Indraindray miala maina

1. rabaradaka ( 09/01/2007 06:00)
Miarahaba ny mpiandraikitra sy ny mpiserasera. Tamin'ny faramparan'ny taona teo sy vao tsy ela koa izay dia tsy azoko mihitsy ny fifandraisana amin'ny serasera, na na azo aza dia tsy mety lasa ny hafatra. Manontany tena ihany aho satria tsy havanana amin'ny lafin'ny teknikam-piseraserana toa itony hoe ny fitaovako ve ny tsy mety sa nisy fanamboarana ny seraserantsika ? Mirary soa e !
novalian'i Zina ny 23/01/2007 01:21
2. ravatorano ( 09/01/2007 09:35)
za mùanokana aloha dia maro izay hafatra nalefako tato amin ity namana serasera ity fa dia lasa soa aman tsara ary izaho koa nahazo valiny
Andraso andramako andefasana i rabaradaka d ho hitako eo sa tsizay ?
:wink:
3. agoago ( 09/01/2007 11:54)
fa ahoana tokoa no ilazan'ny rabaradaka hoe tsy lasa? tsy mamaly lay andefasanao? sao lay olona kosa aza no tsy te hamaly !
4. lapino ( 09/01/2007 12:04)
Za koa ndraindray, tsy hitako ao amin'ny hafatra lasa ny hafatra nalefako. Fa rehefa nanontaniako ilay olona nandefasako dia voarainy tsara ihany hono. Ny olana fotsiny dia lasa tsy manana kopian'ilay hafatra aho izany ...
5. Fiffi ( 09/01/2007 12:58)
ny ahy indray aloha de tsy misy blèm na de kely aza eh !
6. pissoa ( 09/01/2007 17:30)
Lasa ny hafatra ry rabaradaka fa tsy hita ao amin'ny hafatra lasa fotsiny an. Efa noresahin'i bilakarenjy io olana io ... mahagaga fa ny an'i Fiffi tsy misy olana foana an :roll:
7. fasaly ( 09/01/2007 17:54)
lapino:

Za koa ndraindray, tsy hitako ao amin'ny hafatra lasa ny hafatra nalefako. Fa rehefa nanontaniako ilay olona nandefasako dia voarainy tsara ihany hono. Ny olana fotsiny dia lasa tsy manana kopian'ilay hafatra aho izany ...


ié zà koa tratran'io mitsy ka! vao omaly aho no nijery ny hafatro lasa fa tsy nisy voamrika tao dool de hoy aho hoe fa sao tsy nanoratra ary aho fa nanofy fotsiny hoe nanoratra, fa efa ela no otrzay ka!:wink::°)


8. sitlo ( 09/01/2007 20:01)
sao dia nisy nanakana koa ianao
9. fasaly ( 09/01/2007 20:04)
:-D zà kalou efa nisy nanakana fa fatako ny antony e! olona iray ihany ilay izy! fa mba jereo anie any am hafatra nalefa refa mamaly hafatra iny i sitlo raha lmisoratra any e!:wink:
10. Aino ( 09/01/2007 21:05)
ny ahy indray ny hafatra dia lasa soa matsara daholo, saingy ny hafatra lasa farany dia manamarika fa t@ taona 2006.
fa tsy dia misy holana ny @iny fa matoa miverina ny valiny dia lasa soama tsara izany ilay izy.
11. Zina ( 09/01/2007 22:32)
sitlo [ Valio ] 09-01-2007 21:01:41
Lohateny : Re : Indraindray miala maina
sao dia nisy nanakana koa ianao

dikan'izany ve oe misy mamaky?????
12. sitlo ( 09/01/2007 22:58)
Zina> tsy misy mamaky fa tonga dia tsy afaka mandefa hafatra fotsiny kah
13. fasaly ( 10/01/2007 06:43)
sady tsy faka mandefa hafatra no tsy tong any ny hafatra fa de tavelo eo:wink:
14. hery ( 10/01/2007 22:29)
Ok... nahitsy kely.

Jereo fa ao daholo ny hafatra lasa fa tsy very.
15. Zina ( 11/01/2007 02:50)
hery a fa ahona no nahitsy ? nanjavona zany? hihihihih
16. hery ( 11/01/2007 08:27)
Zina> resaka teknika be... tsy haiko na ho azon'i Zina :-)

Ok hazavaiko ihany.

Ny hafatra lasa, rehefa mandefa hafatra isika, dia voatahiry ao anatin'ny table iray ao amin'ny base de données. Io dia tsy nokitihana mihitsy hatramin'izay fa tahaka izany foana.

Fa rehefa mijery ny lisitry ny hafatra lasa dia atao "en cache" ny lisitra ary tsy ovaina raha tsy efa nisy hafatra lasa vaovao (amin'izay tsy mandreraka loatra ny serveur amin'ny fitsirihana isaky ny mihetsika ny Base de données). Dia ilay fanovana no tsy nety. Na dia nisy hafatra lasa aza dia tsy nohavaoziny (mise à jour) ilay cache ka ilay lisitra efa ela be foana no nasehony tao. Izany hoe tahaka ny mbola tsy misy hafatra lasa foana.
Ny nanitsiana azy vonjimaika dia tsy avy ao amin'ny cache aloha no maka ny lisitra fa mivantana avy amin'ny Base de données. Dia hitany daholo ny hafatra lasa rehetra. Mbola hahitsy io fa manavesatra ny serveur ilay izy amin'izao satria misy hafatra lasa anjatony isaky ny mpikambana.

Azon'i Zina ihany ve? :-p
17. Samoana ( 11/01/2007 08:40)
ireo tokotrany fa niverina daholo ireo hafatra nanao ankiafina:D
be teknika loatra koa ianareo mahay raha ireto kouh:wink: !
18. Fiffi ( 11/01/2007 09:25)
pissoa:
mahagaga fa ny an'i Fiffi tsy misy olana foana an :roll:
hatramin'zay ka hatramin'zao aloha de tsy nahitako olana ny momba ny hafatra.....


19. simplex ( 11/01/2007 09:42)
Fiffi:
hatramin'zay ka hatramin'zao aloha de tsy nahitako olana ny momba ny hafatra.....

Fiffi zany tsy nandefa hafatra mintsy ny dikany ;-)8)
20. Fiffi ( 11/01/2007 11:01)
simplex:
Fiffi zany tsy nandefa hafatra mintsy ny dikany ;-)8)
de ahoana hono no ahazahoako ireo isa azoko ireo raha tsy mandefa sy mamaly hafatra zah akia ry simplex ? :roll:


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6979