Lakalaka ve ny fanambadiana sa lahatra?

1. niryna ( 18/01/2007 17:59)
Indraindray isika dia hoentin'ny fitiavana fotsiny ka rehefa sendra ny fotoana hitiavana dia miroso.Misy anefa tonga ao dia milaza fa tsy natao hiaraka izahay ary dia vita teo ilay fitiavana nirehitra toa ny afo.Mino ve ianao fa lakalaka io sa dia napetrakao tao amin'ny avo io ary dia mino ianao fa lahatra avy aminy io:?:
novalian'i simplex ny 21/01/2007 15:28
2. cutie ( 18/01/2007 18:35)
in moa ny dikan'zany lakalaka zany:roll:
3. lapino ( 18/01/2007 19:08)
Ohatra ny hoe tadiavintsika hisy raikipohy mifehy azy foana ny fitiavana, kanefa na ventin-drefim-pitiavana aza tsy misy akory. Ahoana no tadiavinareo hahafantarana ary fa tokony na tsy tokony hiroso amin'ny fanambadiana ny olona roa? Ohatrohatra ny poker ihany, misy ampahana "chance" io, ary misy ampahana lojika; sady miankina amin'ny karatra no miankina amin'ny mpiara-milalao.

Ny fanambadiana dia tsy lahatra satria safidinao ihany.
4. lapino ( 18/01/2007 19:23)
cutie > tsy hoe mifanohitra amin'ny "lahatra" akory ny "lakalaka" ka!!
Ny fahazoako azy:
lakalaka (mpamari-toetra) = "imprevisible"
5. Fiffi ( 18/01/2007 19:54)
lapino:
Ny fanambadiana dia tsy lahatra satria safidinao ihany.
marina zany !


6. degree ( 18/01/2007 20:32)
azo lazaina ho safidy ny fanambadiana satria ianao no misafidy ny olon-tianao ho vady,nefa matika dia zanak'olona samy hafa ary samy hafa fiaviana no mifampakatra ka samy manana ny fomba fitaizana azy sy ny fomba-drazany(misy fomba roa atambatra izany eo sur prise io )ka eo indrindra raha tsy dia miafanaraka loatra io fomba io ka tsy mifandefitra ny iray amin'ireo dia tsy haharitra io fanambadiana io ka mahatonga ny sasany im-polo manova vao raikitra ,misy indraindray olona tsy hampoiziny ny olona hambinina aminy eo amin'ny tokatranony: ohatra mety lasa ho zokiny ara-taona io olona io , mety efa vadin'olona io no lasa vadiny............
noho izany dia ao ihany ilay safidy nefa ao koa ilay lahatra
7. cutie ( 18/01/2007 20:34)
refa tojo @lay safidinao enao de zay le lahatrao :lol:
8. Fiffi ( 18/01/2007 20:49)
mampatsiahy an'ity hira ity zao dinika zao:

Tadidinao ve ‘rony ela
Ny fitiavako anao mbola misy tavela
Tadidinao ve ‘rony lasa
Ny fitiavako anao mbola misy mikasa

Lala o, Ny alina teto nahoana ho aho
Manjombona lava izy izany aky
(Ny rakitry ny ela)
No mitady ny akon’ny fo mitaraina any ho any
Nahoana ho aho, ‘zany havako izany o,
Lakalaka aky, izany fiainanan-tany

Lakalaka aky, izany fiainanan-tany
9. degree ( 18/01/2007 23:59)
Marina io tonok'hira nomen'i Fiffi io satria amiko izao dia nisy sipa izay nokasaiko ary azo lazaina fa 1er amour -ko t@ mbola nianatra ,tao anatin'ny eritreritro tokoa izy io ary azoko nofy isan'ny alina ka nahatonga ny tsy fianarana lesona indraindray,hatramin'izo dia mbola tsy maty ato antsaiko ny fitiavako azy sy sariny tsy maty kosehina eo @ masoko,raha ny safidiko dia izy no halaiko ho ravaky y tokatranoko,nefa taty aoriana dia tsy nifankahita intsony zahay hatramin'izao,nisy kosa anefa olona tsy dia nampoiziko loatra teo @ fiarahamonina,izy dia isan'ny masika ka hatahoran'ny ankizy lahy mitovy taona aminay teo antanana ,nefa amiko kosa izy dia lazaiko hoe tsotra ara-piainana sy mazava,ka teo indrindra no tsy nahafantarako no mba nahatonga ahy mba ho tafiara-dia taminy,nefa noho ny mbola tsy lahatra ho anay ny hiaraka mandrakizay dia tsy ampy enim-bolana dia tafasaraka.ka hatramin'izao dia tsy tafaraka intsony ary tsy tanteraka ny tanjona nirina.
ka izay izay no mahatonga ahy hanao hoe ao ny safidy voalohany indrindra,nefa eo ihany koa ny lahatra .
10. Zina ( 19/01/2007 00:49)
Misy ko lahatra ka...
11. jhouhlambout ( 19/01/2007 00:51)
12. Fiffi ( 19/01/2007 07:06)
heu....lahatra ahoana aza zany ? matoa ange lazaina hoe lahatra io de ianao hiany aloha no nisafidy azy eh ! de raha mandeha tsara ny fiainana de lazaina hoe zao no lahatra ...na tsy nandeha fa rava aza de lazaina koa hoe zay no lahatra fa atao ahoana ?
13. pissoa ( 19/01/2007 07:13)
=D=D=D=D=D mirefodrefotra za ho an'i Fiffi
14. dailynews ( 19/01/2007 16:14)
nyrina> ny ahy no fantatro aloha e. efa nolazaiko teto ihany ity resaka ity.

5 taona nivavahako ho an ny vadiko no tonga izy. zavatra dimy no nangatahiko momba azy t@ Atra, feno daholo ireo fepetra rehetra ireo nony tonga izy. ireo fepetra anefa tsy fepetra ordinaire. fantatro izy fa avy @ Atra, voatokana tanteraka ho ahy.

tsy haiko izany na lakalaka na lahatra.


15. degree ( 19/01/2007 18:51)
ka iza no nisivana ny fahafenoan'ireo fe-petra ireo,tsy ianao ihany,noho izany dia mino aho fa misy maromaro ireo nilatsaka ho fidina fa ianao nisafisy ny feno fepetra """"""SAFIDY IO """"
16. niryna ( 19/01/2007 21:00)
dailynews:

nyrina> ny ahy no fantatro aloha e. efa nolazaiko teto ihany ity resaka ity.

5 taona nivavahako ho an ny vadiko no tonga izy. zavatra dimy no nangatahiko momba azy t@ Atra, feno daholo ireo fepetra rehetra ireo nony tonga izy. ireo fepetra anefa tsy fepetra ordinaire. fantatro izy fa avy @ Atra, voatokana tanteraka ho ahy.

tsy haiko izany na lakalaka na lahatra.


Marina io lazain'i dailynews io ary no hevitra omeko ny olona rehetra hatramin'izay:):)
Ny fijeriko azy indray dia misy ny fanambadiana lakalaka raha sendra mitsakatsaka ny tena, misy ny olona tsy manana safidy fa voadona amin'ny fiainana ary izay mitady azy dia hidirany.Tsy manantsafidy izy
izany fa entin'ny fo diso fanantenana ka raha sendra ny olona tsara izy dia ataony hoe fahasoavana nomen'Atra.Misy ny olona tratran'ny coup de foudre ary dia latsa-pitiavana ilay olona ary mety hiafara ny fanambadiana raha mazoto ny iray.Raha te-ahalala isika na lahatra na lakalaka dia mihaino ny ao am-potsika sy mijery taratra ny olona hovadiana fa tsy mendimendy.Misy koa ny fahaporetana dia manambady izay tafaraka aminy ary eo no mipetraka ny olana satria tsy mbola mifankahalala toetra.Noho izany,ho an'ireo izay mbola tsy manambady dia ankino amin'Atra ny ho avinareo ary mivavaha ho an'ny olona izay miarakaraka aminareo,tsy ny fanomezana ny vatana no tena sarobidy satria voararan'ny lalana io fa ny fanomezana sy ny hivavahana ilay olona ho tiana hitondra na ho ravakin'ny tokan-trano.Miaraha amin'ATra amin'ny rehetra atao fa tsy misy nenina ao8)8)
Ny olana eto amintsika dia vokatry ny fahantrana dia ny rar sasany indray no mitarika ny zananany ary na efa vadin'olona izao aza dia asiany miditra ny zanany.Mampalahelo fa izany no zava-misy izao.8-)8-):cry:
17. sandrica ( 21/01/2007 00:25)
Ny ahy indray raha ny fijeriko azy de tena lahatra avy @andriamanitra izany ilay fanambadina.
Misy ireo milaza fa safidy io kanefa raha araka ny fijeriko azy na dia ny safidy tahaka ny ahoana aza ianao ka tsy anjaranao ilay olona de rava ho azy eo.
Raha raisina manko fa safidy ilay izy nefa tsy fantatra tampoka teo mety hoe lasa nanambady olonkafa ilay olona , na lasa any ivelany tampoka ihany koa, na tsy afaka nivady koa noho ny antony samihafa izay no ilazako hoe efa anjara io vady io fa na dia naniry tahaka ny ahoana aza ilay olona rehefa tsy avy @and de rava maina ohatra ny tsy teo
Misy koa mantsy na dia miaraka efa ho folo taona tsy ho possible mety ho lasa vady nefa misy vao miaraka telo volana fontsiny aza de efa raikitra hoe hanambady.
Ka izay no mahaanjara an'ilay vady e.Hafa indray kosa anefa ilay tsy anjara anefa de mbola forcerna foana ilay fanambadiana noho ny fitiavana iny indray azo lazaina fa safidy tokoa fa ny anjara manko tsy voatery ilay tinao matetika no vadinao fa mety olonkafa mihitsy e.
18. niryna ( 21/01/2007 05:55)
Telo volana izany ve tsy fohikely.Eny e misy tsy manantsavidy fa mitady ka sendra ny mangidy,misy ny mifika taolana.Ahoana indray ity rehefa nivady izy roa vao nahatsapa ilay iray fa tena tsy misy fo mitempo tao,hijanona sa hivoaka?:roll::roll:
19. pissoa ( 21/01/2007 10:43)
niryna:
Ny fijeriko azy indray dia misy ny fanambadiana lakalaka raha sendra mitsakatsaka ny tena, misy ny olona tsy manana safidy fa voadona amin'ny fiainana ary izay mitady azy dia hidirany.Tsy manantsafidy izy
izany fa entin'ny fo diso fanantenana ka raha sendra ny olona tsara izy dia ataony hoe fahasoavana nomen'Atra.Misy ny olona tratran'ny coup de foudre ary dia latsa-pitiavana ilay olona ary mety hiafara ny fanambadiana raha mazoto ny iray.

Tsy misy olona ry niryna hoe androany no voadona tamin'ny bandy tany - dia nahita olona teny an-karabe tonga dia nihazakazaka tany ampiangonana nanao mariazy a. Raha tsy hoe olona vao nivoaka ny 18 ngamba :-D:-D:-D Toy izany koa ny "coup de foudre". Tsy misy hoe taratara teny andalana tonga dia nihazakazaka tany amin'ny mairie hisoratra sy hanao mariazy. Misy fotoana foana hieritreretana hoe handroso tokoa ve aho sa tsia. Eo no mahasafidy azy. :-D:-D:-D
20. simplex ( 21/01/2007 11:04)
miankina @ le fanambadiana resahina eto io. Ra le hoe fisehoana,vodiondry, soratra, mariazy no lazaina d ataoko angamba fa safidy no tena mibahana.

Fa misy ny sasany miresaka hatr@ hoe fifankahitana sy ny fiarahana. Eo indray dia misy idiran'ny le hoe "anjara" nga no mahateny azy tsara. Ny safidy dia @ izay option ananao ihany ka eo no idiran'ny le hoe anjara. Satria izay anjaranao ihany no hifankahita aminao sy hahatanteraka izany resaka fanambadiana izany. Iza no mahita, any Chine zao mety misy sipa milay be miady @ piesiko mintsy kanefa tsy fantako akory. Noho izany tsy hifidy azy mitsy ah ;-).

@ lafiny 1 koa anefa ra ny fanambadiana no tena jerena tsara d toy ny safidy ihany ilay izy. Ianao mintsy no miteny hoe "mety misy tsara noho izy any fa tsy aoko satria izy no safidiko".

sarotra be izy zany fa aleo aloha hi:@

Misy tokoa v ilay hoe fanahy anabavy (ame soeur-- soulmate) ??? sa hoe fitiavana no misy d mi-agir mba hampiroborobo an'zay fitiavana zay? :-w

tsy zakan'ny saiko :@:@
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.075