valin'ny natao
1. johmic
(
07/01/2007 16:11)
saika mba hanagataka ny tononkiran'ny valin'ny natao.
Misaotra tomppkp!
Misaotra tomppkp!
novalian'i kitjo ny 17/01/2007 03:51
3. kitjo
(
07/01/2007 17:09)
Liva Andrianavalona mihira an'io raha tsy diso aho sa tsy izy?
ilay misy oe
Tadidio tsy tody no misy
fa ny atao no mitamberina e
Ny anio, fi...nao indrisy (tsy tadidiko le eo)
Tadidio, Valin'ny natao!
ilay misy oe
Tadidio tsy tody no misy
fa ny atao no mitamberina e
Ny anio, fi...nao indrisy (tsy tadidiko le eo)
Tadidio, Valin'ny natao!
5. lanto
(
07/01/2007 17:47)
kitjo io ngamba le hira tadiaviny, fa an'i Liva tokoa ve iny ? Tsy azoko antoka :)
Ohatra ohatran'izao : :)
Fa toa hoe tianao aho
Ny ahy anefa kilalao
Tsy maintsy ataonao to
Izay faniriko
Sy izay mba tiako
Hahafa-po
Izaho tsy mila talaho
Fa izay sitra-poko atao
Raha tsy vitainao tsara
Dia ilaozako eo ianao
Tadidio tsy tody no misy
Fa ny atao no mitamberina eo
Ny anio iantsoanao "indrisy"
Tadidio : valin'ny natao
Fa nobaboinao izy
Ka nanao izay sitrakao
Dia nekeny avokoa
Ny hanaranam-po
N'inona hanjo
Satria tia tokoa
Tsy mba ambozizy
Fa safidy tsotra izao
Ny tsy mba hanan-jara
Rehefa tsy eo ianao
Ohatra ohatran'izao : :)
Fa toa hoe tianao aho
Ny ahy anefa kilalao
Tsy maintsy ataonao to
Izay faniriko
Sy izay mba tiako
Hahafa-po
Izaho tsy mila talaho
Fa izay sitra-poko atao
Raha tsy vitainao tsara
Dia ilaozako eo ianao
Tadidio tsy tody no misy
Fa ny atao no mitamberina eo
Ny anio iantsoanao "indrisy"
Tadidio : valin'ny natao
Fa nobaboinao izy
Ka nanao izay sitrakao
Dia nekeny avokoa
Ny hanaranam-po
N'inona hanjo
Satria tia tokoa
Tsy mba ambozizy
Fa safidy tsotra izao
Ny tsy mba hanan-jara
Rehefa tsy eo ianao
6. kitjo
(
07/01/2007 19:10)
na i Liva Andrianavalona na i Landy ( ilay manao an'ilay hoe Niseho tele) no mihira an'io
fiffi sy Lanto> bonanE kalo e :-*
fiffi sy Lanto> bonanE kalo e :-*
10. lanto
(
08/01/2007 18:16)
mandrindra:
liva andrianavalona no nihira an'io tamin'ny top16
Hay nafangaroko tamin'ny mpihira ity hira ity izy dia izay no nampisalasala ahy, tadidinareo ve ilay hoe :
Eto ampitan-drano eto aho
No mibanjina mangina ao an-tsaina
Ao am-poko lalina ao mahatsiaro anao ry tiana
O ry tiana
Malahelo anao lalaina
Ao am-poko lalina ao tsy mety maty
.....
11. kitjo
(
08/01/2007 19:06)
nndrriii
tadidiko io ..tsara koa io an!
asa i Landy ko mihira an'io moa sa i Liva? sa iza?
le feonkira tena tadidiko mihitsy!
tadidiko io ..tsara koa io an!
asa i Landy ko mihira an'io moa sa i Liva? sa iza?
le feonkira tena tadidiko mihitsy!
12. tslem
(
13/01/2007 10:37)
lanto:
Hay nafangaroko tamin'ny mpihira ity hira ity izy dia izay no nampisalasala ahy, tadidinareo ve ilay hoe :
[i]Eto ampitan-drano eto aho
No mibanjina mangina ao an-tsaina
Ao am-poko lalina ao mahatsiaro anao ry tiana
O ry tiana
Malahelo anao lalaina
Ao am-poko lalina ao tsy mety maty
....
tsy mety na oviana na oviana
nefa mila tsy ho tanty , tsy ho tanty
ny nofinofy anao ry tiana ô!
"Tsangy no hary"; tô izay no nihira an'io ra tsy diso ah
ary ty hira ty v tadidinareo? top16(bako)
Ry tanora mba tsarovy
ny toetra anie dia tsy mitovy
koa mba saino sy tadidio
izay ambarako anio
raiketo sy ataovy antsaina
izay voa ihany no lazaina
sao ho sehatr'izany ianao
ka ho tratry ny akory izao
........................
13. lanto
(
13/01/2007 13:45)
tslem:
ary ty hira ty v tadidinareo? top16(bako)
Ry tanora mba tsarovy
ny toetra anie dia tsy mitovy
koa mba saino sy tadidio
izay ambarako anio
raiketo sy ataovy antsaina
izay voa ihany no lazaina
sao ho sehatr'izany ianao
ka ho tratry ny akory izao
........................
Ie tadidiko io raha izao ny refrain-ny
Tanora misambotra lolo
Izay hita toa meva daholo
Na eny an-dalana na eny an-tsena
Izay mikitika ve dia ho ekena
Raha tanora tsy mahatandrin-tena
Dia henatry ny firenena
Satria tsatokaty poaka aty
Tsy lolom-boasary fa lolom-paty
.....
Ohatry ny tsy namoaka hira hafa izy o ?
Ary fifaninana inona (sa top16 ihany) no nivoahan'ilay hira hoe "mampirehitra" iny ? Na ny tonony na ny feony na ny mpihira tsy misy tadidiko :D nefa manontany :) Ny zavatra tantarain'le hira fotsiny no taditadidiko :)
14. cutie
(
13/01/2007 21:35)
....
tsy mety na oviana na oviana
nefa mila tsy ho tanty , tsy ho tanty
ny nofinofy anao ry tiana ô!
Zao ny endrikao o ry tiana
Soa ratra mahasondriana
tiako loatra
Eny tiako tsotra zao
Fa tsy mety tsara voatra eny
Tena tiako tiako loatra.
Ao am-poko lalina ao tsy mety maty ..........
15. tslem
(
14/01/2007 12:13)
lanto:
Tanora misambotra lolo
Izay hita toa meva daholo
Na eny an-dalana na eny an-tsena
Izay mikitika ve dia ho ekena
Raha tanora tsy mahatandrin-tena
Dia henatry ny firenena
Satria tsatokaty poaka aty
Tsy lolom-boasary fa lolom-paty
dia ty koa mbola tohiny:
aza manjeny ny andro lava
na varimbarianan'ny kilalao
zay hita rehetra dia mahafinaritra
ka ho sodokan' ny randram-bao
ny hendry ihany no hanarina
satria 'reo ihany no afa-miarina
fa ny adala no tsy hay toroina
'zay teny atao azy aza tsy tsaroany.
'zany mapirehitra zany ndray ohatry ny tsy haiko koh!:?
