Ampitapitao

21. sitlo ( 31/01/2007 16:13)
wink no saika nosoratako dia diso tsipelina, tokony mba nisy fitsarana tsipelika otomatika ny serasera eh :°)
22. kelly13 ( 31/01/2007 16:49)
tsipelika kou nga :°)
23. sitlo ( 31/01/2007 21:52)
:twisted:




fa nony avy nieritreritra :-D
24. elsifaka ( 10/07/2012 07:18)
Miala tsiny fa ohatran'ny mamoha fota-mandry :)



Dia ito ny tonony :


ieee

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Fa ny vahoaka (no tompony)
Ampitapitao fa izany no ilaina
Ataovy mazava
Dia aleo ho tonga saina
Fa isika vahoaka (mitolona)
Tsy misy mitsoaka (eee)
Tsy misy mitsoaka (aaa)

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Fa tsy mitsoaka fa hihinana
(Marina e)
Ampahafantarina ny vahoaka
Ny miaramila milanja basy
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)

An'iza ny basy, an'iza ilay basy
An'iza ny voly, an'iza ny vola
An'iza ny sandry, an'iza ny saina
Antsika daholo daholo daholo e!

ieee

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Izany no hevitra (ka lazaina)
Ampahafantarina ny vahoaka
Satria ny sasany milanja basy
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka aaa

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Isika miraikitra (tsy dia maninona)
Fa hery kely no an'ny vahoaka
Satria ny marina no mijoro
Dia ny vahoaka (mitolona)
Dia ny vahoaka (mitolona)
Dia ny vahoaka (mitolona)

An'iza ny basy, an'iza ilay basy
An'iza ny saina, an'iza ny vola
An'iza ny sandry, an'iza ny tany
Antsika daholo daholo daholo e!

ieee

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Fa ny volany lasa (tsy dia maninona)
Ny vola tsy lany fa fitondrana
Ny fanjakana no manambola
Dia ny vahoaka (mikofoka)
Dia ny vahoaka (no tsemboka)
Dia ny vahoaka (mitolona)

An'iza ny basy, an'iza ilay basy
An'iza ny saina, an'iza ny vola
An'iza ny sandry, an'iza ny tany
Antsika daholo daholo daholo e!

ieee

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Fa ny vahoaka (no tompony)
Ampitapitao fa izany no ilaina
Ataovy mazava
Dia aleo ho tonga saina
Fa isika vahoaka (mitolona)
tsy misy mitsoaka
tsy misy mitsoaka

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy mazava
Fa tsy mitsoaka fa hihinana
(Marina e)
Ampahafantarina ny vahoaka
Ny miaramila milanja basy
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka aaa

An'iza ny basy, an'iza ilay basy
An'iza ny saina, an'iza ny vola
An'iza ny sandry, an'iza ny tany
Antsika daholo daholo daholo e!

ieee

Ampitapitao amin'ny namako any
Ataovy malaza amin'ny namako any
Fa ny vahoaka no tompony
Tsy maintsy mandresy ny tolona
Satria ny vahoaka no tompony
Tsy maintsy mandresy ny tolona


Araka ny fahenoko azy io an... mety misy diso.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3665