Ary mba misy tia tennis ve isika ato e!

1. ronaldo09 ( 24/01/2007 10:45)
Zao manko dia mandeha ny OPEN D'AUSTRALIE!
Ny demi-finale dia toy izao manaraka izao ny fandaharam-potoana
Dames:
Maria Sharapova(Russie) et Kim Clijsters (Belgique)
Serena Williams(USA )et Nicole Vaidisova (Tcheque)
Eo amin'ny lehilahy dia mbola tsy am-pelatanana ny voka-dalao feno ny fantatra fotsiny dia tafakatra i Tommy Haas(Allemangne) raha nandresy an'i Nicolai Daviydenko (Russie)!
Koa mba alefaso ary ny pronost....e!
Za aloha maka an'i Sharapova e!
novalian'i ronaldo09 ny 27/01/2007 15:42
2. miarina ( 24/01/2007 12:14)
Dia Gonzales ny iray izany
3. zandikely ( 24/01/2007 16:45)
MARIA SHARAPOVA kosa aloha milay e! sady tsara tarehy, mahery, sympathique....


4. kally ( 24/01/2007 17:01)
Izaho koa tia tennis. Izaho tsy miala amin'i Kim Clijsters.Miavona loatra ny Sharapova-nareo:lol:
Raha vitan'i Clijsters ny mampivezivezy an'i Sharapova dia tsy maintsy hoe handresy ihany i Kim, sady taona farany hilaovan'i Kim ity!
5. zandikely ( 24/01/2007 17:25)
kALLY:

Ho hita eo e! Fa raha mbola hamerina hadisoana 62 tahaka ny match nataony farany teo i Kim Clijsters nareo dia tsy mora ny hiandry azy e!
Fa tsy miavona izany kosa aloha i MARIA SHARAPOVA.
6. kally ( 25/01/2007 09:50)
Marina tokoa aloha fa tena ratsy iny lalaon'i Kim tamin'izy nihaona tamin'i Hingis.
Ary indrisy moa fa dia resy izy, izay ilay fiainana e! tsy hoe handresy foana. Tsy mampiova ny fitiavako azy izany ary tsy miova koa ny avon'i Sharapova.:wink:
7. ronaldo09 ( 27/01/2007 15:42)
Dia i Serena ange ry zareo nibata an'le amboara .Tsy nahahetsika mihitsy i Sharapova na dia niady h@ farany aza !Arahabaina izany i Serena!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2553