Ary raha mba asiana vavaka kely moa ato?

1. jhouhlambout ( 21/01/2007 21:22)
Ndao mba asiana vavaka kely ato é. Dia afaka mametraka vavaka daholo izay té hametraka.
novalian'i cutie ny 26/01/2007 16:06
2. xxx ( 21/01/2007 21:57)
aleo hiandry an'i LD:lol:
3. xxx ( 21/01/2007 22:48)
rehefa miandry zay dia i Cutie zay hahahha
4. Zina ( 21/01/2007 23:56)
Ny fanahin'Andriamanitra anie mba ho @ tsika rehetra ka hanoro antsika ny fahamarinana izay ao @ teniny.
Amen

^:^^:^^:^
5. LazaDaddy ( 22/01/2007 00:30)
Ray o, mamela anay fa meloka izahay noho ny:
- fisainanay sy resakay janga sy vetaveta
- fitiavanay vola
- lainganay sy fihatsarambelatsihinay
- tsy fitiavanay Anao @ fonay rehetra sy sainay rehetra ary ny herinay rehetra
- fitsiriritanay ny hafa mihoatra noho ny fitiavanay hanara-dia anao
- fahakamoanay
- tsy fahalalanay onona
6. cutie ( 22/01/2007 01:18)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 21-01-2007 23:48:45
Lohateny : Re : Ary raha mba asiana vavaka kely moa ato?
rehefa miandry zay dia i Cutie zay hahahha

efa kobonao :-D:-D:-D
7. Lek ( 22/01/2007 06:53)

Andiamanitra anie hamindrafo amin'izay mpananihany Azy sy hamela ny helotsika rehetra
8. prime ( 22/01/2007 09:09)
jhoul:
Ndao mba asiana vavaka kely ato é. Dia afaka mametraka vavaka daholo izay té hametraka.
... fa maninona no atao vavaka kely fa tonga dia ataovy amin'ny antonony e...
9. raval ( 22/01/2007 12:32)
Ary rehefa manao dia atao tena tsara satria ho an'Andriamanitra io.Tsy azo atao vazivazy na hanihany.Fa tena tsara BE aloha lay hevitra e! Manohana 100 isan-100 ny tenanay.=D=D=D
10. booboo ( 22/01/2007 12:49)
Atreho ny sakafonay, Jehovah mpanome ny soa. Velominao ny tenanay, ny sainay atanjaho koa.

Amen !




bôna bôna aby :°)
11. tslem ( 22/01/2007 14:22)
tokony tsy vazivaziana kosa fa marina ny an'i jhouhlambout e !

fanenenana ;

Andriamanitra tompoko
malahelo mafy ny ratsy nataoko taminao aho
satria ianao tsara indrindra
ka tokony ho tianay indrindra
manam-po tsy hanao ratsy aminao intsony aho
ary tsy hanao asa fivalozana ny fitahianao ahy.
12. cutie ( 22/01/2007 15:27)
ny ahy njay tsy maintsy miatomboka @ fisaorana aloha , de avy eo fifonana, de avy eo fangatahana :lol:
13. Zina ( 22/01/2007 18:13)
ie mety mihitsy zany ka
14. prime ( 23/01/2007 07:20)
Dia tariho ary ny an'i cutie mba harahinay...
15. LazaDaddy ( 23/01/2007 08:03)
dia samy miandry an'i cutie eto isika izany ka :)
16. cutie ( 23/01/2007 14:32)
ny ahy vavaka ao am-po fa tsy lazaina eto ka :-D
17. niryna ( 24/01/2007 07:24)
Misaotra anao izahay ry Ray o fa mbola afaka midera sy mankalaza ny anaranao.Tahio izahay rehetra ato amin'ity fandaharana serasera ity mba haneho ny voninahinao.Enga anie izay zavatra ho tovozinay eto dia anehoanay ny fitiavanao anay.Mamela ny elokay ary mamindra fo aminay.Ho anao irery ihany anie ny dera sy laza ary ny voninahitra mandrakizay^:^^:^^:^AMEN!
18. prime ( 24/01/2007 11:16)
cutie> fetsy an...:-D:-D
19. cutie ( 25/01/2007 02:20)
prime
fetsy manin koa
Efa natoroko io aza ny fanaovako azy koa :-D
20. Solitikabe ( 25/01/2007 03:22)
cutie:

ny ahy njay tsy maintsy miatomboka @ fisaorana aloha , de avy eo fifonana, de avy eo fangatahana :lol:

Fa maninona no hoe "tsy maintsy". Ary raha tonga dia any amin'ilay olona nanaovana hadisoana na fiarahamonina no mifona ry Cutie?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2889