Mamo lava

21. niryna ( 11/02/2007 06:34)
xxx:

tssss io toka io no nisarahako tamin ' ny vadiko mamo lava izay , mba nafinaritra ahy ihany izy t@ voalohany tsara tarehy nanana ny maha izy azy , fa aintsika ihany ny gasy lahy sasany @ ty resa toka ity ka voatarika t@ izay izy , teniratsy , daroka , mivazavaza , mivilana hatramin ' ny tarehy , manakorotana , voasambotry ny polisy lava , retrait na permis , amande sns ka ho anareo sasany zay tsy mahalala onina dia tohizo fa voninahitra ho an ' ny malagasy ty fisotrona lava ty e !!! tokony atelina hatramin ' ny tavohangy mihintsy . Mahamenatra anie zany ry reto e !! , zao za nahazo lehilahy hafa tsy misotro raha tsy occassionel ihany mahatsiaro sambatra ery:-* raha hoarina @ ilay iray :evil:



Toa azoko sary an-tsaina ny nahavoa anao.Misaotra anao nitantara anay
22. niryna ( 11/02/2007 06:42)
Mariny ny tenin'ny fanantenana io.Misy antony maro no mahatonga ny olona hanana fahazaran-dratsy ary io no anisany iray.Aretina koa anefa io ary hieritreretina hanala ny hadisainy ilay izy,mety miala tokony aloha amin'iny fotoana iny fa rehefa mahatsiaro saina indray izy dia misotro indray.Mamono eritreritra.Misy toerana natokana hitsaboana azy ireny.Rehefa misy fiandrasam-paty na korana kely dia misy olona sarokenatra koa ka iny no analany ny henatra ao aminy.Misy tsy mahatafavoaka ny ao am-pony izy raha tsy mamo.Ary misy izay teneniny tsy misy tadidiny.Izy tenany ihany no mila manala azy io.Mety ho gaga ianareo fa misy vehivavy maro misotro toaka koa fa tsy ny lahy irery ihany.Ny antony? Mitovy ny olana misy ny lahy koa izy fa mety hafa fotsiny.Ny tena mampihomehy ny vehivahy hitako dia mifampitarika izy ary mitondra kaopy plastika ary dia asiany jus kely ao anatiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1835