kristianina?

41. pissoa ( 18/01/2007 07:09)
Mahafaritra ozizy fa tsy hoe mahafinaritra :-D:-D:-D

Ozy nareo sy HM hoe tsy hain'ny oul le atao hoe Kristianina. Dia fanontaniana mipetraka aminareo zany oe : Inona le izy ? :-D
42. pissoa ( 18/01/2007 07:12)
kitjo:

Io lazain' i herimiafina io no tena izy!

raha izaho manokana dia ao Dago ny ankamaroany, "isika" gasy, ny anamaroaNTSIKA, dia Kristiana anarana..ary nolovana t@ ray aman-dreny..satria isika firenena "kristiana" ..fa "anarana" fotsiny hoy aho.
ARy na ny Pasitera sy mopera sns aza efa betsaka ny tonga saina amzany fa saingy "sarotra ny manova zavatra ao Dago, inddra fa efa zokinjokiny daholo ireo mpitarika"..pasitera sy mopera no nilaza izany!

Mifona aminareo ho tafintohina amin'izany aho fa zao za vao mahita an'io..
Fantatro fa betsaka no hotafintohina @ zavatra lazaiko

Tsy tohina aho fa DISO be ianao. Ianao angamba mety Kristianina amin'ny anarana ... asa.

Ny marina dia hoe ny RAD no naha-Kristianina ny maro amintsika. Tsy misy olana izany, rehefa Kristianina isika dia izay, ary adidiny eo anatrehan'Andriamanitra rahateo izany. Fa ny hoe Kristianina anarana ... tsy marina angamba. :-D:-D:-D
43. namanao ( 18/01/2007 10:37)
LazaDaddy:

Tena gaga aho rey olona noho ny tranga hitako tato ho ato. Ny olona tafasiry amiko rehetra dia fantariko foana aloha na mino an'i Kristy na tsia, mba ahaizako miresaka aminy araka ny tokony ho izy.

- tato ho ato dia maromaro ireo nilaza fa "tsy kristianina" hono izy fa "katolika"
- androany indray aho niara-nisakafo tamina silamo ary rehefa avy nivavaka aho dia nanontaniany hoe: "fa ianao Katolika sa Kristianina"?
:?:

Raha toa ka eke-tsika fa mino sy mpanara-dia an'i Krisy ny mpikambana ao amin'ny Fiangonana katolika noho izany dia Kristianina izy fa mety tsy fantany fotsiny.

44. prime ( 18/01/2007 11:40)
kitjo:
prime> ny mahafinaritra ny Kristiana?
betsaka ny zavatra mahafinaritra ary eto @ izao tontolo izao aza no tena betsaka fa ny hoe
mahasoa ve iznay ary mifanaraka @ sitrapon' Andriamanitra ve?

na mamono olona aza ange mety misy mahazo fahafinaretana amin' iznay e!
... tsy mahafinaritra fa "mahafaritra"... fa efa novalianao ihany nefa ilay izy eo ambony ka dia misaotra...
45. tywa68 ( 18/01/2007 12:35)
Kitjo : marina ny anao !:lol: aleo tsy asiana ady hevitra be fa efa fantatsika ny inoantsika ! zany hoe tsara arahina asa kosa aloha ê ! satria matoa enao mino dia manaja ny didy 10 sy ny fihetsika mifanaraka @ireo !

xxx : raha mbola hono² dia aza asiana tohiny : fa mandehàna miangona ao @ katolika aloha dia ho tsapanao fa tsy mivavaka @ sarivongana na maria (zay vhv masina ary mendrika hajaina = > "mivavaha ho anay mpanota" no angatahina fa diniho kely) ! ny mivavaka ho an'ireo efa nodimandry sy ny sasany tsy mino sy tsy mbola nahita ny fahasoavany koa d atao ! tsy hitako zay olana aloha ê :wink:

namanao : tena marina tokoa !

46. xxx ( 18/01/2007 14:43)
LazaDaddy:

Tena gaga aho rey olona noho ny tranga hitako tato ho ato. Ny olona tafasiry amiko rehetra dia fantariko foana aloha na mino an'i Kristy na tsia, mba ahaizako miresaka aminy araka ny tokony ho izy.

- tato ho ato dia maromaro ireo nilaza fa "tsy kristianina" hono izy fa "katolika"
- androany indray aho niara-nisakafo tamina silamo ary rehefa avy nivavaka aho dia nanontaniany hoe: "fa ianao Katolika sa Kristianina"?
:?:



Efa taraiky be aho vao mamaly
vao haingana angaha ianao no tany US , sa tsy mifanerasera @ latino ? Izany foana no fomba firesak'ireo latino mipetraka any US ireo : katolika ianao sa kristiana
47. Zina ( 18/01/2007 21:23)
Herimiafina [ Valio ] 16-01-2007 23:45:36
Lohateny : Re : kristianina?
Ny tsy fahafantarana no hitako ho antony mahatonga ny fitsarana ny olona. Na ny Krtistianina na ny tsia dia mbola maro ny tsy mahalala ny famaritana ny atao hoe Kristianina. Ilaina ny fanadihadiana mba hialana amin'izany.


Zany mihitsy ry HM marina ny anao .....=D=D=D=D


tsy tokony hasina olana mihitsy anie izany e...atoro izy raha tsy mahay, lazaina azy ny opinion-nao rehefa tiany tsara rehefa tsy tiany an'azy samy rery izany
48. kitjo ( 20/01/2007 09:38)
prime> tena zafady fa mitaky ny fahanterana e..hihi..tsy hitako mihitsy!


ny hitako koa aloha ilay resaka oe Masina Maria sns...betsaka no tsy mahafantatra fa fomba fanao fts ka tsy dia itsarako lotra an le olona manao azy satria izy koa ary ny sasany tsy mahalala zay antony anaovany azy! marina io

pissoa> tsy iadian-kevitra ilay oe "anarana" sns...fa fahitako azy aho manokana io k!
49. prime ( 22/01/2007 12:51)
Tsy fahafantarana tokoa angaha fa izaho mitàna ny hevitro hatrany hoe ny Eglizy Katôlika Rômana dia anisan'ny fiangonana kristiana...

Ny katôlika anie tsy ny ao Rôma ihany sao diso hevitra isika, fa izy ihany koa ny Eglizy Katôlika Ôrtôdôksa... ary ity farany ity ihany no fiangonana kristiana ôfisialy any Jerosalema sy Israely fa sady tsy misy EKAR any no tsy misy Protestanta no tsy misy Anglikàna... sady manana ny rafitra azy manokana rahateo izany fiangonana izany no manana ny "Pape" azy rahateo manokana ihany koa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0707