Kodiaran-tsarety ity tany ity ka ny ambony mbola ....

1. niryna ( 06/01/2007 03:44)
Ahoana tokony izany,moa dia tena lasa ambony ilay ambany amin\'ny rehetra? Sa inona no tena fehin\'io amin\'ny fiainana?
novalian'i niryna ny 19/01/2007 20:40
2. soanja ( 06/01/2007 05:59)
Ny mety ho zavamitranga no resahiny amin'io fa tsy voatery ka. Misy izao zanaka mpanjaka fahagola, nanankarena, zanaka colon, dia ny taranany foana no notompoina mandrapahafatiny na malaza/manankarena na lasa filoha sns.
Ny hoe itovisan'ny samy olombelona dia ny fahafatesana zany hoe de samy hofaty daholo, eo no misy ny tsy azo idivirana.:D:D koa dia mahereza aby.
3. xxx ( 06/01/2007 06:58)
Kodiaran-tsarety ny fiainana. Teny tsy natao ho an'ny Kristianina io amiko. Ny Kristianina miantehatra ny mpiteny anio dia mihatsaravelatsihy. Tsy misy antony ao anatin'io teny io hoe fa maninona ilay ambony no ho lasa ambany fa dia atao fotsiny hoe izay no lalan'ny tany.

1) Ny ambony mbola ho ambany = Ozona. Fa maninona ny "ambony" no irariana ho "ambany" any aoriana any ? Afaka mivadika ho ambony ny tena raha mahatsiaro ambany, fa tsy ilaina hidina akory izay efa ambony.

2) Ny ambany mbola ho ambony = Fampanantenana pôkaty. Tsy misy hoe mahantra velona dia lasa mpanankarena tampoka satria izay no lalan'ny fiainana. Mitombo ny harenanao rehefa mahay mitsakaraka ary manana fahafahana hanao izany ianao.

Amiko tsy io no fiainana na lalana mitondra ny tany amin'ny ankapobeny fa ny hatsembohan'ny tavanao no hihinananao. Ataonao tsara ny asanao, ho avy ny valiny. Kolokoloinao tsara ny fitiavanao, ho tonga ny valiny. sns

Ka hafatro aminao ry zoky sy ry zandry,
Aoka isika hilofo hiasa fa tsy hiandry,
Aleo drodroka miasa toy izay hoe maty noana,
Ny valin-katsembohana tsy maintsy ho avy foana...

'Ndao hiasa, izay ihany !

(Ampahany Miasa ! Miasa ihany ! nosoratan'i Dadarabe)
4. fasaly ( 06/01/2007 08:22)
hummm! alina mitsy zà no nandinika ny fiainana ka io mitsy no noheritreretiko e!! marina mitsy izany ka!
izany no tsy tokony hanambaniana olona osa sy tsy hanambonianatena am tsy antony e!
nahita experiansa ny fiaian'ny hafa mantsy zà io ary tena nivadika ambony ambany lay izy ka hummmmm! aleo hilamina ihany e!:wink:
ny tiko lazaina dia olona fantako taloha nanana tokou noho ny afera sns ry zareo ary faran'ny izay mpanambany olona, na ny iray tampo aminy aza dia ataony mpiasa alikaina, fa nivadika tampoka lay izy dia izao hafa mitsy indray ny fandehany e!
5. Fiffi ( 07/01/2007 13:22)
ohatran'mampahatsiaro ahy an'le hiran'i Bessa hoe
"AZA MANAO AN'ZANY"
6. niryna ( 08/01/2007 04:39)
Misaotra aky fiffi nampahatsiahy anay ny hiran\'i bessa a.Toa hidiran\'ny fiainana rehetra io no fijeriko azy fa tsy hoe kristiana mpihatsaravelatsihy izany.Raha resaka kristiana no hitondranao azy dia hoe aza mirehareha ianao fa tsy fantatrao izay avoakan\'ny ampitso.Izay hafafy no hajinja.Ary hoe izay hasandratra no ahetry ary izay manetri-tena no hasandratra sa tsy misy hidiran\'izany:?:
7. rabaradaka ( 08/01/2007 06:29)
Ny hoe kodiaran-tsarety ny fiainana dia izao no nahatonga ny Ntaolo hiteny azy : ny fahaizanao miaina no hanavahany ny hoavinao, tsy mba fitenin'ny Ntaolo amin'ny olona mahay miaina sy tsara fitondran-tena io fiteny io. Fa isika taranaka taty afara dia nandiso ny tena hevitr'io teny io
8. soanja ( 08/01/2007 06:36)
Izay mantsy. Teny fampiononana nomen'ny Ntaolo io fa tsy natao ho lamina amin'ny fiainana ka arahina arabakiteny.:D
9. niryna ( 10/01/2007 16:47)
Matetika dia amin\'ny ohabolana sy ohatra foana no nitondrana ny fiainan-tsika.Tsy voatery tonga dia nahay nihaina daholo ny olona fa rehefa arahana ara-bakiteny io dia mety mitombona ihany
10. ari.malala ( 11/01/2007 08:02)
mampahatsiahy ahy ny tsianjerinay fony kely:

"Tsarovy fa fiodinkodinana
no didy mitondra ny tany
fiakarana sady fidinana
mihodina ambony sy ambany"

Amiko manokana alo tsy misy idiran'ny maha kristianina sy ny fiatsarambelatsihy ioresaka io, fa marina mintsy ny tenin'i fasaly hoe tsy tokoony hanambany olona na hirehareha sy hanambony tena @ tsy antony. Ny ambony mbol aho ambany, tsy ozona izany amiko fa izay ilay hoe tsy hainao izay havoaky ny segondra mivadika eo, ny ambany mbola ho ambony, marina io, tsy raisina antendrony be fahatany, fa amin'ny alala'ny ezaka ataonao no mahalasa ambony anao!
11. Fiffi ( 11/01/2007 09:48)
na izany aza aloha tsy de hitako loatra hoe mandaitra tokoa ve zany zao ? ny olona tsinona efa mba mitandrina mafy mba ahahety ny fiainany...
12. ratonga ( 11/01/2007 10:08)
iza mo no tsy hitandrina sy mirary ary miezaka izay ahamety ny fiainanay fa hoy ko ny fitenenana hoe: "rà tsy mety ny atao na tain'akoa aza hono maha tafitoina,..."
13. niryna ( 11/01/2007 17:44)
Fisehosehona, amboambo,mbola mahazo antsika olombelona io na atao hoe krsitiana aza.Mino aho fa azo ampiarina amin\'ny fiainana io fa tsy arahana ara-bakiteny hoe ambony ianao dia iza koa no haniry ho ambany8-)
Mila mitandrina amin\'ny fiainana fa tsy hoe manambola dia tsy ho lany mihitsy ny arena,rano aza mety ritra.Ary na manambola koa aza ianao rehefa marary,tsy mahavonjy anao ny arenanao.Mino aho fa misy hevitry ny fireharehana ao:?:
14. andry08 ( 11/01/2007 18:03)
Indraindray eo ambony ary indraindray eo ambany ka inona ny olana?
15. Fiffi ( 12/01/2007 06:46)
niryna:

Mila mitandrina amin\'ny fiainana fa tsy hoe manambola dia tsy ho lany mihitsy ny arena,rano aza mety ritra.Ary na manambola koa aza ianao rehefa marary,tsy mahavonjy anao ny arenanao.Mino aho fa misy hevitry ny fireharehana ao:?:
mandinika ny zavatra lazainao zah fa tsy azoko mihintsy hoe inona marina le tanjona ? :roll:


16. ari.malala ( 12/01/2007 07:32)
Raha azoko aky le izy Fiffi dia fampitandremana angamba a, ho an'ireo mpirehareha angamba:?: tsy haiko.
17. niryna ( 12/01/2007 18:19)
Fiffi:

niryna:

Mila mitandrina amin\'ny fiainana fa tsy hoe manambola dia tsy ho lany mihitsy ny arena,rano aza mety ritra.Ary na manambola koa aza ianao rehefa marary,tsy mahavonjy anao ny arenanao.Mino aho fa misy hevitry ny fireharehana ao:?:
mandinika ny zavatra lazainao zah fa tsy azoko mihintsy hoe inona marina le tanjona ? :roll:






Misy miteny eo hoe raha manankarena ve izany dia iza koa no haniry ahantra.ohatra izay ilay dikany,izay no namaliako hoe ny fiainana dia tsy miankina ny fanananao ka mihevitra fa tsy hiova mihitsy.Tsy fiffi no noteneniko fa teny ho antsika io.
18. xxx ( 12/01/2007 18:31)
xxx:

Kodiaran-tsarety ny fiainana. Teny tsy natao ho an\'ny Kristianina io amiko. Ny Kristianina miantehatra ny mpiteny anio dia mihatsaravelatsihy. Tsy misy antony ao anatin\'io teny io hoe fa maninona ilay ambony no ho lasa ambany fa dia atao fotsiny hoe izay no lalan\'ny tany.
Tsy misy teny ho an\'ny mpino sy tsy mpino izany,rehefa nanatra ny olona tsy hoe ianao tsy mino io:twisted:
1) Ny ambony mbola ho ambany = Ozona. Fa maninona ny \"ambony\" no irariana ho \"ambany\" any aoriana any ? Afaka mivadika ho ambony ny tena raha mahatsiaro ambany, fa tsy ilaina hidina akory izay efa ambony.
Aza mitsambiki-mikpy ianao,mety matahotra ny ho very seza ,izay ilay kodiarana
2) Ny ambany mbola ho ambony = Fampanantenana pôkaty. Tsy misy hoe mahantra velona dia lasa mpanankarena tampoka satria izay no lalan\'ny fiainana. Mitombo ny harenanao rehefa mahay mitsakaraka ary manana fahafahana hanao izany ianao.
Izay manana finoana dia mbola ahazo izay tadiaviny,ety tsy mila vola betsaka izy dia faly,tsy arena izay hidiran\'ny kalalao sy tokon\'ny tenanao ihany no tadiavina fa ny farena any an-danitra koa

Amiko tsy io no fiainana na lalana mitondra ny tany amin\'ny ankapobeny fa ny hatsembohan\'ny tavanao no hihinananao. Ataonao tsara ny asanao, ho avy ny valiny. Kolokoloinao tsara ny fitiavanao, ho tonga ny valiny. sns
Io indray aloha dia manohina aho
Ka hafatro aminao ry zoky sy ry zandry,
Aoka isika hilofo hiasa fa tsy hiandry,
Aleo drodroka miasa toy izay hoe maty noana,
Ny valin-katsembohana tsy maintsy ho avy foana...
Misy fanantenana ihany ianao eto.Tehafo izy e =D=D
\'Ndao hiasa, izay ihany !

(Ampahany Miasa ! Miasa ihany ! nosoratan\'i Dadarabe)


Ary toa tezitra be ianao izany.:@:@
19. niryna ( 19/01/2007 20:40)
Mila mianatra fiainana isika ry xxx a :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.629