Entana alefa @ paositra, ahoana marina e

1. Lalah ( 27/01/2007 19:16)
Ahoana ity paositra Malagasy ity e! mba efa nisy nandefa entana ka very ve ? tena tsy rariny mihintsy, nandefa entana aho dia naka itony reference itony mba hoe hanarahana ny fahatongavany, nojerena ary ity izy entana niditra tao Mada t@ fin decembre, tsy mbola azon mpandray hatramin zao, tsy hita zay ataoko, sao mba misy mahalala ny tokony hatao
novalian'i niryna ny 20/02/2007 05:07
2. xxx ( 27/01/2007 19:40)
Tsy haiko fa za koa efa tratran'io. Efa ho fito taona izao mbola tsy tonga ihany ilay izy.
3. Zina ( 28/01/2007 00:46)
za tsy mba mandefa intsony fa efa tratra. tsy azon;ny olona any dago nefa juste sary fotsiny an.... otrany jeren-dry zareo soa dia misy vola ao ....asa izao raha mba efa niova??? zany 3 taona lasa zay..
4. xxx ( 28/01/2007 10:34)
Marina daholo reo teninareo reo ,
nanana namana niasa @ poste aho tany mada dia misy le boky avy aty ivelany ireny tonga dia sokafany dia vakiny dia ampindramany ny namany , mampalahelo nefa ......
sady ny mahagaga ahy koa dia ty
Taloha aho mbola tany mada dia mahazo entana avy aty ivelany dia mandoa vola vao mahazo ilay entana ao @ paositra kanefa ny ilay pandefa ilay entana efa mandoa vola aty asa ny fahitanareo an'izany na mba rariny.
5. vale ( 28/01/2007 13:14)
xxx: ie za efa tratra, efa voaloha soaman-tsara izao ny vola nandefasana ilay entana, dia tonga any mbola asaina madoa vola ilay olona, sa ve zavatr'hafa mihintsy indray ilay vola aloa any iny? tsy fantatro aloha:wink:
6. Fiffi ( 28/01/2007 13:58)
zah aloha ry zareo de tena efa fay an ! tsy handefa intsony fa tena tsy rariny mihintsy aloha eh ! tsy misy zavatra tonga na ttsy , na carte , na entana shhhh !!!!!
7. vale ( 28/01/2007 14:09)
Fiffi: zah koa efa very ttasy nisy sary tao anatiny :x
8. sitlo ( 28/01/2007 16:42)
Za nefa mbola tsy very na ttsy, na sary na ... satria za mbola tsy nandefa mihitsy.
9. vale ( 28/01/2007 17:43)
:roll::-D:-D:lol:
10. mirana5 ( 28/01/2007 17:47)
AZO ATOKISANA KOKOA NY ENTANA REHEFA ALEFA @ CARTON VIDIANA AO @ POSTE ASA MATAHOTRA ANGAHA NY OLONA AO @ POSTE ANY HOE TRATRA EO NY ASA RATSINY MANOKATRA ENTAN OLONA:?
11. yonikafopl ( 28/01/2007 18:31)
Za koa naheno io we mangalatra entana io ny poste, tamin Novembre nefa za nandefa entana,tsy carton novidiana tam poste fa carton hafa satria tsy nisy carton antonona tao.De nosavaina ny entako taty, natao liste sy ny vidiny.Nenay aty tsinn raha vao very ny entana dia mandoa ny tokoy ho vidiny ny poste, de nalefako tany Dago ny tapakila sy ny listra ny entana.Ny poste tany Dago no niantso an zandry we tonga ato ny entanareo, de nandeha tany hono kala, de nasainjareo nandoa vola, de nanao mafy loha be we asehoy ny ttsy milaza fa tokony mbola handoa vola ,satria ty ny tapakila milaza fa efa voaloha ny vola tany Liban, de tonga de we aleo sokafana eto koa hijerevana izay entana ao satria ity ny liste nalefany avy any. Tankina tsy nahateny hono le oll tao. Tonga soa amantsara daholo ny entana.
Ny toako ho marihina dia ilaina ny tsy manaiky lembenana sy mafy loha amin'ireo mpiasam-panjakana reo, fa tia kely daholo ka aiza moa no handroso Madagasikara.
Asa koa fa eny Ivato raha tsy mafy Loha hono dia vahanjareo ny entana de savainy eo, ny manilika sy misintona efa misy. Fa maninn kay no mbola vahana ny entana? nga tsy miasa le masinina mpitsikilo reo??
12. Lalah ( 28/01/2007 19:09)
Ary ny fikan-dry zareo hono mody ataony ilay olona mitady ilay entana direct any zany hoe: tsy mbola tonga ato mintsy zany entana zany. Dia mody asainy miverina , dia tonga ao dia mbola ataony an zany foana. Tena tsy avotra mintsy. Zah aloha zao miandry zay apokany mikasika zay entana zay, efa mivonona @ rehetra aho, fa dia ho hita eo.
13. bazylou ( 28/01/2007 20:21)
ity misy orinasa gasy fandefasako entana , tsy mbola nisy very ny ahy na ny 1 aza!!
0674390499-0143813126
14. xxx ( 28/01/2007 20:48)
Inona ny anaran'io orinasa malagasy fandefasanao entana io Bazylou? Misy eran-tany ve io sa aiza ihany? Raha misy aty amerika io dia io no homeko ny volako.Misaotra mialoha.
15. Mitah ( 28/01/2007 20:55)
Ny anay aloha tao anatin'ny telo taona izao dia tsy nisy very izay nalefa. Manamboatra asa tanana ny zanakay dia halefany ho an'ny dadabeny sy ny bebeny fa tonga foana. Mandefa CDs misy horonam-peo sy sary fa herinandro dia voaray ny havana.Sendra mba bonne chance foana angamba aloha izay nalefa tao anaty telo taona izay.
16. niryna ( 29/01/2007 02:52)
Mitombona tanteraka daholo ireo lazainareo very entana ireo.Ny tena mampalahelo aza raha mandefa entana na ttsy avy any ny olona ho aty ivelany dia lanjainy ka mandoha iny vola iny ilay olona kanefa ny timbre misy tsy ampy.
Izaho taloha mpandefa entana na ataoko par avion na surface( io kely no aloha ) fa ela vao tonga ka mila fonosina tsara.Misy ny tonga ary misy ny tsy tonga fa misy antoka ka nandoa vola ny paositra taty aminay.Mampalahelo ahy ery kanefa tsy fahadisoan'ny aty. Misy koa eo ampanokafana ny entana no azerany ny sasany ho an'azy sy ny hoe mba omeo kely ahy ity.:P:P
17. bazylou ( 29/01/2007 11:42)
mandefa na aiza na aiza ry zareo ao !! tsy stewart io akory fa orinasa gasy eto france ilay izy.
Antsoy ry zareo dia hazavaina aminao bebekokoa ny fomba fandehany!!
iemessagerie@yahoo.fr io ny emailny io.
TSy hilaza aminareo vady mahay mandihy aho fa io izy anontanio ary manandrama dia ho hitanao!!
assuré 100% ny entana ary raha sanatria ka misy ny fahaverezany dia mirembourse ry zareo!! kozy serieux io ann!!:):):):)
18. vale ( 29/01/2007 12:15)
:-*:-*mesiii bazylou:wink::-*
19. xxx ( 29/01/2007 14:57)
bazylou> zay enao vao niteny zavatra positif teto. Misaotra e. Tohizo. :D
20. andry08 ( 29/01/2007 19:15)
izaho aloha mbola tsy very entana t@ poste e! Na dia iray aza fa ny entana rehefa tonga any dago dia misy orin'asa hafa mandray azy ireo, izany no mahatonga ny olona mandoha vola indray rehefa mandray azy . Efa ho 10 ans aho no nandefa entana any ka tsy nisy very na ny iray aza!
dia mbola ho hataoko io!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6215