kristianina?

21. LazaDaddy ( 16/01/2007 02:15)
piste:
sy diso famaky aho fa mba jereo ireo soratan'ny olona ireo. Sa odinao tsy hita.
Ka samihafa ny manokatra sujet sy ny mpandray anjara anie ry piste fa ny sujet nosokafako tsy manenjika e :) Sa odiana tsy hita tokoa? :)

piste:
Ary farany aza any @ resak'olona mandende eny ho aho no iangan'ny affirmation-nareo fa ampiasao kely io saina io. Silamo izay tsy mahalala momba ny kristianina no sady tsy kristianina akory ve dia mahagaga anao.

1) izaho aloha tsy nanao affirmation fa somary diso kely i piste:)
2) ny namako katolika maro mihitsy aza no manizingizina amiko fa tsy kristianina hono ry izy fa katolika dia izay no nahagaga ahy nanokafako an'ito sujet ito:)

cutie> mifanohitra ilay lohateny sy votoatiny ka mahakamo ny mamaky sy mandray anjara ao. Ilay lohateny manontany hoe "inona no atao hoe kristianina" kanefa ny votoatiny manaratsy ny "toetra tsy kristianina", koa aleo tsy jerena akory.:-D
22. tywa68 ( 16/01/2007 10:12)
piste : =D=D tena ireo voalazanao ireo mihitsy no saika teneniko !

Lazadaddy : Ka ilay kristianina aminao ve nazavaina tsara t@ireo namanao ireo fa tsy hoe voatery baibolista ohatranao ? :lol:
23. xxx ( 16/01/2007 10:27)
Ny katolika hono no maro anisa indrindra tena marina io ary ara-baiboly mihitsy . Efa tanteraka ary ve sa rahoviana no ahatanteraka ity faminaniana ity
Apokalipsy 17: 16 ; Ary ny tandroka folo sy ny bibidia izay efa hitanao dia ireo no hankahala ilay vehovavy janga ka hahatsinotsinona sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany @ afo
24. xxx ( 16/01/2007 10:34)
Tsy terena ny olona ho kristiana na katolika na antokom-pinoana hafa rehefa hoe : mamaky ny baiboly ary tsy ny famakiana ny baiboly akory no ahatonga anao ho kristiana koa na ho katolika .Raha za aloha tsy ho azonao @ izany e!.
Za sady tsy kristiana no tsy katolika fa mpivavaka .
25. booboo ( 16/01/2007 11:43)
tato ho ato dia maromaro ireo nilaza fa "tsy kristianina" hono izy fa "katolika"
- androany indray aho niara-nisakafo tamina silamo ary rehefa avy nivavaka aho dia nanontaniany hoe: "fa ianao Katolika sa Kristianina"?


-Tsy dia mino loatra zà hoe io no tena nolazain'ireo maromaro nilaza hoe tsy kristiana fa katolika. Matetika tsinona mahanvatana ny be sy ny bobaka kokoa ny miteny ny antoko-pinoana misy azy reo. Ny ety ivelany mihaino no manao "fausse interpretation" ilay hevitra nampitaina matetika...

-Zà manokana tsy gaga @ ilay hoe Katolika sa Kristiana satria ny katolika no beeeeeeeeee indrindra maneran-tany sady tsy mizarazara raha marobe tahaka ny protestanta. Dia lasa mandeha ho azy @ sasany ny fanavahana hoe katolika dia atontona ao @ "kristiana" aby ny antoko-pinoana ankoatra io. Tsisy resaka kristiana kokoa na tsia mihitsy io amiko.
26. LazaDaddy ( 16/01/2007 13:19)
booboo:
Tsy dia mino loatra zà hoe io no tena nolazain'ireo maromaro nilaza hoe tsy kristiana fa katolika
tsy ny finoanao na ny finoako mihitsy no tiako resahina eto fa ireo olona manizingizina fa "katolika" hono ry zareo fa "tsy kristianina". Asa raha efa nandeha tany Philippines sy tany Brunei ianareo fa any dia tena tsy manaiky ho antsoina hoe "kristianina" mihitsy ny "katolika". Tsy resaka fanavakavahana avy amin'ny olona tsy katolika fa izy mihitsy no tsy tia antsoina hoe "kristianina". Izay no mahagaga ahy!8O
27. prime ( 16/01/2007 14:24)
Raha izany tokoa no resaky ny olona dia izay izany no mba fomba fijeriny fa ny katôlika kosa aloha dia ao anatin\'ny fiangonana kristiana...
28. Fiffi ( 16/01/2007 14:47)
heu.....de anarana fotsiny zany fa tsy misy hidiran'ny katolika kristiana ....
29. pissoa ( 16/01/2007 20:23)
LazaDaddy:
izaho miezaka ho Kristianina

za hoa gaga be fa hay ve i LazaDaddy tsy Kristianina akory fa mbola vao miezaka ho Kristianina e :@:-D

Fa na zany na tsy zany, za alou refa anontaniana dia tsotra ny valiny e : Kristianina Katolika. Izay aho, ary mihatsaravelatsihy sy toy ny menatra amin'ny finoako raha milaza latsak'izay, izany hoe Kristianina fotsiny na hoe Katolika fotsiny.

Tsy mampiova ny maha-Kristianina Katolika ahy ny lazain'ny olona. Na enjehiny ho mpamosavy aho, na ampangainy ho mpanompo sampy, na rabiany ho tsy Kristianina, na dradrainy ho tsy iasan'ny Fanahin'Andriamanitra, na tondroiny ho misy devoly ... etsetra (Raha mpanao an'ilay fomba mahazatra aho dia ampiako hoe "I Kristy aza tantarainy ao amin'ny Baiboly, fa nataondry zareo hoe misy fanahy maloto ..." :-P:-D ). Tsy mampaninona ary tsy mampiova ahy hoy aho izay holazainy satria fantatro ilay inoako sy hivavahako, fantatro ny ataoko. Saingy tsy fantatry ny olona sasany izany (ilay ataoko) satria tsy izay no nasesika tao an-dohany. Tsy hifanomezan-tsiny. Izay angamba ilay tonga amin'ny fitenin-dry zareo mahazatra hoe "Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony". :-D:-D:-D

(l) Nohosihosena vao namerovero. (l)

---

Raha misy miteny kosa nefa hoe Katolika aho fa tsy Kristianina dia mety azoko ihany ny antony. Tsy hoe i Kristy sy ny finoana azy akory no laviny, raha Katolika izy dia mino an'i Kristy ho Andriamanitra. Ny fandotoana ny anaran'i Kristy ataon'ny hafa misalotra anarana "Kristianina" no laviny ka tsy hietezany hisalotra io anarana io miaraka amin'ireo mandoto azy. :-D:-D:-D
30. cutie ( 16/01/2007 21:56)
Tsy resaka fanavakavahana avy amin'ny olona tsy katolika fa izy mihitsy no tsy tia antsoina hoe "kristianina". Izay no mahagaga ahy!

ka nanin tsy nanontaniana ny antony :lol:
31. Herimiafina ( 16/01/2007 22:45)
Ny tsy fahafantarana no hitako ho antony mahatonga ny fitsarana ny olona. Na ny Krtistianina na ny tsia dia mbola maro ny tsy mahalala ny famaritana ny atao hoe Kristianina. Ilaina ny fanadihadiana mba hialana amin'izany. 8)
32. kitjo ( 17/01/2007 04:07)
Io lazain' i herimiafina io no tena izy!

raha izaho manokana dia ao Dago ny ankamaroany, "isika" gasy, ny anamaroaNTSIKA, dia Kristiana anarana..ary nolovana t@ ray aman-dreny..satria isika firenena "kristiana" ..fa "anarana" fotsiny hoy aho.
ARy na ny Pasitera sy mopera sns aza efa betsaka ny tonga saina amzany fa saingy "sarotra ny manova zavatra ao Dago, inddra fa efa zokinjokiny daholo ireo mpitarika"..pasitera sy mopera no nilaza izany!

Mifona aminareo ho tafintohina amin'izany aho fa zao za vao mahita an'io..
Fantatro fa betsaka no hotafintohina @ zavatra lazaiko

33. kitjo ( 17/01/2007 04:09)
Ny nolazaiko ery ambony inddra ery kosa dia zavatra notanteriko fts...fanazavan-dry zraeo io satria za koa dia tena gaga t@ nandre izany voalohany...

toy io lazain'i Laza io koa dia ny Katolika mihitsy aty no tsy mety antsoina hoe Kristiana fa ozy hoe "No im not Christian. I am Catholic"
Ka nareo samy nareo izany fa tsy hoe ny ety ivelany no milaza izany...

Fa samy manana ny kristianiny ko angamba io e...:-D:-D:-D
34. xxx ( 17/01/2007 04:13)
ny katolika anie hono tsy kristiana amin ny olona sasany e.
sady mivavaka amin i maria. "masina maria, mivavaha ho anay mpanota, masina maria, tsofy rano izahay.."
mivavaka amin ireo olo masina.
mino zavatra be dia be tsy ao anaty baiboly fa lovantsofina sy anganongano.
35. kitjo ( 17/01/2007 04:32)
ka io ilay lazain' ilay faanzavana apetrako ery ambony ery..fanazavan' ny olona aty izany lay hoe

Tantara sy lalAna napetrak' olombelona no arahina...ny fombafomba sns arahina koa HONO betsaka ny tsy mifanaraka @ Baiboly ....

samy manao izay mahasoa ny tenany anefa aloha e..

fa na zany aza momba ilay lazain' i piste..fa ngah ny isan' olona no ilazana fa tena izy na hoe atahoran' ny mpitondra fanjakana? mmhhh...aiza ho aiza ao anaty Baiboly miteny anzany??

tadidio fa mandravarava ny Eglise Universel Du Royaume de Dieu any Amerika atsimo...ny any amintsika aloha efa nidina!
36. kitjo ( 17/01/2007 04:39)
fa za aloha tsy milaza mihitsy hoe tsy Kristiana ny katolika fa kosa hoe tena betsaka ny zavatra voararan'ny Baiboly no ataon'ny Katolika..

dia ho an Kristiana hafa koa, tsy Katolika ihany, betsaka ny tsy mahalala akory oe inona ny atao oe Kristiana...sy ny hoe Finoana!
37. tywa68 ( 17/01/2007 09:01)
Kitjo : Inona ireo zvtra betsaka ataon'i katolika voararan'ny baiboly zany ?

38. prime ( 17/01/2007 09:05)
kitjo> mitovy hevitra aminao aho amin'io ambaranao farany io... fa te-hanontany anao sy HM hoe, inona izany no atao hoe "kristiana" raha ny fahitanareo azy? na izay tena hitanareo mahafaritra azy?
39. kitjo ( 18/01/2007 06:59)
AMiko aloha ny tena fototry ny maha-Kristiana dia ny Finoana irery ihany..
Zany hoe ny Finoanao fa Kristy maty ho anao mba hamonjy anao...io irery ihany no lalana ahafahana miditra any an-danitra fa tsy avy @ asa soa ataonao...na ny fampijalian-tena ataonao..na ny tsy fifandraisanao @ olona mpiteny ratsy ohatra..sns...
fanampiny dol zany rehetra izany

tywa68> tsy anjarako angamba ny mitanisa an' iznay fa ny ataoko aza be diso lavitra noho izany....fahitako ety ivelany fts izany fa ny antony anaovan' izy ireo azy koa tsy fantatro ka sao hanahirana..tsy eken' ny saiko fts ka lazaiko toy ireo olo-masina, sarivongana, karemy, Masina Maria sns...hevitro ahy manokana izay angamba tsy asiana adihevitra lavitra! :-*
40. kitjo ( 18/01/2007 07:05)
prime> ny mahafinaritra ny Kristiana?
betsaka ny zavatra mahafinaritra ary eto @ izao tontolo izao aza no tena betsaka fa ny hoe
mahasoa ve iznay ary mifanaraka @ sitrapon' Andriamanitra ve?

na mamono olona aza ange mety misy mahazo fahafinaretana amin' iznay e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.04