Zavatra tsy maintsy mandalo ny ankizy lahy ny ho didiana.Taloha dia katsahina manta izao ny zaza ary tena mijaly mihitsy.Mialatsiny raha misy mbola mahatadidy ny nahazo azy:cry::cry:.Maninona no asiana hohanin'ny raibe amin'ny akondro izy ireny:miam:8-)
koa raha any amin'ny hopitaly izany dia tenenina ny dokotera hoe omeo ahy iny ho an'ny dadako?
Toy ny tavonin-jaza koa izay alevina dia hoe tsy mahazo mierikerika fa lasa gilamaso ny zaza.Misy fitombonany ve io ary mbola hoentina mody halevina ihany ve ilay tavon'ny jaza hatramin'izao?