Ny fanahy no mahaolona sa ny fijery ety ivelany?

1. niryna ( 20/01/2007 01:23)
Matetika isika dia avy ety ivelany no mitsara olona fa tsy mijery ny ao anaty.Bogosy izany bandy izany!manja leity ilay kala a!,sady taviny no volony !Raha sendra mahita ilay toetra ao anaty isika dia miverindalana ka milaza fa tsy arakaraky ny aty ivelany.
Azotsika tarafana ety ivelany ve ny toetra?
novalian'i niryna ny 01/02/2007 16:18
2. cutie ( 20/01/2007 01:40)
Azotsika tarafana ety ivelany ve ny toetra?

Azo:lol:
Fa tsy vetivety ny ahazahoana azy
3. soanja ( 20/01/2007 04:58)
niryna:

Matetika isika dia avy ety ivelany no mitsara olona fa tsy mijery ny ao anaty.Bogosy izany bandy izany!manja leity ilay kala a!,sady taviny no volony !Raha sendra mahita ilay toetra ao anaty isika dia miverindalana ka milaza fa tsy arakaraky ny aty ivelany.
Azotsika tarafana ety ivelany ve ny toetra?

Ie misy azo tarafina avy ety ivelany ny olona iray saingy toy ny manao lottery ihany izany satria sarotra ny mahafantatra olona iray ao anaty fotoana vetivety monja.
Io vady io aza mandrakizay mbola manao discovery ihany refa tahak'izay.
Asa anefa ry Niryna fa tsy raha ny amiko de jamais zah hanambady ny seho ety ivelany satria araka ilay voalaza e. Ny Fanahy no mahaolona. Fantaro ilay fanahy hiara-dalana aminao mandrakizay satria na lefy aza ny fitiavana (endrika ivelany) indray andro any sanatria, ilay fanahy kosa tsy hanary anao satria ianao tokiny moa izy tokinao. Io ilay Andriamanitra. :-*:-*:-*

4. jhouhlambout ( 20/01/2007 10:45)
ié 8)
5. niryna ( 21/01/2007 05:29)
Ka izay indrindra no mitranga matetika,miresaka hoe tiako ilay kala fa tena tsy lasa ny toetrany kou:(
6. Zina ( 21/01/2007 22:41)
ie ny maso
7. miarina ( 22/01/2007 14:24)
Fomba fijery roa samihafa no lazainao. Raha ny misy olona iray miteny hoe tsara iny olona iny dia roa ny zavatra mety hitranga :
- raha endrika ety ivelany no itsarany azy dia TSARA BIKA SY ENDRIKA no tiany lazaina
- raha ny toetrany kosa dia TSARA FANAHY no tiany lazaina.

Ohatra : raha miteny aho izao hoe tsara i Naomi Campbell na Stephanie de Monaco ( inona no tsara) ary raha miteny aho hoe tsara i Abbé Pierre de inona no tsara (....)
Mety afaka miteny koa aho hoe tsara ilay saka :-p
8. niryna ( 23/01/2007 17:55)
miarina:

Ka izay no antony hijerevana azy roa fa tsy ny aty ivelany fotsiny.Misy ratsy tarehy fa tsara toetra.

9. niryna ( 01/02/2007 16:18)
Izay tiana hono mitombo tarehy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1803