HANDROSO SA HIHEMOTRA

1. xxx ( 28/01/2007 14:22)
Slt dhl !

Misy lhl iray izay nifankatia tamiko efa ho 8 mois izahay izao no niaraka, hitako sy tsapako fa tena tia ahy izy ary izaho koa tia azy, satria hitako tao aminy dhl ny critère rehetra tadiaviko t@ lhl, ary nilaza fa haka vady ahy izy io

Nefa ny olana anefa ankehitriny dia nilaza tamiko izy vao 2 semaines izay fa mananjakaka 4 mianadahy izy ary 11 ans ary 2 ans ny farany,fony izahay vao nifankahita anefa dia nilaza tamiko izy hoe efa nanambady fa nisaraka ry zareo, ary nanontany azy aho hoe efa nananjanaka ve ianareo dia TSIA hoy izy tamin'izany.

Tena saika safotra aho t@ fotoana nilazany fa hoe mananjanaka indray izy aty aoriana, Tsy ilay zanaka no tsy tiako fa izy nandainga tamiko ny fisiany hatrany amboalohany.
Ka nilaza tamiko io lhl io hoe hiroso @ raharaha isika raha toa ka vonona ny hitia sy hanampy ireo zanako ireo ianao raha misy zvt ilany fanampiana avy amintsika hoy izy, ary tsoriko aminao hoy izy fa ireo zaza ireo dia tsy homen'ny reniny ho taizantsika na oviana na oviana, fa fanampiana ny zanako any aminy angamba no hataontsika raha mety ianao.

Sahirana ny saiko, satria matahotra aho hitaiza zana-bady fa maro loatra ny olona mitaraina @ io, nefa izaho mbola tsy niteraka na dia iray aza nefa ny azy 4.

Mba ampio aho ry reto an inona no tokony hataoko, hisaraka @ io lhl io ve sa hanaiky ny hanambady azy ihany.
Tsoriko aloha fa tena tiako io lhl io sady tena mahay mampiseho fitiavana tamiko koa,sady, tsy mifoka tsy migoka, tsy milalao vhv, tia manampy manao rhrh ao an-trano, malemy fanahy, fa izay no olana misy.
Dia tsy maintsy misedra olana toy izao foana ve fiainana eo @ fitiavana,
Mba mangataka koa aho raha misy aminareo namana ato efa nitaiza zana-bady mba hilaza ny hevitrareo.

Manantena ny torohevitrareo maro be

Misaotra
2. diamondra27 ( 28/01/2007 15:36)
xxx: hummmmm, voafitaka indray mande ianao , de oviana indray ny manaraka satria hoy ianao hoe: toa tsy manana défaut le bandy.
Ny lainga de défaut ary mamono indraindray, misy fiatraikany @ fiainana arakaraka ny olona mandray azy.
Raha azoko le izy de ataony mpamelona ny zanany zany ianao.
Izay tia adala, ka raha tantinao zany de inona no blem?
Fa tokony tsy hampisy olana izany @ fiainana ianao refa nanaiky hatr@ voalohany.Zakanao ve io zioga io?
De ianao mbola tsy manana, de ahoana hozy le bandy hiteraka aminao izy sa tsia any aoriana?
Efa haiko sahady ny valiny...
Ianao angaha efa miasa?
Ianao angaha manana taratasy?
Inona no tena nahatonga le bandy nandainga taminao momba ny fisian'ny zanany?
Tsy voatery valiana eto zany fa vie privée-nao fa tiko fantatrao fotsiny we inona no kestion tokony mipetraka @zany situation 'zany?

Ny lhl refa tsy misy défault de mampieritreritra ihany satria manafitoetra izy zay amiko.
Manao ze azahoana ny fonao fotsiny. Refa azony ny fonao de azony atao doly ze tiany atao aminao.
Raha mbola tsy tafiditra lalina de aza miroso na de tianao aza le lhl , raha fantanao fa tsy hotantinao ny haheno lainga @ manaraka.

3. diamondra27 ( 28/01/2007 15:50)
Impiry nandainga taminao izy hatr@ niarahanareo?

Raha aty ivelany de 1 semaine sur 2 ny zaza any @ ray na any @ reny. Toy izay koa ny vacances.

Le rai-njaza tokony hanome volan-jaza jusk'à le zaza tsy miantara tsony.

ka raha mahazo vola zany nareo de efa ataovy anaty saina we tsy maintsy manome volanjaza : izy 4 rangahy.
Tsy manakivy anao aho fa sao de tsy ho vitanao hatr@ farany 'zany sacrifice zany lahy.

Dia hamelona zanak'olona ianao ary ny anao mba hanao ahoana? Homeny sa tsia? Eritrereto doly ny conséquence an'izany.
Raha fitaizana vazah no arahinao de tsy azo kapohina ny zaza na de maditra fa ianao indray no mahazo romoromo eo , lazainy hoe: battus sy maltraité eo izy de any @ tribunal ny iafarany.
Ny ahy aloha ny hamisavisako ny pire no hihavian'ny soa fa de enao no tompo-tsafidy ramatoa.

Ianao zany hanambady d'efa misy intrus sahady eo @ firaisanareo.
ohatrin'ny ahoana koa ny toetran'ilay zaza 4?

bon bref , raha za no anontanianao de tsia no valiny satria za tsy mahavita ny vitanao hitaiza zaza 4 tsy zanako zany.Sady za tsy manajanaka aminy akory.

Fa de bon courage e! de bonne chance e!

tena tsy azoko mitsy le fitiavana 'ty an?
misy ny sasany ato lhl mitady vady , zaza 1 tsy mahita nefa zany zaza 4 be 'zao mora mahazo vady.
Pourkoi?




4. fasaly ( 28/01/2007 17:24)
amiko aloha rah tsy niteny hoe mananjanaka izy dia mety nila fotoana izy hilazàna izany satria mety natahotra izy no tsy ho tinao tampoka, mi comprendre azy ihany aho fa efa nolazainy izany izao hoe manana papoose efatra izy dia anjaranao ny mieritreritra...
ié miteraka olana foana matetika ny mitaiza zana-drafy fa raha ohatra ka tsy tezainareo izy fa any amin'ny reniny no mipetraka,
mino aho fa azo hiafiana ny situation:P
ilay lmiaraka mipetraka mihintsy no enjana be raha misy toetra ilay ankizy.....
tsy misy otran'ny manandrana e! jereo aloha , andramo aloha raha mande dia mijanona fa raha be olana dia any vao misaraka:°);-)
5. xxx ( 29/01/2007 07:05)
Fakafakao tsara iany aloha hoe tena nisaraka divorcés tokoa ve izy sy ny vadiny. Cas efa nahazo ahy izany mantsy, sao ka tafiditra @ kizo ianao, sao efa mitoetra ao ankibo ny zaza vao fantatra ny marina rehetra! Momba ireo ankizy, raha tena mifankatia ianareo tsy tokony hanisy olana ireo ankizy. Tsy ny ankizy rehetra akory no difficile rehefa misarapanambadiana ny RAD ny. Azoko tsara ny olanao hoe ianao tsy mbola manana nefa izy efa manana 4, rehefa tsy miaramipetraka aminareo ireo ankizy ireo dia alamino ny siana e! tsy hisy olanao izany. Izay fa dia dinidiniho tsra, fakafakao hoy aho hoe tena efa nisaraka marina ve... dia mahereza.
6. diamondra27 ( 29/01/2007 07:30)
xxx: koa maninona raha anontaniana direct izy we aiza ny paps manambara fa divorcé nareo?
Raha tsy misy afenina izy de atorony zany , tsy misy olana, fa raha arirarirany de e e e misy tsy mazava.
Mbola elabe zany mamakafaka izany sady ny olona manana interpretation doly @ ze sosy hanaovany azy, ao ny te hiditra , ao ny mialona, ao ihany koa ny sincère.
7. xxx ( 29/01/2007 09:15)
DM 27: Efa maisa aho, ary izy koa maisa
Tsy haiko aloha ny manana taratsy tianao ho lazaina ? Fa izaho dia mba nahavita ny fianarana ambony teny @ Université ihany .
Mbola io fisian'io zaza io ihany aloha no lainga hitako fa nataony tamiko, nefa mavesatra amiko loatra ilay izy.

Fasaly: Natahotra hono izy fa sao tsy ho tiako raha nilaza ny fisian'ny zanany tamiko ta@ voalohany: ka naleony hono rehefa hitany fa tena tia azy aho vao lazainy ny tsiambaratelon'ny fiainanay.

Tsy mbola vita mariage na soratra ara-panjakana ry zareo sy io reninjanany io hono, fa mbola tsy notakiako aloha ny porofo e! (Fa ny filazany azy izany)

Nisy olana t@ RAD n'ilay lhl hono ilay reninjanany, ka noroasin'ny RADny nefa efa 3 hono ny zanany t@ izany, ary fony mbola zaza 1 hono izy no efa noteneni'ny RADny t@ io toetran'ny vadiny io, nefa tsy nisaraka t@ vadiny hono izy fa tsy tiany ny zanany samy hanana ny reniny izany, dia nikiry ihany hono izy t@ vadiny ka jusqu'à ry zareo niteraka 4 izao;
Ary nandritra ny fotoana nandroahan'ny RADny ny vadiny hono dia nanaraka ilay vhv sy ny zanany izy, ka nilaozany ny RADny, nandritra ny fotoana elaela, nefa rehefa hitan'ilay vhv fa tia azy sy ireo zanany ireo hono izy matoa nanaraka azy dia nohararaotiny @ izay, Ka tsy tantiny intsony hono ny fanararaotana nataon'ilay vadiny azy , sady ireo RADny sy io vadiny io koa hono efa nanafatra azy mafy ny papany fa raha any andro hafatesan'ny papany dia tsy ekeny manitsaka ny tokotaniny akory hono io reinjanany io.

Ka izany ny problème-ny,

Efa noentiny teo @ ireo RAD ireo aho, ary efa fantry ny RAD ko izy.

Fantatro tsara aloha fa sarotra ny mitaiza zana-bady izany e! nefa tsy haiko izay hatao satria nofitahiny aho. Ary ireo RADko koa tena ilay olona mbola mitajona ny fomba hoe ny vhv tsy mahazo mifindrafindra lhl, fa rehefa iny no entinao eto aminay de iny.
Nefa indrisy ................


8. tywa68 ( 29/01/2007 10:01)
Ianao ihany no mahalala ny valiny ! lazainao fa tianao sy tia anao izy koa inona no antony hametrahana ny fanontaniana ? mbola tsy ampy zay hanadinoana ny lainga ô ? mahereza ê !
9. xxx ( 29/01/2007 12:24)
sao de mba resabe aky zany hoe tsy vita ninoninona izany a! za ko anie efa hitan'ny havan'ilay rainjanako fa tsy niteny ry zareo e! hadiadio tsara alo wa!
10. kanto10 ( 29/01/2007 15:32)
mihemora akia sao gaga eo any aoriana, ny nenina hono aoriana mandatsa be fa tsy aloha hananatra, ny hevitro manokana io aloha fa asanao ihany
11. diamondra27 ( 29/01/2007 15:50)
Avadiho ny rôle, raha enao manana zanaka 4 aminy de misy vhv hafa any tiany, de ahoana no ataonao?

Mino aho fa tokony avelanao hiaraka amin'ny vadiny ihany izy.
Avelao izy hi-assumer izay vitany t@ le reninjazany.

Mialà fa ny fitiavana mahita foana ianao.
Matoa efa niteraka dae nisy fitiavana tao sady tsy we zaza 1 fa 4 be zao donc arrête un peu hein!

Lasa njy manao ze mahafalifaly ny fonjy fa aza manadala vadin'olona zany fa tsy mety sao de tezitra eo za an!:°)(soa fa tsy za le izy)

Fa inona ihany nefa no mahafatifaty anareo @ vadin'olona e! le celibataire be de be, de ny an'olona foana no tatazana?
12. diamondra27 ( 29/01/2007 15:55)
ndàna mamonjy soirée celibataire na croisière celibataire fa aza mikitikitika ze an'olona any.

De mahalala za zao we fa manan-janaka ianao de voilà, tsy mety zany mampijaly fon'olona zany.

Mbola ho avy koa ny anjaranao fa yeee ataovy ihany moa e! ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.

Refa mpandainga otr'izany izy de mandainga foana.

13. kanto10 ( 29/01/2007 16:26)
aza sendaotra be kosa aloha diamondra fa izy ary nge mbo voafitaka e:(
14. xxx ( 30/01/2007 07:35)
diamondra27:

Fa inona ihany nefa no mahafatifaty anareo @ vadin'olona e! le celibataire be de be, de ny an'olona foana no tatazana?




Diamondra27 a, misy aky tsy fidiny a! le lehilahy n tsy vanona mandainga fa misy koa alo tena fanahiniana e
15. diamondra27 ( 30/01/2007 12:14)
xxx: ka efa fatanjy zao le izy de anjaranjy no maka décision e!

ye, marina fa tsy laviko io fa misy ny lhl ratsy saina.

Expérience doly zany fa matanja-tsaina tsara njy refa miala eo e!Aza manaiky ambakaina tsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1471