TROMBA....habibiana......

1. Fiffi ( 13/01/2007 08:30)

TROMBA. Tena nentin-javatra tokoa ve ilay tovolahy no nahavita habibiana sahala amin’izao ?
Maty nokaikeriny teo amin’ny filahiany ilay zaza

Tamin’ny faha-7 janoary teo no niseho ity zavatra hafahafa ity tany Nantsoina Tsaratanàna any amin’ny faritra Sambava. Nokaikerin’ity tovolahy vao 17 taona monja ny zazalahy kely iray folo volana ary tsy namelany raha tsy maty. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa ny trombany, hono, no nibaiko azy.


Rémi R.


Rogelin Jaobely no anaran’ity tovolahy ity. Tamin’ny faha- 7 janoary dia nantsoina izy hikapa ahi-dratsy tamina voly vary tany an-toerana. Ny ampitso, izany hoe ny faha-8 janaory rehefa vita ny asa dia nasaina niandry zaza io olona io. Ankizy kely vao 10 volana. Tsy nandà ny anao lahy. Asa anefa izay zava-niseho fa tapitra nokaikeriny ny vatan’ilay zaza, ny orony, ny molony ary niala mihitsy ny ambany, ny heliny ary farany ny ankasarotany. Vokatr’ireo kaikitra ireo dia nitomany ilay zaza. Izany no nanosika ilay tovolahy hanampina ny vavany mba tsy ho henon’ny olona. Avy eo mbola nokendainy ary maty vao nialany. Rehefa hitany fa tsy niaina intsony dia natsipiny tanaty lobolobo ny razana. Avy eo nandositra tany Ambohimalaza izy any amin’ny 30 km avy eo amin’ny toerana namonoany an’ilay zaza.

Rehefa nofotorana sy nanontaniana ilay tovolahy dia nilaza fa ny trombany, hono, no nibaiko azy hanaikitra io zaza io ka niteny taminy hoe: « vonoy io zaza tsara tarehy io ». Tsy hay izay tena fahamarinany. Satria mantsy mety ho nandray zavatra mahery izy ka any amin’ny zavatra hafa no nanilikany ny zava-dratsy vitany.
Midi Madagascar

novalian'i rrgmt ny 03/02/2007 16:27
2. vale ( 13/01/2007 17:09)
dain! :? maharikoriko zany! tena asan-devoly mintsy zany fa tsy mba olona normaly lay ralehilahy nahavita an'izany! :?
3. diamondra27 ( 13/01/2007 19:22)
aretina izany fa tsy tromba 'zany.

Amin'ny malagasy de we tromba e! sns fa @ tany mandroso de azo lazaina we deséquilibré le olona.
Tsy ahoana tsy ahoana eo ve de hanao an'izany?

Mila fantarina tsara aloha le zavatra vao afaka miteny an'io koa za e!

4. Fiffi ( 13/01/2007 21:23)
Fiffi:
Rehefa nofotorana sy nanontaniana ilay tovolahy dia nilaza fa ny trombany, hono, no nibaiko azy hanaikitra io zaza io ka niteny taminy hoe: « vonoy io zaza tsara tarehy io ».
heu....fa inona aloha ry zareo zany "tromba" zany ?


5. Stretch ( 14/01/2007 07:03)
Ilay hoe tromba araka ny fahafantarako azy , dia milaza ilay olona fa misy fanahy mipetraka ao aminy izany hoe : fanahina olona efa maty , ny fahitako azy dia aretina izy io toy ireny Schizophrénie ireny.Araka ny voalazan'ny Vale hoe asan-devoly , ary hoy Diamondra hoe azo azavaina ara tsiansa.
6. vale ( 15/01/2007 09:17)
marina izany!...misy fanahy ratsy mibaiko ilay olona ilay izy! ny maha samy hafa azy @ schizophrénie angamba de ny tromba misy fotoana ilay olona , mitroantroana be sns,de mihotakotaka be!(hi hi!..)de andihizana na hivelesana aponga sns vao calme :?, rehefa mihetsika ilay izy!
7. kitjo ( 15/01/2007 09:38)
tena tsy vanona mihitsy
8. kelly13 ( 15/01/2007 13:10)
na cannibalisme tsotra kou, henonareo ilay oul nigadra nihinana ny co-detenu-ny tany rouen? mivadika latera marina e :cry:
9. Fiffi ( 15/01/2007 14:40)
habibiana angamba tsy misy ohatran'zany an !
10. vale ( 15/01/2007 15:00)
mampitsôoooooka zany cannibal zany!:? (hi hi)
11. Fiffi ( 15/01/2007 16:52)
:{:{
12. vale ( 16/01/2007 18:58)
...sa Fiffi tsy matahotra?:-D
13. Fiffi ( 19/01/2007 17:16)
heu......le tromba aza tsy aiko koh inona no hampatahotra ahy akia ry vale ? fa raha resaka canibalisme indray aloha ...izy moa ve ahalany ahy ? :-D:-D:-D
14. vale ( 20/01/2007 15:34)
le cannib kah! tandremo fa minana ambaka ny taolana ange hono ry zareo reny e! hihihihihi:wink:
15. rrgmt ( 03/02/2007 16:27)
Tsidio ny andalana VAVOLOMBELONA ary ny hoe ipetrahan-javatra:idea:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0614