Inona sisa no tsy maty ?Noa nanao sambo

1. niryna ( 31/01/2007 07:31)
Rehefa noresahin'Atra Noa hanao sambo satria naditra sy tsy nanaraka ny tenin'Atra ny olona.Inona sisa no tsy maty, tavela taty ivelan'ilay sambo tamin'ilay tondrandrano?
Marihako ity fa tsy ao anaty baiboly ny valiny fa mety ho azonao eritreritra!Miandry ny valiny any aminao ary
novalian'i niryna ny 08/02/2007 18:07
2. majesty ( 31/01/2007 09:09)
innn re e! izay zava-manan'aina rehetra afaka mivelona ao anaty rano no tsy maty kou inn ndray ary mou:D
3. prime ( 31/01/2007 11:59)
niryna> sangisangy zary tena sa...?:-D:-D
4. xxx ( 31/01/2007 12:15)
vakio ny baiboly fa aza be fanontaniana foana hoa!
Lasa adala eo ny farany!
5. dadasy ( 31/01/2007 19:48)
ny masoandro????:oops:
6. dailynews ( 31/01/2007 20:27)
ny mikroba....hihihi
7. niryna ( 01/02/2007 06:36)
xxx:

vakio ny baiboly fa aza be fanontaniana foana hoa!
Lasa adala eo ny farany!


Voa kely indray i XXX tamin'ity indray mitoraka ity:roll: Tsy ao anaty baiboly hoy ahony valiny:lol:
8. niryna ( 01/02/2007 06:38)
prime:

niryna> sangisangy zary tena sa...?:-D:-D


Aiza ny valiny prime a.Tsy mandray baiboly kely isika aloha mamaly an'ity fa ao anaty sainao no hamalianao azy8O8O
9. tywa68 ( 01/02/2007 06:43)
ny fanantenàna ? afa-pò fa omeo @izay ry niryna ny valiny a !
10. niryna ( 01/02/2007 06:52)
dadasy:

ny masoandro????:oops:


Tsy masoandro izany ka
11. niryna ( 01/02/2007 06:53)
dailynews:

ny mikroba....hihihi


Tsy mikroba izany koa ka ,angaha io hita maso
12. niryna ( 01/02/2007 06:56)
Firy aza no isan'ny olona rehetra tao anaty sambo rehefa nanidy ny varavaran-tsambo Noa?
Firy taona no nanorenany ny sambo?
Firy volana sa taona no avy foana ny orana?
Ahoana no nahalalany hoe afaka mivoaka amin'izay izy sy ny biby karazany maro?
13. prime ( 01/02/2007 10:50)
niryna> toa lasa bdb ilay fanontaniana nefa ilay iray aza tsy voavaly?...:-D:-D
14. tywa68 ( 01/02/2007 11:03)
prime : gaga mihitsy aho hoe i niryna ve dia lasa mpananihany ohatr'izao ? :-D
15. niryna ( 01/02/2007 17:21)
prime:

niryna> toa lasa bdb ilay fanontaniana nefa ilay iray aza tsy voavaly?...:-D:-D



=))=))=))
Prime a ao anaty Gen 6 no valin'ireo fanontaniana telo sa efatra ireo.Haingana ianao sao voasongon'ny sasanyo^o
16. niryna ( 02/02/2007 23:18)
tywa68:

prime : gaga mihitsy aho hoe i niryna ve dia lasa mpananihany ohatr'izao ? :-D

tsy mpaminana aho fa mianatra soratra masina miaraka amin'ny namana eto,aiza koa izay mpaminany eo

17. niryna ( 03/02/2007 00:33)
majesty:

innn re e! izay zava-manan'aina rehetra afaka mivelona ao anaty rano no tsy maty kou inn ndray ary mou:D



=D=D=D=D=D=D Ireo irery ihany no afaka nivelona satria tsy azo noentina tao anaty sambo izy fa maina raha tsy misy rano.
Misaotra majesty a (l):P
1-Niresaka mivantana tamin'i Noa izany Atra noho ny finoany dia nanao sambo izy.Hatramin'izao izany dia mbola miresaka antsika izy avy amin'ny alalan'ny zanany Jesosy kristy.
2- Io sambo io dia azo tarafina an'i Jesosy,ny mpino izay manana ny finoana Azy dia tsy ho faty fa ho voavonjy.
3-Nananjanaka telo Noa tamin'izy 500 taona.
4-Valo no isan'ny olona sisa tavela: Noa sy ny vadiny ary ny zanak'i Noa telo lahy sy ny vadin'izy telo lahy.
5-Nanome baiko Atra rehefa vita ny sambo fa fito andro aoriany hitenenany an'i Noa hapiditra ny biby rehetra sy ny fianakaviany dia ho avy ny orana.
6-Avy ny orana 40 andro sy 40 alina .
7- 150 andro no tondra-drano vao nitsahatra.
8- andro taorian'io, ritra kely ny rano ka tazana ny lohan'ny tendrombohitra.
9-Raha atao hono ny haben'izany sambo izany dia mahazaka train na masinina 300. Ary mahazaka biby efa miisa 7000 karazany maro.Mahavariana ny herin'Atra.
10-Rehefa nandefa ilay voromailala kely na dove Noa dia niverina iny satria mbola tsy nahita tany hipetrahana,afaka andro maromaro dia nalefany indray ilay vorona fa tsy niverina intsony ary dia nivoaka daholo amin'izay ny biby sy ny olona
11-Feno 601 taona i Noa tamin'izany ritra ny rano ary mbola naharitra 350 taona izy izay vao maty.
12- Ny taona noveloman'i Noa izany dia 951 taona.Oops diso kaonty ny anjely fa 950 no voasoratra ao anaty baiboly.Gen 9:288O8O8O
18. prime ( 08/02/2007 13:49)
Voavaly ve ny fanontanianao?:lol:
19. niryna ( 08/02/2007 18:07)
prime:

Voavaly ve ny fanontanianao?:lol:


Efa voavaly tanteraka fa misaotra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.139