala ny farany.
Ity koa no noteneniny.Tsy misy paradisa izany hono.Koa tsy anao kidaondrano hoany amin'ny afobe daholo izany ny olona?Tsy mila mivavaka intsony izany raha izany.
Nolazainy fa efa tonga faharoa hono Jesosy. Omeo porofo izahay ary aiza izy izao.Raha miteny izy hoe efa any an-danitra dia tsy tonga teto izy izany.Tsy manaraka fe manaraka fotsiny isika fa mijery izay ao anaty baiboly.
Izaho no voalohany sady farany hoy Jesosy.Koa ahoana no tsy hinoany fa Atra izy.
Ahoana no ahalalanao hoe TJ ilay olona? Tsy miteny anaran'i Jesosy izany mihitsy izy fa Jehovah foana no ampiasainy.Tsy misy tandroka ny ratsy ary sarotra ny mamantatra ny marina.EFa feno ny anti-Christ ary izy no anisany fiangonana iray.
Vakio ny www.chik.com fa ho hitanao ao ny tantara marina izay mety mahaliana na mahatezitra anao satria tsy nifanaraka ny fivavahanao.Mahereza aza.
12. xxx ( 01/02/2007 09:55)
Mafinaritra ny dinika , misaotra anareo fa afaka manohy zay mbola manana hevitra , izaho aloha dia tsy ho voarebirebin ' ny TJ izany , efa notaizaina nandritra ny taona maro aho t@ fivavahana protestanta sy katolika , ka sarotra ny hiverin dalana anaiky ny tj izay mifanohitra tanteraka t@ nanabeazana ahy hatramin ' izay .
13. lila ( 01/02/2007 10:39)
nisy fotoana nianatra baiboly tam TJ (araka ny interprétation ny) namako akaiky hatram zao io nampianatra ahy io fa ny zavatra tsapako sy nahasosotra ahy nandritra ny fampianarana: mitsaratsara olona sy manambonimbony tena ho hany manana ny marina, voatonona sy voatsikera daholo ny fivavahana sy ny mpitondra fivavahana rehetra ary sahy miampanga azy rehetra ho avy am devoly. am zany izy dia andinintsoratra masina vitsivitsy mifanadrify am ze inoany no entiny hanamarinany ny tenany, ary io toetra mitsikera ny hafa sy manamarintena am ze sendra manadrify azy io dia raikitra am 95% n'ny olona TJ eo am fiainana andavanandro. dia nefa misy andinintsoratra masina hafa manohatra izay zavatra lazainy fa ny azy ihany no asesiny. ny nahafinaritra ahy dia namporisika ahy hahalaha bebe kokoa izay inoako io fianarana io, mba maniry toy izany koa aho ho antsika rehetra fa rehefa fantatra izay inoana n'iza n'iza miteny vao maika hampitombo ny finoana ao anaty izay fa tsy hampihemotra.
14. prime ( 01/02/2007 10:47)
Efa nisy lohahevitra manokana ity, niverina fa tsy maninona... na ny resaka TJ, na ny resaka 25/12, na ny resaka hazo fijaliana...

Miambina sy manorina ny finoana sy ny fanantenana ao amin'i Kristy ihany no azo antoka...

15. xxx ( 01/02/2007 10:54)
izaho ihany no nametraka fanontniana ny TJ sy 25/12 , fa avadiko kely ny pejy / Ary ny TFM eto Mada ve fiangonana tsotra sa sect e !!! ? manana eritreritra hafahafa ihany koa ry zareo reo .
16. kitjo ( 02/02/2007 01:25)
Ny zavatra tena matanjaka ao amindry zareo dia ny Marketing.
Misy sampana manokana mihitsy ao natao hijono ny mpanankarena (asa nohon' ny ampahafolon-karena v?)

Ny hitako ho olana iray koa dia rehefa tapa-kevitra ny olona iray fa hiala ao amindry zareo; dia voarara daholo izy rehetra na hiarahaba izany olona izany aza..

betsaka ny fantatro oe niala t@ fianakavina na nisara-panambadiana, noterendry zareo raha toa ka tsy mety hanaraka ny fianakaviana..tokony ho izany ve ny tanjona?

tsy fanaratsiana be fahatany akory fa tena tsy voako e!!:{
17. Zina ( 02/02/2007 03:00)
Izao izy vao tena feno ary manana trano ngezabe tsy misy toa izany izy ao amerika ao.


misaotra Nyrina a
18. lila ( 02/02/2007 08:22)
refa sendra tafaraka am TJ ianao indray andro any, ohatra hoe sendra tafaradalana dia izy nde hivory ka tsy te hanaraka aminy dia aleo miala fa lasa harcelement mintsy ny hoe ndao hiaraka aminay. tena manao stratégie marketing toko anga ry zareo reo fa ireo karana eto mada reo presque TJ daholo.
19. xxx ( 02/02/2007 09:39)
Ary mba manao ahoana ilay TFM eto dago e !!! karazana fivavahana inona indray izy io , misy milaza fa hoe sect koa izy io marina ve izany ??
20. kitjo ( 02/02/2007 16:27)
inona ny fanalavana an' io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5318