Fa maninona no sainga banga daholo ny olona ......

1. niryna ( 06/01/2007 02:43)
Zavatra tena mampalahelo fa na ankizy mbola tanora aza dia toa sainga banga daholo.Manontany tena aho mba fantatrareo ve ny antony sao misy vahaolana tokony hatao :cry::cry:
novalian'i niryna ny 14/01/2007 20:05
2. sariaka ( 06/01/2007 07:28)
Tsy mihinana loatra zavatra na karepoka mamy, indrindra ireny bonbon mamy sns...maha voa n'ny oli-manara hono ireny, dia avy eo voatery alàna ny nify:(:( mila miborosy nify foana koa. Izaho aloha miteny izany fa zah koa tratra e, mila mitandrina...:):):)
3. watafon ( 06/01/2007 17:53)
Ny mahatonga ny olona banga aùin'izao fotoana izao d voalohany indrindra aloha d tsy voakarakara tsara izy ireo izany hoe : tsy voaborosy ara-dàlana ! isaky ny avy misakafo no tokony hiborosy nify mantsy! Ny tena tsara alohan'ny hiborosiana azy dia mampiasa irony "fil dentaire " irony hanalana ny plaque dentaire tafajanona aanelan'elan'ny nify !
Ny sakafo hanina koa matetika no mahatonga ny olona aty afovoantany ho ratsy nify raha tsy mahay mitandrina e !
4. Zina ( 07/01/2007 00:50)
Ampiko ny hevitr'i Watafon... tsy ampy calcium no mahatonga an;io koa...
Indrindra isika gasy dia tsy ampy calcium mihitsy ny akamarony...
5. fijo ( 10/01/2007 23:02)
wata,tsy ampy ve hozy elahy ny sakafo ao ampovoany sa ;le karazany?
6. niryna ( 13/01/2007 01:30)
Sao mila andrhony ela ny sakafo amin'izay malemy.
7. ivolana ( 13/01/2007 09:06)
tsy ampy fitsaboana ka! ny aty ivelany tsy maintsy manao controle tous les 6 mois mba hitazolana ny etats ny nify rehetra, fa raha any madàgascar maza ho azy fa ny olona tsy maharaka an'izany noho ny fahasaratan'ny fiainana.
izao aza anie efa niova ny lalàna hoe ny zaza hatramin'ny 12 taoana manao fitsaboana gratuits, mbola aty ivelany ihany io an! mba hitsonjovana an'ilay fahasalaman'ny nifin'ny ankizy io. Any madagascar tsy misy an'izany, manaraka izany fadiana ny mihinana zava mamy alohan'ny hatory tsy miborosy nify tsara, matetika mantsy mbola te hitsetsitra bonbon ohatra dia hadinodino eo dia lasa matory fotsiny na dia efa avy niborosy nify aza .....
8. mpanota ( 13/01/2007 13:35)
Raha ny fahitako azy indray aloha dia , dia saika ny olona aty afivoantany no tena tratran'io fahabangana io
Betsaka koa no milaza fa ny tsy fahampiantsakafo no tena mahatonga izany , toy ny hazandrano ireny mantsy hono dioa mitondra otri-kaina mahamafy nify tokoa nefa tsy haharaka izany olona
9. soanja ( 14/01/2007 06:13)
Ny fahitako anle izy de mbola any ambohoka ny zaza defa tokony hihinana vitamines isan-karazany ny renin-jaza de mandrapaha lehiben'ny zaza de mihinana foana na reny mampinono na zaza. De any Mada taloha tsy de nisy an'io loatra raha tsy fianakaviana manana.
De refa misakfo koa tsy mba miovaova asiana hazan-dranomasina fa de ny eo ihany ny eo tsy ampy otrikaina feno matetika ny sakafo satria miankina koa amin'ny tany aniriany ohatra ny zavamaniry ohanina.
Ary farany de ny ranO no anisan'ny mahabanga ny olOna satria tsy ampy ilay otrikaina takin'ny nify. Izay ny mahabanga ny olona be de be any amin'ny faritra SAVA midina ka hatrany Nosy Varika nefa raha vao mankao Vaingaindrano midina ka hatrany Beza Mahafaly sns de toy ny fitaratra mihitsy ny nify fa dia sady matanjaka no misy itsikiana tsara fa tsy solonify.
10. niryna ( 14/01/2007 20:05)
Misaotra ny rehetra nanome toro-hevitra.Misy milaza fa ny fihinana fary hono dia mampateza nify,mety mitombona ve io sa lasa mivoto hono ny firirifana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0946