ny fanehoam-pitiavana eo amin'ny olon-droa

1. xxx ( 09/01/2007 07:53)
Miarahaba antsika mpikambana rehetra!!!!!
Moa ve misy fahamarinany fa hoe rehefa maneho fitiavana be amin'ny lehilahy hoe ny vehivavy dia mampifilafila ilay lehilahy , nefa atao ahoana moa ny fanafenana ny fitiavana izany , moa ve mety kobonina indray izy io , satria ny tena efa tia izay ka atao ahoana ihany ny tsy amoahana azy?
Zaho vehivavy celiba no manoratra eto ka mba misy fanontaniana:moa ve ampy raha ohatra hoe le lehilahy manome vola aminilay vehivavy fona , nefa izy tsy dia hita matetika fa tsy indraindray ihany ( henoko tamin'ny onjapeo anakiray io lohahevitra io)
Ka amin'izany moa ve voavidim-bola ny fitiavana? raha tsy misy vola izany dia inona fotsiny?
novalian'i arialy ny 17/01/2007 09:17
2. Fiffi ( 09/01/2007 08:04)
hummm.....tena misy marina aloha ny lhl mpampifilafila an ! hitany zao ianao fa tena tia azy de manao zay danin'ny kibony izy .....iny le mampijaly , mampitomany sns.....
Voavidim-bola marina ve ny fitiavana ? hoy aho hoe misy olona tena mahavita an'zany ary tena mampalahelo zany zavatra zany .....De maninona raha resahina izy de lazaina azy daholo zay zavatra tsy tantinao ? sy hoe tsy ny vola no mavesa-danja fa ny fitiavana sy ny fifankahitana ?
3. xxx ( 09/01/2007 16:44)
Marina izany Fiffi famisy indro kely.
Aza atao hoe "tsy ny vola" fa ataovy hoe "tsy ny vola ihany".:D
4. naritsimba ( 11/01/2007 05:28)
Amiko manokana aloha ny zavatra hitako mivaingana tena ilain'ny vehivavy dia ny VOLA.
Ekeko fa misy ny fitiavana fa mba andramo ange hoe: olona tsy an'asa no iarahan'ny vehivavy iray dia inona no mety hitranga.
Ao @ fiangonana izay misy ahy (FJKM Ambohipo)dia tsy manamasina fanambadiana na manao mariazy mihitsy i Pasitera raha tsy manana anton'asa ilay lehilahy, ny antony dia tsotra araka izay voalaza ao @ Filazantsara hoe: Ny lahy no lohan'ny vavy sy ny mba ialana amin'ny fivadihan'kevitra ka lasa ny vehivavy indray no hamelona lehilahy.
Ny vehivavy mantsy dia manana izay toe-tsaina iray izay hoe: Ny lahy no atao hamelona fa tsy ny vehivavy.

Fiffi> Sambatra ianao manana toe-tsaina hoe ny fitiavana aloha vao vola. izaho nanana izany toe-tsaina izany saingy vitsy ny vehivavy manaiky an'izany @ izao fotoana.
5. momox ( 12/01/2007 13:03)
nefa ny lehilahy ndray milaza fa ra ampisehoana fitiavana be ny vehivavy de midingindrambo
ka zany ve tsy sahala, tsy tsara zany ny maneho fitiavana be @ ol 1:-D:-D:-D:-D
tandremo anefa fa sao eritreretiny oe tsy tia ndray enao fa lanjalanjao fotsiny e
6. arialy ( 17/01/2007 09:17)
amiko alony de araka ny toetran'le olona anehoampitia iany io e, misy olona refa aseho azy fa tina izy de mampifila, nefa misy koa ny olona mitady io fanehoampitia io, ka tsy hay intsony ee,
de ahoana ny mandajalanja an zany ry momox? :roll::-/

ny resaka vola ndray, de aleo samy indépendant am io resaka io am zay de tsy misy ny olana satria tsy ny vhv no tia vola fa ny fiainana no mila vola, samy mahatsapa izany kosa angamba e!
za manokana alony de aleoko indépendante am resa-bola mba tsy hangatahako e!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5117