miaraka @ vadin'olona

21. Fiffi ( 11/02/2007 22:15)
indrisy.....
22. naritsimba ( 15/02/2007 08:23)
Amiko aloha dia matoa ny lehilahy manao sipa hafa ankoatran'ny vadiny dia tena tsy mamely ny toetran'ilay vehivavy izany, amiko rehefa tsy manaiky ny vehivavy fa ny lehilahy no lohan'ny fianakaviana dia aleo manao lohany any @ hafa.
Ny vehivavy mantsy miseho azy mafy loha dia aleo ho azy ny azy fa betsaka ny vehivavy manaiky sy manaja ny lehilahy ho loham-pianakaviana, sady misy koa ange vehivavy raha tsy efa tena mivady tsy mampiseho ny toetra ratsiny e, ka aza maika ny hanambady ry zalahy fa aleo manao sipa be dia be dia rehefa miseho ho saro-piaro tafahoatra dia aleo misaraka an.
23. Fiffi ( 15/02/2007 09:13)
ay ! ay ! ay ......
24. Fiffi ( 15/02/2007 09:14)
naritsimba! tsy ny vavy rehetra kosa akia no manao an'zany an ! marina fa misy zany fa.....
25. xxx ( 16/02/2007 08:42)
naritsimba:

Amiko aloha dia matoa ny lehilahy manao sipa hafa ankoatran'ny vadiny dia tena tsy mamely ny toetran'ilay vehivavy izany, amiko rehefa tsy manaiky ny vehivavy fa ny lehilahy no lohan'ny fianakaviana dia aleo manao lohany any @ hafa.
Ny vehivavy mantsy miseho azy mafy loha dia aleo ho azy ny azy fa betsaka ny vehivavy manaiky sy manaja ny lehilahy ho loham-pianakaviana, sady misy koa ange vehivavy raha tsy efa tena mivady tsy mampiseho ny toetra ratsiny e, ka aza maika ny hanambady ry zalahy fa aleo manao sipa be dia be dia rehefa miseho ho saro-piaro tafahoatra dia aleo misaraka an.



aie aie aie , soa fa nataonao hoe "amiko aloha", izany hoe aminao irery izany no marina .

Rehefa te handeha sy te hanalava ny rambonareo any ivelany any nareo lehilahy dia aza ailika aty @ vehivavy mihintsy ny olana azafady . Ataovy carte sur table dia mifanazava fa tsy mihodikodina any ambadika any dia manaratsy ny vady ao an-trano . Raha tsy miteny ianao hoe misy zavatra ataon'i madama tsy tianao , aiza no hahafantarany ?

Misy koa ny lehilahy tsy hita izay maha loham-pianakaviana azy, ialàko tsiny, ka dia voatery ny vehivavy mandray andraikitra , ny tokatrano tsy maintsy misy mitondra !!!
26. fijo ( 16/02/2007 23:03)
paris an,kilalao mahasoa io ka.ary aza rarana ny olona hifankatia e
27. paris10 ( 17/02/2007 13:27)
amiko ny lehilahy manambady manana sipa dia tenda kanina izy zany,tsy mahay mionona,tia aventure fotsiny,d tsy maintsy miseho fa ......
28. linjo ( 19/02/2007 06:29)
ilay hoe vadin'olona no iaharahana, dia efa tsisy resaka fa fijangajangana io, olona tia tena tsy mba mihevitra afatsy ny fafinaretan'ny tenany ihany, fa raha mba mihevitra ny hafa na dia kely fotsiny aza, dia tsy hanao izany na oviana na oviana;
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.047